Toko 1

1 Ze hatramin'ny fendohana sy ze efa reigninay, ze efa tazagnay, ze efa nojerenay, ary ze efa nokasin'ny tagnanay, zany de momba ny Tenin'ny fiaignana. 2 Salan'zany ihany kô, ny fiaignana de nampafantarian, ary efa tazagnay zany, ka mitsangana vavolombelona am'zany zahay. Zahay de magnambara aminareo ny fiaignana mandrakizay, ze tao amin'ny Ray, ary ze efa nampafantarian an'nay. 3 Ze efa tazagnay sy reigninay de ambaranay aminareo ihany kô, mba hanagnanay fifandraisana aminay kô. Ny fifandraisana misy akeo aminay de amin'ny Ray sy amin'ny Zanany, Jesosy Kristy. 4 Salan'zany ihany kô, manoratra an'reo ra reo ho an'nareo zahay mba ho tanteraka ny fifalentsika. [Fagnamarihana: Reo dikan-teny talô sasagny de mivaky salan'zao: "Ary manoratra reo ra reo zahay mba ho tanteraka ny fifalenareo."] 5 Zao no hafatra ze efa reigninay avy tamin'azy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra de fazavana, ary akao amin'Azy de tsy misy haizina mihitsy. 6 Raha milaza tsika fa managna fifandraisana amin'Azy ary mande akao agnatin'ny haizigna, de mandenga tsika ary tsy magnano ny marina. 7 Kanefa raha mande akao amin'ny fazavana tsika ôtran'Azy, de managna fifandraisana amin'ny tsiraikaraika avy tsika, ary ny ràn'i Jesosy Zanany no manadio antsika amin'ny fahotana daôly. 8 Raha milaza tsika fa tsy manam-pahotana, de mamitaka ny tegnantsika tsika, ary ny famarinana de tsy akao amintsika. 9 Nefa raha miaiky reo fahotantsika tsika, Izy de matoky sy marina amin'ny famelana reo fahotantsika ary magnadio antsika amin'ny tsy famarinana daôly. 10 Raha milaza tsika fa tsy mbola nanota, de magnano an'Azy ho mpandainga, ary tsy akao amintsika ny teniny.