Toko faha 2

1 Anaka, manoratra reto ra reto za mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy manota, de managna mpisolo vava tsika miaraka amin'ny Ray, Jesosy Kristy, le marina. 2 Izy no fagnavotana an'reo fahotantsika, ary tsy ny antsika ihany, fa ny an'zao tontolo zao raika manontolo ihany kô. 3 Am'zany no afantarantsika fa mafantatra an'Azy tsika: Raha mitandrina reo didiny tsika. 4 Le miteny hoe: "Mafantatra an'Andriamanitra za," fa tsy mitandrina reo didiny, de mpandainga, ary ny marina de tsy akao amin'azy. 5 Fa n'iza n'iza mitandrina ny teniny, marina tokôtra, de akao am'zany ôla zany no nagnatanterana ny fitiavan'Andriamanitra. Am'zany no afantarantsika fa akao amin'Azy tsika. 6 Le raika ze miteny fa mitôtra akao amin'Andriamanitra de tokony ande ihany kô izy salan'ny nandehanan'i Jesosy Kristy. 7 Ry malala, tsy manoratra didy vaovao ho an'nareo za, fa didy talô ze efa nanagnanareo hatramin'ny fendohana. Ny didy talô de ny teny ze reigninareo. 8 Fa manoratra didy vaovao ho an'nareo za, ze marina akao amin'ny Kristy sy akao aminareo, satria ny haizina de mandalo, fa ny fazavana marina de efa mamiratra. 9 Le raika ze miteny fa akao amin'ny mazava izy ary makahala ny rahalany de akao agnatin'ny haizigna hatramin'zao. 10 Le raika ze mitia ny rahalany de mitôtra akao amin'ny mazava ary tsy hisy fotôna hanafitohinana an'azy. 11 Fa le raika ze mankahala ny rahalany akao amin'ny haizina de mandeha akao amin'ny haizigna; izy de tsy mafantatra ze aleny, satria ny haizigna de efa najamba ny masony. 12 Manoratra ho an'nareo za, ry zanaka malala, satria reo fahotanareo de vôvela non'ny agnarany. 13 Manoratra ho an'nareo za, ry ray, satria fantatrareo le raika avy amin'ny fendohana. Manoratra ho an'nareo za, ry gaogna, satria noresenareo le ratsy. 14 Efa nanoratra ho an'nareo za, ry zaza madinika, satria nareo de mafantatra ny Ray. Efa nanoratra ho an'nareo za, ry ray, satria fantatrareo le avy amin'ny fendohana. Efa nanoratra ho an'nareo za, ry gaogna satria mafy nareo, ary ny tenin'Andriamanitra de mitôtra akao aminareo, ary nareo de efa nandesy le ratsy. 15 Aza mitia an'zao tontolo zao na reo ra akeo amin'azy. Raha misy mitia an'zao tontolo zao, de tsy akao amin'azy ny fitiavan'ny Ray. 16 Fa ny ra daôly ze akao am'zao tontolo zao de ny filan'ny nofo, ny filan'ny maso, ary ny fieboebon'ny fiaignana ze tsy avy amin'ny Ray fa avy am'zao tontolo zao. 17 Zao tontolo zao sy ny filany de mandalo. Fa n'iza n'iza magnano ny sitrapon'Andriamanitra de hitoetra mandrakizay. 18 Ry zaza madinika, ty no ora farany. Ôtran'ny efa reigninareo fa ho avy ny anti-Kristy, am'zao maro reo anti-Kristy ze efa tonga. Am'zany no afantarantsika fa tsy no ora farany. 19 Niala tamintsika zareo, kanefa tsy avy amintsika. Fa raha tamintsika zareo de nitoetra niaraka tamintsika. Fa rafa niala zareo, de nampiseho fa tsy tamintsika. 20 Fa managna fagnosorana avy am'le Masina nareo, ary fantatrareo daôly ny marina. (Fagnamarinana: misy dikan-teny hafa sasagny vaovao ze mivaky hoe: "Managna ny falalana daôly nareo." Ny dikan-teny sasagny talô de mivaky hoe: 'Ary fantatrareo ny ra daôly.") 21 Tsy nanoratra ho an'nareo za satria nareo de tsy mahalala ny marina, fa satria fantatrareo zany ary tsy misy lainga avy amin'ny marina. 22 Iza no mpandainga fa tsy le raika ze mandà fa i Jesosy no Kristy? Zany ôla zany de le anti-Kristy, rafa mandà ny Ray sy ny Zanaka izy. 23 Tsy misy ôla ze mandà ny Zanaka ka hanagna ny Ray. N'iza n'iza magneky ny Zanaka de managna ny Ray. 24 Fa ho an'nareo, aoka ze reigninareo hatramin'ny fedohana hitoetra akao aminareo. Raha ze reigninareo hatramin'ny fedohana no mitoetra akao aminareo, de hitoetra akao amin'ny Zanaka sy akao amin'ny Ray ihany kô nareo. 25 Zany no fampanantenana nomeny antsika: de ny fiaignana mandrakizay. 26 Efa nanoratra an'zany ra zany ho an'nareo za momban'reo ze hitondra an'nareo amin'ny lalan-diso. 27 Fa ho an'nareo, le hosotra ze noraisinareo avy tamin'Azy de hitoetra akao aminareo, ary nareo de tsy mila ôla mampianatra an'nareo. Fa salan'ze nampenarin'ny fagnosorana an'nareo ny ra daôly de marina ary tsy lainga, ary salan'ze efa nampenarin'zany nareo, de mitôtra akao amin'Azy. 28 Am'zao, ry zanaka malala, mitoetra akao amin'Azy, rafa mibôgna Izy, de hanagna fasahiana tsika ary tsy ho menatra akeo agnatrehany amin'ny feviany. 29 Raha fantatrareo fa izy no marina, fa tantatrareo fa ze daôly magnano ny mety de teraka tamin'Azy.