Toko 1

1 Paoly, nantsovin'i Jesosy Kristy mba ho Apostoly nony sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalàntsika, 2 ho an'ny fengonan'Andriamanitra akao Korinto, ho an'reo ze nohamasinina takao amin'i Kristy Jesosy, ze vôantso ho ôla masina. Manoratra ho an'reo daôly ze magnatso ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny tôrana daôly iany kô zahay, de Tompon-jareo sy antsika. 3 Ho aminareo anie ny fasoavana sy ny fiadagnana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Za de magnome fisôrana ho an'Andriamanitro ho anareo fôgna nony fasoavan'Andriamanitra ze namen'i Jesosy Kristy anareo. 5 Natôgny nanankarena tamin'ny fomba daôly nareo, tamin'ny fiteny daôly sy ny falalana daôly, 6 raha vôporofo fa marina ny fagnambarana momban'i Kristy. 7 No zany anareo de tsy ory fagnomezam-pasoavana akeo am-pendrasanareo fatratra ny fagnambarana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. 8 Izy iany kô de hampahery anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsigny anareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Matoky Andriamanitra, ze nagnantso anareo ho amin'ny firaisana amin'ny Zanagny là, Jesosy Kristy Tompontsika. 10 Ami'zao de mampirisika anareo za, ry rahalà, amin'ny agnaran' i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifagnaraka nareo daôly, ary tsisy fisarana akeo aminareo. Mampirisika za mba hikambagna amin'ny saigna mitovy sy tanjona mitovy nareo. 11 Fa efa natao mazava taminà, ry rahalà, tamin'ny alalan'ny vahôkan'i Kloe fa misy fifampandanina akeo aminareo. 12 Ny teko taravina de zao: Ny tsiraikaraika aminareo samby magnano hoe: "Za miaraka amin'i Paoly," na "Za miaraka amin'i Kefasy," na "Za miaraka amin'i Kristy." 13 Vôzarazara ma Kristy? Paoly ma no nombona ho anareo? Tamin'ny agnaran'i Paoly ma no nagnôvana batisa anareo? 14 Misôtra an'Andriamanitra za fa tsisy nataoko batisa nareo, afa-tsy Krispo sy Gaio. 15 Zany de mba tsy hafan'iza mitare hoe tamin'ny agnarako no nagnôvana batisa anareo. 16 (Za iany kô de nagnano batisa ny ankohonan'i Stefanasy. Ny ankôtra ze tsy fantatro raha nagnano batisa ôla hafa za.) 17 Fa Kisty de tsy nagniraka anà mba hampagnano batisa fa hitory ny filazantsara. Izy tsy nandefa anà hitory amin'ny tenin'ny faendren'ny olombelona, mba tsy ho fôgna ny herin'ny hazofijalian'i Kristy. 18 Fa ny hafatra momba ny hazo fijaliana de fahadalana amin-reo de ho faty. Fa akeo amin'reo ze ho vonjen'Andriamanitra kosa, de herin'Andriamanitra zany. 19 Fa vôsoratra hoe: "Ho poteko ny fahendren'ny hendry. Ho foanako ny fahalalan'ny mahay." 20 Aiza ny olon-kendry? Aiza ny magnam-pahaizana? Aiza ny mpiady hevitra an-zao tontolo zao? Moa tsy navadik'Andriamanitra ho fahadalana ma ny fahendren-zao tontolo zao? 21 Satria tsy nahalala an'Andriamanitra izao tontolo zao takao amin'ny fahendreny, de sitrak'Andriamanitra ny hamonjy reo ze mino amin'ny alalan'ny fahadalan'ny fitoriana. 22 Fa reo Jiosy de mangataka famantarana magaga ary reo Grika mitsakaraka fahendrena. 23 Fa zahay mitory an'i Kristy vôhombo, ze vato fanafintonana ho an'reo Jiosy ary fahadalana ho an'reo Grika. 24 Fa ho an'reo ze nagntsovin'Andriamanitra, reo Jiosy sy reo Grika de mitory an'i Kristy ôtran'ny hery sy fahendren'Andriamanitra zahay. 25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra de hendry no ny ôla, ary ny falemen'Andriamanitra de matanjaka no ny ôla. 26 Hevero ny fagnantsovana anareo, ry rahalà. Tsy betsaka taminareo no hendry raha ny amin'ny maha olombelona. Tsy betsaka taminareo no nahery. Tsy betsaka taminareo no ambony firazanana. 27 Fa Andriamanitra de nisafidy reo ra adalan-zao tontolo zao mba hampamenatra ny hendry. Andriamanitra de nisafidy ze malemy akeo amin-zao tontolo zao mba hampamenatra ze matanjaka. 28 Andriamanitra de nisafidy ze ambany sy haratsegna aketo amin'zao tontolo zao. Na Izy aza de nifidy reo ra ze noheverina ho tsinotsinona, mba hatonga tsinontsinona reo re ze atao ho magnan-danja. 29 Natôgny zany mba tsy hisy hagnana antony hireharehana akeo agnatrehany. 30 Nony natôn'Andriamanitra, amin-zao fotôgna zao nareo de akao amin'i Kristy Jesosy, ze lasa fahendrena ho antsika avy amin'Andriamanitra. Izy de lasa fahamarinantsika, fahamasinantsika ary fahafahantsika. 31 Vokatr-zany, araka ze vôlazan'ny Soratra Masina magnano hoe: "Ôka ze mirehareha, hirehareha akao amin'ny Tompo."