Toko faha 2

1 Rafa nankeo aminareo za, ry rahalà, de tsy tonga niaraka tamina lahateny na fahendrena za raha nagnambara ny mistery momba an'Andrialanitra. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny maro faha de mivaky salan'izao hoe: "Raha nagnambara ny fijoroana vavolombelona momban'Andriamanitra za."] 2 Fa nanapa-kevitra tsy halala n'ino n'ino za rafa takeo aminareo, afa-tsy Jesosy Kristy, sy Izy vôhombo. 3 Ary niaraka taminareo za takeo amin'ny falemena, sy takeo amin'ny tatra, ary takeo amin'ny fangovitana be. 4 Ary ny hafatro sy ny fagnambarako de tsy tamin'ny teny fandresen-dahatry ny fahendrena. Fa kosa, reo de tamin'ny fanehian'ny Fanahy sy hery, 5 mbô tsy ho akao amin'ny fahendren'ôlombelona ny finônareo, fa akao amin'ny herin'Andriamanitra. 6 Am'zao fotôna zao tsika de tegna mitare fahendrena akeo am'reo matanjaka, fa tsy ny fahendren'zao tontolo zao, na ny an'reo mpanapaka zao vanin'andro zao, ze mandalo fôgna. 7 Fa kosa, milaza ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fahamarinana misitrika tsikana, le fahendrena misitrika ze notendren'Andriamanitra melô talôn'reo vanin'andro daôly ho voninahitsika. 8 Tsisy tam'reo mpanapak'zao andro zao no nafantatra io fahendrena io, fa raha natakatra an'zany zareo tam'zany fotôna zany, de tsy nohombon-jareo le tompon'ny voninahitra. 9 Fa araka ze voasoratra hoe: "Reo ra ze tsisy maso natazagna, tsisy sofigna naregny, tsisy eritreritra nahazo sary an-tsaigna, reo ra ze nomanin'Andriamanitra ho an'reo te an'Azy." 10 Reo no ra natoron'Andriamanitra taminay tamin'ny alalan'ny Fanahy. Fa ny Fanahy de mikaraka ny ra daôly, na de reo ra laligna an'Andriamanitra aza. 11 Fa iza ma no mafantatra ny fisaignan'ny ôla raika afatsy ny fanahy akao am'le ôla? Arak'zany kô, tsisy mafantatra reo raha laligna an'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra. 12 Fa tsy niaka ny fanahin'zao tontolo zao tsika, fa fanahy ze avy aigny amin'Andriamanitra, mbô hafatsika mafantatra reo ra omena antsika maimaimpôgna avy amin'Andriamanitra. 13 Miteny momba reo ra reo amin'ny teny ze tsy hain'ny fahendren'olombelona ampenarina zahay, fa ze ampenarin'ny Fanahy an'nay. Ny Fanahy no mandika ny teny ara-panahy miaraka amin'ny fahendrena ara-panahy. 14 Ny ôla ze tsy ara-panahy de tsy mandray reo ra ze an'ny Fanahin'Andriamanitra, satria fadalana amin'azy regny. Tsy afaka mafantatra an'regny izy satria famantarana ara-panahy regny. 15 Ze ara-panahy de mitsara ny ra daôly, fa tsy hiasan'ny fitsaran'ny hafa izy. 16 "Fa iza no afaka mafantatra ny fisaignan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra an'Azy?" Fa zahay de managna ny fisainan'i Kristy.