Toko 1

1 Paoly, mpanompon'Andriamanitry sady Apostolin'i Jesosy Kristy, hagnamafy gne finoan'olom-boafidin'Andriamanitry izy ame fahalalagny e marina izay magnaraky gne toe-pagnahy araky an'Andriamanitry, 2 ame fahatokisagny e fiainagny mandrakizay, izay nampagnantegnain'Andriamanitry, gne tsy mavandy, taloha be tagny. 3 Tame fotoagny voatondro, da naboakiny e zakany tame hafatry izay natokisany ho ampitaiko. Naniko izany arak'e didin'Andriamanitry, gne Mpamonjy antsika. 4 Ho an'i Titosy, anaky marina ao ame finoagny hitambarantsika. Fahasoavagny izy ame fiadanagny avy amin'Andriamanitry Ray izy amin'i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 5 Noho izao antony izao e namelako anao tagny Kreta, da e mba handaminanao io raha mbola tsy vita aby sady hanendry olombe isak'e tanagny araky izay efa nandidiako anao. 6 E olombe ame tanagny da tsy tokony hanan-tsigny mihintsy, vadin'e viavy raiky, managny anaky mino tsy voapanga ho magnara-po ame ratsy na maditry. 7 Ilain'e mpitandrigny, amin'e maha-mpagnano e asan'Andriamanitry, e tsy fanagnan-tsigny. Tsy tokony hahery fizakagny na mirehareha. Tsy tokony ho mora vignitry, tsy mamolava, tsy tia ady, sady olo tsy tia vola. 8 F'izy, tokony hampandroso an-dragno izy, naman'izay tsara. Tsy maintsy mahonon-tegna, marina, masina, sady mahafehy tegna. 9 Tokony mitagny mafy e hafatry izay efa nampianarigny izy, mba afahany mampahery gne hafa ame fampianaragny tsara sady hagnitsy e olo izay manohitry an'azy. 10 Fa maro e olo mpikomy, indrindra e voafora. Tsy misy lanjany e zakandreo. Mandiso fagnantegnagny sady mitariky gn'olo ame lalan-diso indreo. 11 Ilaigny e manakagny an'iregny. Mampianatry e tsy tokony hampianarigny indreo mba azahoagny haregna maloto sady mandrava e fianakaviagny agnaby. 12 Nisy raiky tamindreo, izay lelà hendrindreo, nizaka hoe: "E Kretana da mpavandy mandrakariva, ratsy sady biby mandoza, kamo be tenda." 13 Marina izany voazaka izany, noho izany anaro mafy indreo mba hatanjaky ame finoagny. 14 Ka miraharaha e tafasirin'e Jiosy na e didin'olo izay niala tame fahamarinagny. 15 Ho an'e madio, da madio e raha agnaby. Fa ho an'izay voaloto sady tsy mino kosa, da tsy misy madio ndre ino ndre ino. Nohon'e saigny izy ame fieritreretany efa voaloto. 16 Magneky fa mahalala an'Andriamanitry indreo, kanefa mandà an'Azy ame asany aby. Mpalaigny sady mpandika lalàgny indreo. Tsy mahavita asa tsara ndre ino ndre ino.