Toko faha 4

1 Ino zany gne ho zakaintsika fa hitan'i Abrahama, raintsika tagny aloha araky gne nofo? 2 Fa raha nohamarignigny tamign'asa Abrahama, da nanagny antony hireharehagny izy, nefa tsy eo agnatrehan'Andriamanitry. 3 Fa ino gn'ambaran'e Soratry Masigny? " Abrahama da nino an'Andriamanitry, sady nisaigny ho fahamarinagny izany." 4 Sady ho an'izay miasa, gne karamany da tsy isaigny ho fahasoavagny, fa ho ako gne trosa. 5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa kanefa mino an'e raiky izay magnamarigny gne mpanohitry an'Andriamanitry, da isaigny ho fahamarinagny gne finoany. 6 Davida avakoa da manognogny tso -drano amign'olo izay isain'Andriamanitry ho marigny nefa tsy miasa. 7 Hoy izy se:" sambatry indreo izay voavela gne helokiny, sady koa indreo izay voarakotry gne fahotagny. 8 Sambatry izay tsy hisain'ny Tompo heloky." 9 Amindreo voafara avao me gne hanognonagny izany tso-drano zany, sa amin-dreo tsy voafora koa? Fa hoy Itsika hoe:" Gne finoagny da nisain'Abrahama ho fahamarinagny." 10 Ka akognaia zany gne nagnisagny izany? Tamin' i Abrahama efa voafora, sa tamin'izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'azy efa voafora fa tamin'azy mbola tsy voafora. 11 Abrahama da nandray gne famantaragny ne famoràgny. Izany da mariky gne fahamarignan'e finoagny izay efa nanagnany raha mbola tsy voafora izy. Gne valin'izany famantaragny zany da lasa Iaban'izay mino agnaby izy, ndre da mbola tsy voafora aza indreo. Midika izany fa gne fahamarinagny da ho isaigny ho andreo. 12 Nidika koa izany fa Abrahama da lasa Aban'e voafora tsy ho andreo izay voafora raiky avao fa ho andreo izay magnaraky gne dian'e finoan'i Abrahama raintsika avakoa talohan'e tsy mbola naha-voafora anazy. 13 Fa gne fampagnatenagny tamin'i Abrahama izy ame taranakiny fa ho mpadova izao tontolo izao izy da tsy avy amign'alalan'e lalàgny fa avy amign'alalan'e fahamarignan'e finoagny. 14 Fa raha indreo izay miaigny amin'e lalàgny gne mpandova, da ho foagny gne finoagny, sady tsinotsinona gne fampagnatenagny. 15 Satria gne didy da mitondra amin'e fahavigniragny, fa agny amin'izay tsy misy lalàgny, da tsy misy fandikan-dalàgny. 16 Noho izany antony zany da miseho ame finoagny izany, mba hipetrahan'e fampagnatenagny ame fahasoavagny sady ho azo antoky amindreo taranak'i Abrahama agnaby_tsy ho andreo izay ambanin'e lalàgny avao, fa ho andreo izay mizara gne finoan'i Abrahama avakoa. Abatsika agnaby izy, 17 araky gne voasoratry hoe:" Naniko ho aban'e firenegny maro anao." Teo amin'e fagnatrehagn'Izay nitokian'i Abrahama, da, Andriamanitry izany, izay magnome fiainagny gne maty sady mangaiky gne raha tsy mbola misy mba hisy. 18 Ndre da teo aza gne raha-mitranga ambadiky, da natoky tanteraky an'Andriamanitry i Abrahama amin'e ho avy. Da lasa rain'e firenena maro izy, arak'izay efa voazaka hoe:" Ho ako izany gne taranakao." 19 Tsy narefo tame finoagny izy. Fantatr'i Abrahama fa tsy afaky gne hanan-janaky izy (satria efa teo amin'e zato taogny teo izy). Nagneky avakoa izy fa gne trokin'i Saraha da tsy afaky gne hitondra vohoka mihintsy. 20 Kanefa noho gne fampagnantenan' Andriamanitry, da tsy nisalasala tamin'e tsy finoagny i Abrahama. Kanefa, ne-nahery tamin'e finoagny izy sady nidera an'Andriamanitry. 21 Resy lahatry tanteraky izy fa izay nampagnantenain'Andriamanitry, da afaky tanterahigny avakoa. 22 Noho izany da nisaigny ho anazy ho fahamarinagny izany. 23 Ary da tsy nosoratagny ho an'e tombotsoany raiky avao izany, fa nisaigny ho anazy izany. 24 Nosoratagny ho antsika avakoa zany, ho an'izay hanisagny izany, Itsika izay mino Anazy izay nanangagny an'i Jesosy Tompotsika tamin'e maty. 25 Izy gne raiky natolotry noho gne fahotantsika sady natsangagny mba hagnamarigny antsika.