Toko faha16

1 Ankiniko aminareo i Foiby anakavintsika, izay mpanompon'e fiangonagny agny Kenkrea, 2 mba handraisanareo an'azy ao ame Tompo. Ataovy izany ame fomba mendriky gne mpino, sady magnatreha an'azy amin'izay olagny mety ilaigny gne fagnampianareo. Fa izy tegnany avakoa da lasa mpagnampy gne maro, sady gne tegnako avakoa. 3 Magnamboara veloma an'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa aminà ao amin'i Kristy Jesosy, 4 izay nahafoy gn'aindreo ho an'e aiko. Misaotry andreo iao, sady tsy iao avao, fa gne fiangonan'e Jentilisa agnaby avakoa. 5 Magnamboara veloma gne fiangonagny izay ao ame tragnondreo. Magnamboara veloma agny amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy. 6 Magnamboara veloma an'i Maria, izay niasa mafy ho anareo. 7 Magnamboara veloma an'i Androniko sy Jonia, havako akeky, sady niara-nigadra taminà. Malaza eo agnivon'ireo apostoly indreo, izay tao amin'i Kristy talohako avakoa. 8 Magnamboara veloma an'i Ampliato, malalako ao amin'i Tompo. 9 Magnamboara veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin'i Kristy, da I Staky, malalako. 10 Arahabay i Apela, izay ankasitrahagny ao amin'i Kristy. Arahabay indreo izay ao ame tokantragnon'i Aristobolo. Magnamboara veloma an'i Herodiona, havako. 11 Magnamboara veloma andreo izay ao ame tokantragnon'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo. 12 Magnamboara veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, izay miasa mafy ao amin'ny Tompo. Arahabay i Perysa malala , izay niasa mafy tao amin'ny Tompo. 13 Nagnamboarako veloma an'i Rofosy, izay voafidy tao amin'ny Tompo, da i endriny izy amin'i endriko. 14 Magnamboara veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, da gne rahalà izay miaraky amindreo. 15 Magnamboara veloma an'i Filologia sy Jolia, Nerea izy ame anakaviny, Olimpa, sady gne mpino miaraky amindreo agnaby. 16 Mifagnamboara veloma ame fifagnorohagny masigny. Gne fiangonan'i Kristy agnaby da magnano veloma anareo. 17 Amin'izao fotoagny izao mamporisiky anareo iao, rô rahalà, mba hihevitry gne momban'izay fizarazaragny izy ame fanafintohignagny. Indreo da mihoatry lavitry gne fampianaragny izay noraisinareo. Misitahà lavitry andreo. 18 Fa tsy mpanompon'i Kristy Tompontsika gn'olo akô io, fa gne trokiny raiky avao. Ame zaka malefaky sy mandokandoka gn'amitahandreo gne fon'e tsy manan_tsigny. 19 Fa gne ohatrareo ame fankatoavagny da tafita agny ame tsiraidraiky. Noho izany, mifaly iao, gn'aminareo, fa tiako mba ho hendry amin'izay tsara anareo, sady tsy hanan-tsigny am'izay ratsy . 20 Andriamanitry gne fiadanagny hanorotoro an'i Satana eo ambanin'e tombokareo afaky fotoagny fohy. Ho aminareo anie gne fahasoavan'i Tompontsika Jesosy Kristy. 21 Timoty, mpiara-miasa aminà, da magnano veloma anareo, sy Losio , Jasona da i Sosipatro, havako. 22 Iao, Tertio, izay nanoratry ity epistily ity, da magnano veloma anareo ao amin'i Tompo. 23 Gaio, mpampiantragno anà izy ame fiangonagny agnaby, da magnano veloma anareo. Erasto, mpitam-bola ao ame tanàgny, da magnano veloma anareo miaraky amin'i Koarto rahalà. 24 [Fagnamarihagny: Ny fandikagny taloha tsara indrindra da mangalaky ity andininy ity. (Taragno e Romana :16:20).and 24: "Ho aminareo agnaby anie gne fahasoava'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Amena."] 25 Sady gne voninahitry ho an'Azy izay mahavita mampijoro anareo araky gne filazantsarako izy ame fitoriagny an'i Jesosy Kristy, araky gne fagnambaragn'e mistery izay notazomigny ho tsy ambaratelo ela be taloha tagny, 26 kanefa nambara amin'izao fotoagny izao,sady tame gn'alalan'e bokin'e faminaniagny gne nampahafantaragny tame firenegny agnaby, araky gne didin'Andriamanitry mandrakizay, ho fagnekegny gne finoagny. 27 Ho an' Andriamanitry raikin'e fahendregny, anie gne voninahitry mandrikizay, ame gn'alalan'i Jesosy Kristy. Amena.