Toko faha 4

1 Da nanomboky nampianatry t'amoron-dranomasigny indraiky Izy, da nisy fokonolo marobe nitangorogny nagnodidigny an'Azy. Niditry tagnatiny e lakagny izay t'andranomasigny Izy, da nidoboky tao Izy. E fokonolo agnaby avakoa da nijanogny t'amoron-dranomasigny. 2 Nampianatry andreo raha maro tamign'alalan' e fagnoharagny Izy, sady tamin'e fampianaragny, da ity e nozakainy tamindreo. 3 "Tenomy, nisy mpamafy handeha hamafy voa. 4 Da raha namafy izy, da nisy voa sasany niraraky tame lalàgny, da avy e vorogny sady nihinagny an'azy. 5 E voa sasany niraraky tame tany feno vatovato, izay tsisy tany lotry. Avy da nitsimoky indreo, satria tsy laligny e tany nisy an'azy. 6 Fa refa niboaky e masoandro, da nalazo indreo, satria tsisy vatriny indreo, da maigny. 7 E voa hafa niraraky tame tany feneo fatsy. Da nitsimoky nezakabe io fatsy io da nangejagny an'azy, da tsy namoa voa. 8 Gne voa hafa niraraky tame tany tsara da namokatry t'am-pitomboagny da nemaro, da gne sasany nanagny isiky telopolo agny, e sasany enimpolo, da e sasany zato. " 9 Avy eo da nizaka izy hoe: "Izay managny tadigny afaky hitenomagny, da aleo izy hiteno!". 10 Refa raiky igny i jesosy, da nagnontany an'Azy momba an'io fagnoharagny io indreo takeky an'Azy miaraky ame pianatriny roambinifolo. 11 Hoy Izy tamindreo hoe: " Ho anareo e nagnomezagny e raha mifiny ame fanjakan' Andriamanitry. Fa ho andreo ambadiky agny da fagnoharagny agnaby izany, 12 mba ame fotoagny hagnitendreo, da agnety indreo, fa tsy ahita, sady ame fotoagny hitenomandreo, da ahare indreo,fa tsy hahafantatry izany, ndre hiodigny indreo da hamindra fo amindreo Andriamanitry ". 13 Da hoy izy tamindreo se: "Tsy hazonareo me izany fagnoharagny izany? da akoignaia izany gne hahazoanareo e ohatry maro hafa sa? 14 E mpamboly mamafy e voa da ilay tokagny izay mamafy e zaka. 15 da akoitoa e niraraky tame lalagny, izay namafazagny e zaka, fa vatany vo rendreo izay da avy e Satana da angalatry gne zaka izay voafafy tamindreo. 16 Itoa e voafafy tame tany be vatovato, izay, refa nahare gne teny da avy da nandray izany tame fifaliagny. 17 Tsy misy vatriny ao amindreo, fa maharitry fotoagny kidikidy avao. Da avy gne fahoriagny na gne fagnenjehagny avy ame zaka, da avy da lavo indreo. 18 Gne hafa ankohatry gne voafafy tame tany feno fatsy. Rendreo gne zaka, 19 fa gne fagnahin'izao tontolo izao, gne famitahany gnaregny, sy gne filagny gne raha hafa da tafiditry ka manempotry gne zaka,da tsy mamoha vokatry izany. 20 Fa ireo voafafy tame tany tsara da izay nahare e zaka ary nitazogny an'azy. ka namoa vokatry indreo_ telopolo, enimpolo na avo zato agnin'izay nafafy." 21 I Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Gne jiro me k'indesinareo andragno mba hoaninareo ambany sobiky? na ambany farafara? Indesinao miditry izany da apetrakinao ame fidobohan'e jiro. 22 Fa tsisy raha mifiny tsy ho fantatry, da tsisy avakoa gne tsiambaratelo tsy hiboaky. 23 Raha misy mana tadigny afaky hitenomagny, da aleo izy hiteno!" 24 Da hoy izy tamindreo hoe: " mitandrema ame teny izay renareo, fa arakaraky gne ohatry agnoharanareo avao, gne hagnoharagny anareo, da ho tovanagny aminareo izany. 25 Satria ndre ia ndre ia managny, da omegny zakabe kokoa izy, fa ndre ia ndre ia tsy managny, ndre gne izay anagnany aza da alaigny gne amin'azy." 26 Da nizaka avakoa izy hoe: "gne fanjakan' Andriamanitry da ako gne olo raiky mamafy gne voany ame tany. 27 Matory izy ame gnaligny, da mifoa izy ame mandraigny, ka gne voa da mitsimoky ka maniry, fa tsy lalany hoe akognaia. 28 Gne tany da mamoa ame tegnany avao: voalahany da gne rantsany, aveo gne tahony, avy eo gne isiky antitry ame tahony. 29 Da refa antitry gne isiky da avy hatragny izy da handefa fihilagny, fa efa avy gne fotogny fihilagny." 30 Da nizaka indraiky izy hoe: "ino gne azon tsika ampitahagny ame fanjakan' Andriamanitry, na ino e fagnoharagny ampesahintsika hagnazavagny an'izany? 31 Izany da ako gne voatsinapy izay, refa hafafy, da izy gne voa faran'e kidy ame voa agnaby ambonin'e tany. 32 Nefa raha voafafy izany, da mitsimoky ka lasa zakabe mihoatry e kakazo agnaby da mamoa rantsagny zakabe, ka azon'e vorogny agnamboaragny gne tragnony ame alokalokiny." 33 Da fagnoharagny maro akoizany e nagnambarany gne zaka tamindreo, araky izay fahazahoandreo an'azy, 34 da tsy nizaka tamindreo afa tsy tamin'e fagnoharagny izy. Fa refa izy raiky igny, da nazavainy tamindreo mpianatriny manokagny gne raha agnaby. 35 Tamin'izany andro izany, refa avy gnaligny, da hoy izy tamindreo hoe: "Atsik'antsika hitsaky agnilany eriky." 36 ka niala tame fokonolo indreo, ninday an' i Jesosy niaraky tamindreo, igny izy tagnatiny e lakagny igny. Nisy lakagny hafa nandeha niaraky taminazy. 37 Avy teo da nanomboky nisy tafio-drivotry be da gne onjan-drano nanafotry gne lakagny ka saiky ho difotry gne rano gne lakagny. 38 Da i Jesosy raiky avao e natory tame vodin-dakagny, tambonin'e ondagny. Da nifohaz'indreo Izy nagnano hoe: "Mpampianatry ô , tsy mampagnino anao me raha hofaty etoa antsika?" 39 da nifoha Izy, da nizaka mafy tame rivotry, da nizaka tame ranomasigny hoe: "mijanona! milamigna!" Da nijanogny e rivotry, da nisy filaminagny be. 40 Da hoy izy tamindreo hoe: "Nagnino me anareo raha matahotry? mbola tsy manam pinoagny avao me anareo?" 41 Nivady fo be indreo ka nifampizaka hoe: "Ia me ity, fa ndre gne rivotry ame ranomasigny aza da magneky an'Azy?"