Toko faha-2

1 1 Refa nipody tà kapernaomy izy tafarafara taty, da re fa t'andragno izy. 2 2Maro be gnolo nitangorogny tao da lasa tsy nisy nipetrahagny koa, ndre gne tambarangara aza, sady nagnambara tamindreo gne zaka Jesosy. 3 Da nisy lelà maromaro nagnatogny Anazy izay ninday lelà malemy raiky; izay nobatain'olo efa-dàhy. 4 Refa tsy afaky nagnatogny Azy akaiky indreo nohon'e hamarozan'e fokonolo, da nalaindreo gne tafotragno t'ambonin'i Jesosy,sady refa voasokatr'indreo, da nampidignin-dreo e fandria izay natorian'e lelà malemy. 5 5Laha nahita ny finoandreo izy, da hoy Jesosy tame lelà malemy hoe: "Anaka,voavela gne helokao." 6 Sady nisy sasany tamindreo mpanora-dalàgny nimpetraky eo, da nimenimenina tame fondreo hoe: 7 "Akognaia no ahafan'io lelà io mizaka ako izany? Mizaka ratsy izy! Fa tsy Andriamanitra raiky avao me e afaky mamela heloka?" 8 Fa Jesosy nahafantatry lahateo ame fagnahiny e râ noeritreretin-dreo. Sady hoy izy tamindreo hoe: "Nagnino anareo mieritreritra izany ao am-ponareo? 9 Ino gne moramora amin'azy mizaka e lelà malemy hoe:'Voavela gne helokao' sa gne hoe:'Mitsangàna, indeso ny fandrianao, ka mandehana'? 10 Fa ahafantaran-dreo fa managny fahefagny hamela heloka etoa an-tany zanak'olo," hoy Izy tamin'e malemy hoe: 11 "Zakaiko aminao, mitsangàna, indeso gne fandrianao, da nandeha agn ame tragnono". 12 Da nitsangagny izy ninday e fandriany avy hatrany, sady nijotso e tragno anatrehan'olo agnaby, da gaga gn'olo agnaby ary nagnome voninahitry an'Andriamanitra, sady hoy indreo hoe: "Tsy mbola nahita râ ako ity ahay." 13 Avy eo ninjotso tagny amoron-dranomasina indraiky Izy, sady nanantona anazy gne fokonolona, ka nampianarigny indreo. 14 Sady refa nandalo Izy da nahita an'i Levi zanak'i Alfeo nidoboko tamin'e toeragny fanangonana hetra, da hoy Izy tamin'azy hoe: "Magnara anà. "Da nitsangana izy ka nagnaraky Anazy. 15 Nihinagny tame tragnony Levy Jesosy miaraky ame mpandagno hetra sady gn'olo mpanota maro e niara-nihinagny tamin'azy miaraky ame mpianatriny, fa maro indreo tagny nagnaraky Anazy. 16 Sady indreo mpanora-dalàgny, e Fariseo,refa nahita an'i Jesosy niaraky nihinagny tamindreo gn'olo mpanota miaraky tame mpandagno hetra, da nagnotany e mpianatriny hoe: "Nagnino Izy miaraky mihinagny ame mpandagno hetra sady gn'olo mpanota?" 17 Refa nahare izany Jesosy da hoy Izy tamin-dreo hoe: "Tsy gne salama e mitadia mpitsabo; fa izay marary raiky avao e mitadia anazy. Tsy avy angaiky gn'olo marigny Iao,fa gn'olo mpanota." 18 Sady nifady hanigny indreo mpianatr'i Jaona miaraky ame Fariseo. Lelà maromaro e nagnatogny Anazy da nizaka hoe: "Nagnino gne mpianatr'i Jaona izy ame mpianatr'indreo Fariseo gne mifady hanigny, fa gne mifady hanigny, fa gne mpianatrao koa tsy mba mifady hanigny?" 19 Da hoy Jesosy tamindreo hoe: "Afaky mifady hanigny gne mpanatriky e fampakaragny raha mbola eo gne mpampkatry, da tsy afaky mifady hanigny indreo. 20 Ho avy gn'andro angalagny mpampakatry amindreo, da amin'zay andro zay, gne hifady hanigny indreo. 21 Tsy misy manampigny lamba tota ame lamba vaovao, raha tsy izany da hiala ame tapa-damba, gne vaovao hiala ame taloha, sady vao maiky ratsy gne faharovitany. 22 Da tsy misy olo magnisy divay vaovao agnatiny siny hoditra efa tota, raha tsy izany da ho lasa ho rivotry e divay gne hoditra ka samy ho very ny divay sy gne siny hoditra.Fa izy divay vaovao atao anaty siny vaovao." 23 Tamign'andro sabata Jesosy nandeha tagny ame tanimbary maromaro, sady nanomboka nihila salohimbary gne mpianatriny. 24 Da hoy gne Fariseo tamin'azy: "Taragno, nagnino indreo magnano raha tsy araky ny lalan'e gn' andro sabata?" 25 Da hoy Izy tamindreo hoe: "Mbola tsy novakianareo kaikay e nataon'i Davida tame tsy fahampiagny sy gne mosary igny- sady e lelà niaraky tamin'azy- 26 Ino ny fomba idiragny ame tragnon'Andriamanitry ame andron'Iabitara mpisoronabe, da nihinagny mofonigny ho fanatrehagny, zay tsy ara-dalàna na iza na iza mihinagny anazy afa-tsy gne mpisorona avao, sady mbola nagnomezagny maro e niaraky tamine aza?" 27 Jesosy nizaka hoe: " Gne Sabata da namboarina hoan' ny zanak'olombelogny, fa tsy ny zanak'olombelogny hoan'ny Sabata. 28 Nohon'izany, e Zanak'Olo gne Tompo, na da ame Sabata aza."