Toko faha 15

1 Vô mandraigny be, da nivory indreo mpisoronabe niaraky tamindreo olom-be ame tanagny izy ame mpanora- dalàgny da gne Synedriona jiosy agnaby. Nifiezindreo i Jesosy da nentindreo nijotso. Nomendreo an'i Pilato Izy. 2 Nagnotany Anazy Pilato hoe: "Anao me gne Mpanjakan'ny jiosy?" Nivaliany hoe: "Vôzakanao". 3 Maro gne fagnobiragny nomendreo lohan'e mpisorogny manohitry an'i Jesosy. 4 Nagnontany Anazy indraiky Pilato hoe: "tsy mana-kavaly Anao? hiteo gne hamarozane fagnobiragny nentindreo manohitry Anao!" 5 Tsy namaly an'i Pilato zanaky Jesosy, da nahagaga Anazy zany. 6 Fa tamign'andro fety, da namotsotry gadra raiky ho andreo fezay Pilato, zay gadra angatahindreo. 7 Niaraky tamindreo mpikonikony tam-pigadragny, tamindreo mpamono olo zay vôtazogny noho gne fandraisandreo anjara tamin'e fikomiagny, da nisy lelà raiky i Barabasy gne egnarany. 8 Da negnam'i Pilato gne fokonolo sady nanomboky nangataky taminazy mba hagnano ako e fanaovagny andreo taloha. 9 Nivaliny Pilato indreo hoe: "Tianareo me ra gne Mpanjakan'e Jiosy gne halefako ho anareo?" 10 satria lalany fa fialognagny gne nanoloran'e lohan'e mpisorogny an'i Jesosy taminazy. 11 Fa nagnentagny gne fokonolo indreo lohan'e mpisorogny mba hioraky mafy fa tokony i Barabasy avao gne havotsotry. 12 Da namaly andreo indraiky Pilato hoe: "Ino zany gne tokony ho aniko amin'e Mpanjakan'e Jiosy?" 13 Da niorakoraky koa indreo hoe: "Fatsio Izy!" 14 Hoy Pilato tamindreo hoe: "Ino gne ratsy naniny?" Fa nioraky mafy fezay fezay indreo hoe: "Fatsio Izy!" 15 Te hagnano zay mahafa-po andreo Pilato, farany da nafahany ho andreo Barabasy. Nivangoigny Jesosy da avy eo natolotriny mba ho fatsiagny. 16 Nindesin'e miaramila ho ame bajagny Izy (zay ivotoeram-panjakagny), da nangen-dreo agnaby gne antoko miaramila manontolo 17 nampisikinin-dreo lamba voloparasy Jesosy, da nandrary fatsy indreo sady nametaky anizany taminazy. 18 Da nanomboko nagnotsafa Anazy indreo sady nizaka hoe: "Akôraby sarô, Mpanjakan'e Jiosy e!" 19 Nivangoindreo tamin'e volotara gne lohany sady nandrorandreo. Da nandohaliky tagnatrehany indreo mody nidera Anazy. 20 Refa avy nagnabarabara Anazy indreo, da nendandreo taminazy gne lambany voloparasy sady nampisikinin-dreo Anazy gne raisikiny manokagny, da netindreo nizotso Izy hanomboagny anazy. 21 Noteren-dreo gne olo raiky avy lat'atonda hijoga gne hazofijalian'i Jesosy, lelà raiky atao hoe Simona Kyreniana aban'i Aleksandra izy amin'i Rofosy. 22 Netin'e miaramila tagny amin'e toeragny anigny hoe Gologota Jesosy (zay midika hoe: "Toeran'e karakandoha"). 23 Nomendreo divay nifangaro miora Izy, fa tsy nindrano Anizany Izy. 24 Da nifatsiandreo Izy sady nifampizarandreo tamign'alalan'e ankitsapaky gne raisikiny mba hahalalany izay anjara azon'e miaramila tsirairaiky. 25 Tamy telo Izy gne nifatsiandreo. 26 Da nosoratandreo tamin'e fafagny raiky gne fagnobiragny nanohitry Anazy hoe: "Mpanjakan'e Jiosy." 27 Dahalo roy gne niaraky nifatsiandreo taminazy, gne raiky takavana da gne raiky koa takavia. 28 [Fagnamarihagny: gne fandikagny tsara indrindra taloha da tsy magnisy gne Marka 15:28 hoe: "Da tanteraky gne Soratry Masigny hoe: 'Natao ho agnatin'e mpanota Izy.' (Ampitovijo amy Lioka 22:35)] 29 Izay nandalo teo da tsy nagnisy dikany Anazy, nagnifikifiky loha sady nagnano hoe: "Aha! Anao gne afaky mandrava gne fiangonagny sady magnorigny Anazy agnatin'e telo andro, 30 vonjeo gne tegnanao sady midigna lat'amin'io hazofijaliagny io!" 31 Gne lohan'e mpisorogny avakoa da nagnabarabara Anazy ako izany, niaraky tamindreo mpanora-dalàna, sady nizaka hoe: "Nagnavotry gne hafa Izy, nefa tsy nahavotry gne tegnany. 32 Aoka i Kristy, gne Mpanjakan'Israely, hidigny lat'amin'e hazofijaliagny, mb ho hitanay sady hinoanay," da indreo niaraky nifatsiagny taminazy igny da nagnabarabara Anazy avakoa. 33 Tamin'ny 6, da nivadiky mizigny gne tanagny hatramin'ny 9. 34 Da mbola tamin'ny 9 io avao da nizaka tamin'e feo mafy be Jesosy hoe: "Eloy, Eloy, lamà sabaktany?" Zay midika hoe: " Andriamanitry ô, Andriamanitry ô, nagnino da foinao lôtry Iao?" 35 Gne sasany tamindreo zay naregny gne zakany da nizaka hoe: "Hiteo, mangaiky an'i Elia Izy." 39 Refa hitan'igny kapiteny izay nitsangagny sady nifagnatriky tamin'i Jesosy fa maty tam'zany fomba zany Izy, da nizaka hoe: "Tena zanak'Andriamanitry marina tokôtry io lelà io." 40 Da nisy viavy nagnety avakoa lavitry be tegny. Agnisan'izany i Maria Magdalena, Maria(endrin'i Jakoba zandriny sy Josesy), da Salome 41 tamin'izy tà Galilia da nagnaraky Anazy sady nanompo Anazy indreo. Da viavy maro hafa koa gne niara-nandeha taminazy tà Jerosalema. 42 Refa aligny gn'andro, satria andro fiomagnagny, izany hoe, andro mialohan'e Sabata io, 43 da avy teo i Josefa lat'Arimatia. Mpikambagny hajaigny ao amin'ny Synedriona izy, izay nandigny gne fanjakan'Andriamanitra. Nanagny fasahiagny Izy nandeha amin'i Pilato hangataky gne fatin'i Jesosy. 44 Gaga Pilato hoe maty sahady Jesosy; da nangeny i kapiteny sady nagnotaniany raha maty Jesosy. 45 Refa nahazo antoky tamin'igny kapiteny igny Izy fa maty Jesosy, da nomeny an'i Josefa gne vata mangatseky. 46 Da nividy lamba fatatry Josefa. Nampidigny an'i Jesosy lat'ame hazofijaliagny izy, da namogno lamba fatatry Anazy, sady nametraky Anazy tagnatin'e kobory izay nangadigny tamin'e vatolampy. Avy eo namaringarigny vato teo amin'e varavaram-pasagny Izy. 47 Da hitan'i Maria Magdalena izy amy Maria endrin'i Jesosy gne toeragny nandevegnagny Anazy.