Toko faha 8
1
Ra nidigny avy eny an-tendrombohitry Jesosy, da fokonolo maro gne nagnaraky Anazy.
2
Indro, nisy boka raiky nagnatogny Anazy da nitsaoky taloany, nagnano hoe: "Tompo, ra sitrakinao, da afaky magnadio ana Anao."
3
Nagnatsotry gne tagnany Jesosy da nikasiky anazy, nagnano hoe: "Sitrako. Mahadiova." Teo no eo da nadio tamin'gne fahabokany izy.
4
Hoy Jesosy taminazy hoe:"Ka mizaka ndre ino ndre ino na amin'ia na amin'ia anao. Mandeana amin'ge lalanao, da aboay amin'gne mpisorogny gne tegnanao sady atolory gne fagnatitry izay nodidian'i Mosesy, mba ho fijoroagny vavolombelogny amin-dreo."
5
Ra niditry ta Kapernaomy Jesosy, da nagnatogny Anazy gne kapiteny raiky da nagnotany Anazy,
6
nagnano hoe: "Tompo, matory an-dragnon'e mpanompoko fa malemy sady agnatin'gne fanaintaignana mafy."
7
Hoy Jesosy taminazy hoe: "Ho avy Iao sady hagnasitragny anazy."
8
Namaly e kapiteny da nagnano hoe: "Tompo, tsy mendriky iao gne tokony hidiranao gnambany tafon-tragnoko, zakay fotsiny gne zaka da ho sitragny gne mpanompoko.
9
Fa iao avokoa da lela napetraky ambany fahefagny, sady managny miaramila izay feheziko iao. Mizaka amin'gne raiky iao hoe: 'Mandiana', da mandea izy, da amin'gne hafa raiky hoe:'Avia,' da magnatogny izy, da amin'gne mpanompoko hoe: "Anio izao,' da aniny izany."
10
Rehefa regnin'i Jesosy izany, da gaga Izy da nizaka tamin'gne nagnaraky Anazy hoe: "Zakaiko marina aminareo, fa tsy mbola nahita olo nanam-pinoagny ako izany Iao ta Israely tetoa.
11
Zakaiko aminareo, fa maro gne avy atsignanagny sy avy andrefagny gne ho avy, da indreo da hipetraky an-databatry miaraky amin'i Abrahama, Isaka da Jakoba, amin'gne fanjakan'gne lagnitry.
12
Fa gne zanaky gne fanjakagny da hatsipy any ivelan'gne mizigny lavitry agny, izay hisy fitomagniagny sy fikotrohanify."
13
Hoy Jesosy tamin'e kapiteny hoe: "Mandiana! Arakin'gne ninoanao, da aoka izany gne hanigny ho anao." Da sitragny tamin'izany lera izany mihitsy gne mpaompony.
14
Ra niditry tandragnon'i Petera Jesosy,da nahita gne rafozam-bavin'i Petera natory nararin'gne tazo izy.
15
Nokasihan'i Jesosy gne tagnany, da niala taminazy gne tazo. Da nitsangagny izy sady nanomboky nandroso sakafo Anazy.
16
Rehefa tonga gne ariva, da maro gne nofehezin'gne demony noentin'e olo teo amin'i Jesosy. Nandroakygne fagnahy tamin'gne zaka Izy da nagnasitrgny gne robe izay narary.
17
Ako izany gne nahatanteraky gne nambara tamin'Isaia mpaminany, nagnano hoe: "Izy tenany nangala gne faharariantsika sy nitondra gne aretitsika."
18
Da rehefa itan'i Jesosy gne fokonolo nagnodidigny Anazy, da nagnome toromariky mba hiala ho egny ampitan'e ranomasina Galilia Izy.
19
Avy eo gne mpanora-dalàna raiky nagnatogny Anazy da Nagnano hoe: "E mpampianatry,hagnaraky Anao iao ndre aia ndre aia andiananao."
20
Hoy Jesosy taminazy hoe: "Gne amboahaolo manan-davaky, da gne voron'gne lagnitry managny anaky, fa gne Zanak'olo tsy managny ndre aia ndre aia ampatoriagny gne lohany."
21
Raiky hafa tmin'gne mpianatry nizaka taminazy hoe: "Tompo, avelay eky iao andeha da andevigny e abako."
22
Fa hoy Jesosy taminazy hoe: "Magnara Ana, da apetray gne maty andevigny gne maty aminazy manokagny."
23
Ra niditry tagnaty lakagny raiky Jesosy, da nagnaraky Anazy tagnatin'io gne mpianatrany.
24
Igny, nisy rivotry mafy be nitranga tamin'gne ranomasigny, ka da rakotry gne onja e lakagny. Azotory Jesosy.
25
Ngnatogny Anazy gne mpianatry da namoa Anazy, nagnano hoe: "Vonjeo isika, Tompo; ho faty isika!"
26
Hoy Jesosy tamin-dreo hoe: "Nagnino anareo gne mataotry, ry kidy finoagny?" Da nitsangagny Izy aveo da nizaka mafy gne rivotry sy gne ranomasigny. Da nisy fitoniagny be avy teo.
27
Gaga gne lela da nizaka hoe: " F karazan'gne lela ino ity, fa ndre da gne rivotry sy ranomasigny aza magneky Anazy?"
28
Rehefa tonga tagnilany sy tamin'gne tanànan'e Gadarenesa Jesosy, da nisy lela roy izay nofehezin'gne demony nifanena Taminazy. Indreo da nivoky avy tamin'gne kobory sady naseky be, noho izany da tsy nisy mpandeha afaky nandalo any lalagny izany.
29
Indro, nikiaky mafy indreo da nagnano hoe: "Mpifagnino me iay sy Ianao, ry zanak'Andriamanitry? Tonga etoa me anao hampitaotry anay mialoa gne fotoagny voatondro?"
30
nisy kosoa marobe nihinagny teo, tsy da lavitry andreo.
31
Mbola niangavy ani'i Jesosy avao gne demonia da nagnano hoe: "Ra mandroaky ana Anao , da alefaso agnatin'io lambo marobe io iay."
32
Hoy Jesosy tamin-dreo hoe: "Mandiana!" Da nivoky gne demonia ka niditry amin'gne kosoa; da igny, izy marobe nifiratry nidigny gne tendrombohitry mideza nandea an-dranomasigny sady maty tagnaty rano indreo.
33
E nikarakara gne kosoa da nihazakazaky sady nandea amin'gne tanàgny indreo da nitatitry gne ra marobe, sady gne tena nitranga tmin'e lela izayofehezin'e demonia.
34
Igny, novoaky indre ta an-tanagny maro mba hifankaita amin'i Jesosy. Rehefa itandreo Izy, da nangataky Anazy mba handao gne faritan-dreo.