Toko faha 7
1
Aza mitsara, da tsy ho tsaraigny anareo.
2
Fa ame fitsaragny naninareo, gne hitsaragny anareo, sady ame fandrefesagny andrefesanareo, gne handrefesagny anareo.
3
Nagnino me hitanao gne dify kidikidy izay agnaty mason'e rahalànao, nefa tsy hitanao gne anakandry ao agnaty masonao?
4
Akôgnaia gne hizakanao gne rahalànao hoe: 'Ao eky me angalako gne dify ame masonao io,' raha mbola ao agnaty masonao gn'anakandry?
5
Ô mpetsaravelatsihy! Alay teo eky gn'anakandry agnaty masonao, sady avy eo anao hahita tsara refa mangalagne dify izay eo ame mason'e rahalànao.
6
Ka omegny gn'amboa izay masigny, sady ka atsipy eo alohan'e kosoa gne vatosoanareo.Raha tsy izany da mety ho voahitsakiny gne tombokindreo, sady avy eo hifotitry sady hamiravira anareo ame fahapotehagny.
7
Mangataha da omegny anareo izany. mitadiava, da hahita anareo. Dondomy, fa hivoha ho anareo izany.
8
Fa izay mangataky, da mahazo; izay olo agnaby mangataky da mahazo; izay olo agnaby mitady,da mahita; sady ho an'olo mandondogny, da ho vahagny.
9
Sa ia aminareo, raha angatahan'e zanany mofo, gne hagnome vato ho an'azy?
10
Ndre koa raha nangatahany trondro ka hagnome an'azy bibilava?
11
Noho izany, raha anareo izay ratsy aza mahay mangnome gne fagnomezagny izay tsara ho an'e zanakareo, tsy zakabe mihotry me gne raha tsara omen'e Rainareo izay agny an-dagnitry ho an'izay mangataky amin'Azy?
12
Noho izany, ndre ino ndre ino raha tianareo ho anin'olo ame tegnanareo, da tokony hagnano akô izany amindreo avao koa anareo, fa izany gne lalagny izy ame mpaminany.
13
Midira ame vavahady pitsa. Fa zakabe gne vavahady sady malalaky gne lalagny minday agny ame fahaverezagny, sady maro gn'olo izay mandeha amizany.
14
Fa tery gne vavahady sady sarotry gne lalagny izay mitariky megnagny ame fiainagny,sady vitsy izay mahita an'izany
15
Mitandrema ame mpaminany sandoky, izay magnatogny anareo ame fisikinan'e ondry nefa amboadì tena mpihaza.
16
Ame gn'alalan'e voany gne hahalalanareo andreo. Mila voaloboky egny ame fantsy me gn'olo, ndre koa aviavy egny ame songosongo?
17
Mitovy amizany , gne kakazo tsara agnaby da mamokatry voa tsara, fa gne kakazo ratsy da mamokatry voa ratsy.
18
Gne kakazo tsara da tsy afaky gne hamokatry voa ratsy, ndre koa gne kakazo ratsy da tsy afaky mamokatry voa tsara.
19
Gne kakazo agnaby izay tsy mamokatry voa tsara da tapaigny sady hatsipy agny agnaty afo.
20
Ka noho izany, ho lalanareo indreo ame gn'alalan'e voany.
21
Tsy izay olo agnaby mizaka Aminà hoe: ' Tompo, Tompo,' Da hiditry gne fanjakan'e lagnitry, fa gn'olo izay magnano gne sitrapon'e Raiko izay agny an-dagnitry avao.
22
Maro gn'olo hizaka Aminà amizany andro izany hoe: 'Tompo, Tompo, tsy efa naminany tame gn'agnaranao me iay, tsy efa namoky gne demony tame gn'agnaranao, sady nagnano gn'asa zakabe tame gn'agnaranao?'
23
Avy eo Iao hagnambara amindreo amaso amaso hoe: ' Tsy nahalala anareo mihitsy Iao! Miala lavitry Anà, ry mpagnano ratsy!'
24
Noho izany, gn'olo agnaby izay maharegny gne zakako sady mankato an'izany da akô gn'olo manakagnahy izay nanangagny gne tragnony egny ambony vatoloampy.
25
Neriky gn'andro, avy gne tondra-drano, sady nifofofofo sady namely gne tragno gne rivotry, fa tsy nampitola an'izany, satria natsangagny teo ambony vatolampy.
26
Fa gn'olo agnaby izay maharegny gne zakako ka tsy mankatò an'azy iregny da akô gn'olo mola izay manangagny gne tragnony egny ambony fasiky.
27
Neriky gn'andro, avy gne tondra-drano, sady nifofofofo da namely gne tragno gne rivotry, ka da nirodagny izany, sady feno faharavagny.''
28
Sady refa avy nagnambara an'io zaka io Jesosy, gaga tame fampianarany gne fokon'olo ,
29
satria nampianatry andreo akô gn'olo managny fahefagny Izy, fa tsy akô gne mpanora-dalàgnindreo.