Toko faha 3

1 Tsy gn'olo maro gne tokony ho lasa mpampianatry, rô rahalà. Fantantsika fa ahazo fitsaragny mafy tokôtry itsika. 2 Fa itsika aby io da tafitoigny ame fomba maro. Raha misy tsy tafitoigny ame zaka, da lelà matotry tanteraky izy, afaky mifehy ndre da gne tegnany iray manontolo aza. 3 Da raha asiantsika lamboridy ame vavan'e soavaly mba hankatoavan-dreo antsika, da afaky mitondra gne vatandreo raiky manontolo avakoa itsika. 4 Iteo avakoa fa gne sambo, ndre da zakabe tokôtry idreo da indesin'e rivotry mahery, da voavilin'e familiagny tena kidy amin'izay rehetry tian'e mpamory. 5 Akò izany avakoa gne lela da rantsagny kidy ame vatagny, kanefa izy da mirehareha raha maro be. Iteo avakoa gne hakidin'e afo izay mandoro ala be. 6 Gne lela avakoa da afo, tontolon' e fahotagny napetraky tamin'e rantsam-batantsika. Izany da magnisy pentimpentigny gne vatagny raiky manontolo da mandoro gne lalam-piainagny. Arehitrin'e helo gne tegnany. 7 Fa gne karazam-bibidia agnaby, vorogny, biby mandady, ary zava-boaharin-dranomasigny da folaky ary nofolahin'e olombelo. 8 Fa momba gne lela, tsy misy olo mahavita mamolaky izany. Io da ratsy tsy mety fehezigny, feno poizigny mahafaty. 10 Amin'io gne hiderantsika gne Tompo izy ame Ray, da amin'io gne hagnozognatsika olo, izay natao nitovy tamin'Andriamanitry. 9 Avy amin'izany vava izany avao gne ivoahany e fitahigny sy gne fagnozognagny. E rahalà, tsy tokony hiboaky izany raha aby izany. 11 Sa gne loharano me mamoaky rano mamy sy mangidy avy ame fiboahany? 12 Gne kakazon' e aviavy me, rahalàhiko, mamoa oliva? Na gne voaloboky, mamoa aviavy? Gne rano masira avakoa da tsy afaky agnome rano mamy. 13 Ia gne hendry sy mahalala agn'ivonareo? Apetray izany olo izany hampiseho fiainagny tsara ame gn'asany amin''e fanetren-tegnan'e fahendregny. 14 Fa raha managny fialognagny mangidy anareo sady fagnirian-daza agnatin'e fonareo, da ka mirehareha na mivandy manohitry gne marigny. 15 Izany da tsy fahendregny nidigny avy ambony. F'izy, avy ame tany, gne tsy ara-pagnahy, gne demoniaka izany. 16 Fa agny amin'izay misy fialognany sy fagnirian-daza, da misy fifanjevoagny sy fagnamboaragny gne ratsy aby io. 17 Fa gne fahendregny avy ambony da madio aloha, avy eo da feno fiadanagny, malemy fagnahy, mihevitry gne hafa, feno famindram-po sady vokatry tsara, tsy malemy, sady tsotry. 18 Gne vokatrin' e fahamarinagny da voafafy ampiadanagny eo antegnategnan'izay mampiavagny.