Toko faha 2

1 O Rahalà, ka mitagny gne finoagny an'e Tompontsika Jesosy Kristy, Ilay Tompon'e voninahitry, amin'e fiagaragny ame ologny sasany. 2 Ataovy hoe misy ologny miditry ao amign'e fivorianareo magnano peratry volamena sy akanjo tsara,ary misy lelà sahiragny avakoa miditry magnano akanjo maloto. 3 Raha magnety gne olo misikigny akanjo tsara anao sady mizaka hoe: "Azafady midoboa eto ame toeragny tsara etoa," fa hizaka ame lelà sahiragny kosa hoe:" mitsangana iano ery," na hoe: "Midoboa etoa ame tomboko," 4 Akory sa, tsy efa lasa mifampitsara anareo samby anareo amin'izany? Tsy efa lasa mpitsara ratsy eritreritry mein anareo amin'izany? 5 ô rahalà namako,mitenoma, tsy efa nofidin'Andriamanitry mein gne sahiragny ami'zao tontolo izao mba hanakaragny ame finoagny sy mba ho mpadova gne fanjakagny izay nampagnantenaigny andreo izay tia an'Azy? 6 Fa anareo da mangala baraky gne sahiragny! sa tsy gne mpanakaregny gne manahiragny anareo? Sa tsy indreo mein gne mahatariky anareo ho eo ame fitsaragny? 7 Moa tsy indreo mein gne nagnaratsy gne agnaragny tsara ze anareo? 8 Ndre da izany, raha magnatanteraky gne lalàn'e mpanjaka anareo, araky gne Soratry Masina hoe: "Tiava gne namanao akô gn'ainao," da magnamboara gne tsara anareo. 9 Fa raha magnome sitraky gne olo sasany kosa anareo, da manota, ka voaheloky akô gne mpandika lalàgny. 10 Ndre ia ndre ia magneky gne lalàgny agnaby, ka lavo ame lalàgny raiky fotsiny da ho diso ame lalàgny agnaby. 11 Fa gne olo nizaka hoe: "Ka mijangajanga," da nizaka avakoa hoe: "Ka mamono olo." Raha tsy mijangajanga ianareo, kanefa mamono olo, da lasa mpandika lalàgny. 12 Noho izany mizakà sy magnamboara mitovy aminareo ze ho tsaraigny ame lalgn'e fahafahagny. 13 Fa gne fitsaragny da avy tsy misy famindram-po amin'ireo izay tsy magnabôky famindram-po. Sady gne famndram-po da mandresy gne fitsaragny. 14 ô rahalàko, ino gne mahatsara an'izany sa raha mizaka gne olo raiky fa manam-pinoagny izy,kanefa tsy misy asa? afaky mamonjy azy ve izany finoagny izany? 15 Ataovy hoe misy rahalà sy anakavy ratsy fitafy sy tsy ampy sakafo isan'andro. 16 Da eritrereto koa hoe gne raiky aminareo mizaka amindreo hoe: "Mandehana ampilaminagny, da magnamboara voky sy mafana." Raha tsy magnome andreo gne raha ilan'gne tegnany anareo, ino gne mahatsara izany sa? 17 D'akoizany koa gne finoagny, raha tsy misy asa izany, da maty. 18 Nefa mety misy olo mizaka hoe: "Manam-pinoagny anao, ary izaho manan'asa." Aboahy anah gne finoanao tsy misy asa, da haboako anao koa gne finoako ame alalan'e asako. 19 Anao da mino fa raiky avao Andriamanitry; tsara izany amboarinao izany. Fa ndre gne devoly aza da magneky an'izany, sady da mangitakitaky agnaby indreo. 20 Tianareo ho lala mein, ry lelà mola, fa gne finoagny tsy misy asa da tsy misy ilàgny an'azy? [Fanamarihagny: Gne dikan-teny sasany taloha da mamaky hoe: "Tianareo ho lala mein, ry lelà mola, hoe nagnino maty gne finoagny tsisy asa?"] 21 Tsy tame asa avakoa me gne nagnamarinagny an'i Abrahama abantsika refa nanolotry an'Isaka zanany lelà tame alitara izy? 22 Hitanao fa gne finoagny da niasa niaraky tame asany, ary ame asa da nivoatry tanteraky gne finoany. 23 Da tanteraky gne soratry Masina izay mizaka hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitry, ka nisaigny tamin'azy ho fahamarinagny izany," sady izy nangiagny hoe zanak'Andriamanitry. 24 Hitanareo zao fa ame asa gne hanamarinagny gne olo, fa tsy ame finoagny fotsiny avao. 25 Akoizany avakoa, Rahaba tsy misy mpivaro-tegna tsy nohamarinigny tame asa avakoa mein izy, refa nandray e iraky sy nandefa andreo tame lalan-kafa? 26 Fa maty gne tegna raha misaraka ame fagnahy, dakoizany avakoa, gne finoagny tsy misy asa da maty.