Toko 1

1 Taloha be tagny Andriamanitry da nikoragny tamin'e razambentsika tamign'alalan'e mpaminany tamin'e fotoagny maro da tamin'e fomba maro. 2 Fa amin'izao andro farany izao, da nikoragny tamin'alalan'e Zanaky là Izy, izay notendregny ho mpandova gne Raha agnaby. Tamign'alalany avakoa gne naharian'Andriamanitry izao tontolo izao. 3 Izy gne famirapiratan'e voninahitr'Andriamanitry, e endriky gne tegnany indrindra. Na gne Raha agnaby aza da tanany hiaraky amign'alalan'e herin'e teniny. Tafaran'e hagnadiovagny gne fahotagny, da nidoboky tambanin'e tagnan'ankavanan'e Lehibe agny amin'e avo Izy. 4 Lasa ambony akô gne anjely agnaby Izy, satria gne agnara nolovainy da tsara lavitry noho gne agnarandreo. 5 Fa ia tamindreo anjely gne mba nizakan'Andriamanitry hoe: "Zanako anao, lasa iabanao Iao androany" da hoe: "Ho ray ho anazy Iao, da ho Zanaky ho Ana?" 6 Sady, rehefa ninday gne lahimatoa teto amin'izao tontolo izao Andriamanitry, da nizaka Izy hoe: "Gne anjelin'Andriamanitry agnaby da tsy maintsy midera Anazy." 7 Momba gne anjely da nizaka Izy hoe: "Izy e iray nagnano gne anjely ho Fagnahy, sady gne mpanompony nataony lelan'afo." 8 Fa momban'e Zanaky da ho Izy se: "Gne seza fiandriananao, ry Andriamanitry, da mandrakizay sady ho doria. Gne tehin'e fanjakanao da tehin'e fitsaragny. 9 Nitia gne fahamarignagny anao sady nalaigny gne fandikan-dalàgny. Noho izany Andriamanitry, Andriamanitrao, da nagnosotry anao tamin'e menaky gne hafaliagny mihoatry noho gne mpiara-dia aminao." 10 "Tagny am-piandohagny, ry Tompo, Anao gne namorogny gne fototry ne tany. Gne lagnitry da asan'e tagnanao. 11 Ho levogny indreo, fa Anao hanohy. Ho rivatry akô gne tapa-damba indreo. 12 Hamoritry andreo akô gne fitafiagny anao, sady hovaigny akô gne poti-damba indreo. Fa Anao da akô izany, sady gne taogninao da tsy hanam-pahataperagny." 13 Fa ia tamin'e anjely gne nizakanan'Andriamanitry tamin'e fotoagny agnaby hoe: "Midoboha eo amin'e tagna ankavanako mandra-pagnamboarako gne fahavalonao ho seza ho an'e tombokao?" 14 Gne anjely agnaby me tsy Fagnahy manompo, sady nalefa hiahy indreo izay handova gne famonjegny?