Toko faha-6
1
E anaky eh! magnekea gne ray aman-dreninareo ao ame Tompo, satria mety izany.
2
"Hajao i abanareo izy amin'i endrinareo" (izany gne didy voalohany misy fampagnantegnagny ),
3
"mba hahita soa anao sady mba ho lava andro iaignagny eto ambonin'e tany."
4
Anareo ray, ka minday gne zanakareo ho ame fahavigniragny. Fa tezay ame fitsipiky izy ame fampianaran'e Tompo indreo.
5
O mpanompo ô! magnekea gne tomponareo ety an-tany ame haja ambony izy ame fangovitagny, ame fahatsoram-poanreo.
6
Magnekea andreo akò gne hagnekenareo an'i Kristy. Magnekea tsy eo amason'e tomponareo avao mba hankasitrandreo. Fa, magnekea akò gne mpanompon'i Kristy, izay magnano gne sitrak'Andriamanitry ame foanareo manontolo.
7
Manompoa ame fonareo manontolo, akò gne hoe manompo gne Tompo anareo fa tsy olo,
8
satria fantatrintsika fa ndre ino ndre ino asa tsara anin'e olo tsiraidraiky, da handray valim-pitia avy ame Tompo izy, na andevo izy na olon-kafa.
9
Anareo Tompo, magnamboara akò io raha io avakoa ame mpanomponareo. Ka mampihorohoro andreo. Fantatrinareo fa Izy izay sady Tomponareo gne Tompondreo da agny an-dagnitry, sady tsisy fiangaragny ao Amin'azy.
10
Farany, mahereza ao ame Tompo izy ame tanjak'e heriny.
11
Tafio gne fiadian'Andriamanitry agnaby, mba afahanao mijoro manohitry gne tetiky gne devoly.
12
Fa gne adintsika da tsy manohitry gne nofotry izy ame rà. Fa manohitry gne fanjakagny izy ame fahefagny ara-pagnahy izy ame mpanapaky gne fanjakan'e fahamizignan-dratsy, manohitry gne fagnahy ratsy agny agny ame fitoeran-dagnitry.
13
Noho izany isikino aby gne fiadianan'Andriamanitry , mba ahafanareo mijoro amin'izao andron'e ratsy izao, sady refa vitanareo gne raha agnaby, da hahatohitry anareo.
14
Mijoroa, noho izany, refa avy nagnano gne hetrin'e fahamarinagny izy ame fiarovan-tratran'e fihitsiagny anareo.
15
Sady akò gne kiraro ho an'e tongotrinareo, da hapetahy gne fahavononagny hitory gne filazantsaran'e fihavanagny.
16
Ame toe-javatry agnaby da raiso gne ampingan'e finoagny, izay afahanareo manohitry gne zana-tsipiky mirehitr'afon'e ratsy.
17
Sady raiso gne aro-lohan'e famonjegny izy ame sabatry gne Fagnahy, izay zakan'Andriamanitry.
18
Ame vavaky izy ame fangatahagny aby, da mivavaha ame Fagnahy ame fotoagny agnaby. Amin'izany fomba fisaignagny izany, da miambena avao ame faharetagny agnaby, raha manolotry vavaky ho an'e olo-masin'Andriamanitry anareo.
19
Sady mivavaha ho anà, mba hisy hafatry homegny anà refa manokatry gne vavako iao. Mivavaha mba afahako mampahafantatry ame fahasahiagny gne fahamarinagny miafigny momba gne filazantsara.
20
Ho an'e filazantsara gne maha-ambasadaoro voafehy ame gadra anà, mba afahako magnambara izany am-pahasahiagny, raha tsy maintsy hizaka iao.
21
Tykiko, gne rahalà malala izy ame mpanompo mahatoky ao ame Tompo, gne hampahafantatry anareo gne raha agnaby, mba hahalalanareo izay amboariko.
22
Nirahiko taminareo izy noho io tanjogny io indrindra, mba hahafantaranareo gne raha momba anay, sady mba afahagny mampahery gne fonareo.
23
Fiadanagny ho amin'e rahalà, sady gne fitiavagny miaraky ame finoagny avy amin'Andriamanitry Ray izy am'i Tompo Jesosy Kristy.
24
Gne fahasoavagny anie ho amin'izay olo tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika aby ame fitiavagny tsy maty mandrakizay.