Toko faha-5

1 Noho izany aoka mba ho mpangalatahaky an'Andriamanitry, mitovy ame zanaky malala. 2 Sady mandehana ame fitiavagny, arak'e nitiavan'i Kristy antsika avakoa izy ame nagnomezany gne vatany ho antsika, fagnatitra magnim-pofogny izy ame sorogny ho an'Andriamanitry. 3 Fa tsy tokony hisy ndre da resaky fijangajangagny na karazam-palotoagny na tsy fahonognan-tegna eo aminareo, fa tsy mendriky gn'olo-masin'Andriamanitry izany. 4 Ao tsy hisy mamoafady, resaky adaladala, sady fagnabarabaragny tafahoatry _ fa tsy mendriky agnaby io. F'izy tokony hisy fankasitrahagny. 5 Fa afaky mahazo antoky gne amin'izany anareo, fa tsy hisy mpijangajanga, maloto, na gne mpierigny _ izany hoe, mpanompo sampy _ managny lova ao ame fanjakan'i Kristy Izy amin'Andriamanitry. 6 Ao tsy hisy hamitaky anareo ame zaka avao, satria noho io raha io da avy ame zanak'e tsy fagnekegny gne havigniran'Andriamanitry. 7 Noho izany, ka mikambagny amindreo. 8 Fa mizigny anareo taloha, fa izao anareo da fahazavagny ao ame Tompo. Mandehana akò gne zanak'e mazava, 9 ( fa gne vokatry gne fahazavagny da ao ame fahatsaragny agnaby, ame fahitsiagny, izy ame fahamarinagny ). 10 Sady tadiavo izay mahafinaritry gne Tompo. 11 Ka mikambagny ame asa tsy mamokatry gne haizigny, fa abaribario izany. 12 Fa mahamegnatry gne mitogno gne raha anindreo ndre ame miafigny. 13 Fa refa hazavain'e fahazavagny gne raha raiky, da lasa mibaribary. 14 Fa gne raha agnaby izay mibaribary da fahazavagny. Noho izany da voazaka hoe: "Mifohaza, anao matory, sady mitsangana ame toeran'e maty, da hamiratry aminao Kristy." 15 Mitandrema ame fomba fiaignanao _ tsy ako gne tsy hendry fa ako gne hendry. 16 Araraoty gne fotoagny satria izao andro izao da ratsy. 17 Noho izany, ka misarimola, fa takaro hoe ino gne sitrapon'e Tompo. 18 Sady ka magnano mamon'e divay, fa minday ame fahasimban-toetry izany. F'izy, aleo ho fenon'e Fagnahy Masigny, 19 mifampiresaha aminareo samby anareo ame salamo izy ame fihiragny sady hiram-pagnahy, mihirà sady mikaloa ame Tompo ame fonareo agnaby. 20 Misaora manadrakariva ame raha agnaby, ame agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ho an'Andriamanitry gne Ray, 21 mifanolora tegna am-pagnajagny ho an'i Kristy. 22 E raviavy, magnekea gne vadinareo, ako gne ame Tompo. 23 Fa gne lela gne lohan'e vavy akò i Kristy lohan'e fiangonagny avakoa, sady i Kristy tegnany gne mpamonjy. 24 Fa akò gne hagneken'e fiangonagny an'i Kristy, da akoizany koa gne tokony hagneken'e viavy gne vadiny ame raha agnaby.