Toko faha 3
1
Noho izany, iao Paoly, da gadran'i Kristy Jesosy ho anareo jentilisa.
2
Aniko fa naharegny gne fitantagnagny gne fahasoavan'Andriamanitry izay nomegny ana ho anareo anareo.
3
Manoratry arak'e fagnambaragny nampahafantarigny anà iao. Izany gne marina miafigny mikasiky gne nosoratako fohifohy taminareo.
4
Refa mamaky izany anareo, da ho afaky hahazo gne fomba fahazahoako izany marina miafigny izany momban'i Kristy izany.
5
Tame taranaky hafa da tsy nanigny fantatr'e zanak'olombelo izany marina izany. Fa amin'izao fotoagny izao da nambara tame alalan'e Fagnahy tame Apostolo izy ame mpaminany izay voatokagny ho amin'ity asa ity.
6
Izany marina miafigny izany da mizaka fa gne jenitilsa da mpiara-mandova, sady mpiara-miombogny ame vatagny, sady mizara fampagnantegnagny ao amin'i Kristy Jesosy ame alalan'e filazantsara indreo.
7
Fa lasa mpanompon'izany filazantsara izany iao tame fahasoavan'Andriamanitry nomegny anà tame alalan'e fiasan'e heriny.
8
Nomen'Andriamanitry anà izany fagnomezagny izany, ndre da iao gne faran'e kidy indrindra ame olo-masin'Andriamanitry. Izany fagnomezagny izany da gne mba hitoriako ame jentilisa gne filazantsaran'e haren'i Kristy sarotry tadiavigny.
9
Gne fagnomezam-pahasoavan'Andriamanitry ho anà da gne hindesako fagnazavagny ame olo agnaby gne fandaharan'Andriamanitry. Io fandaharagny io da nafinin'Andriamanitry, gne nahary gne raha agnaby, nanditry gne taogny maro taloha.
10
Nampahafantarigny tame fiangonagny izany fandaharagny izany mba hahalasa gne mpanapaky izy ame manam-pahefagny agny an-dagnitry hahalala gne toetry maron'e fahendren'Andriamanitry.
11
Nitranga arak'e fandaharagny mandrakizay izay tanterakiny tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika izany.
12
Fa ao amin'i Kristy gne hanagnantsika fahasahiagny sady lalagny am-pahatokiagny nohon'e finoantsika an'Azy.
13
Noho izany miangavy anareo iao mba tsy ho kivy nohon'e fijaliako ho anareo, izay voninahitrareo.
14
Noho izany da mandohaliky eo agnatrehan'e Ray iao,
15
izay nagnome agnara gne fianakaviagny aby agny an-dagnitry izy ame eto an-tany.
16
Mivavaky iao mba hagnomezany anareo, arak'e haren'e voninahitriny, mba hatanjaky amin-kery ame alalan'e Fagnahy Masigny, izay ao aminareo.
17
Mivavaky iao mba hitoetry am-ponareo ame finoagny an'i Kristy, mba hifototry sady hiorigny ame fitiavany anareo.
18
Hahazo hery anie anareo mpino aby, gne sakany, gne halavany, gne ahabony, da gne halaligniny,
19
Sady mba hahalala gne fitiavan'i Kristy, izay mihoatry gne fahalalagny agnaby, da mba ho fenon'e fahafenoan'Andriamanitry agnaby anareo.
20
Sady ho an'Azy izay mahavita magnano mihoatry izay angatahintsika na eritreretintsika, arak'e hery izay miasa ao agnatintsika,
21
ho an'Azy gne voninahitry ao ame fiangonagny sady ao amin'i Kristy Jesosy hatram'e taranaky agnaby mandrakizay doria. Amena.