Toko 2
1
Sady gne momba anareo, da maty tao agnatin'e fahadisoanareo izy ame fahotanareo anareo.
2
Tao amin'izany fahadisoagny izany e niaignanareo taloha arak'e fomban'izao tontolo izao. Niaigny arak'e mpanapaky gne fahefagny egny ame rivotry anareo, gne fagnahy izay miasa ao amin'e zanak'e tsy fagnekegny.
3
Niaigny teo amin'io olo io itsika taloha, nagnatanteraky e filan-dratsin'e nofontsika, sady nagnatanteraky gne fagnirian'e nofo izy ame saigny. Efa voahary ho zanak'e fahavigniragny, ako gne zanak'olombelo sisa itsika.
4
F'izy manan-karegna famindram-po Andriamanitry nohon'ilay fitiavany zakabe izay nitiavany antsika.
5
Tamintsika mbola maty tao agnatin'e fahadisoagny, da novelominy niaraky tamini'i Kristy _ tame fahasoavagny gne namonjegny anareo.
6
Niara-natsangan'Andriamanitry itsika, sady niara-napetrany tao an-dagnitry ao amin'i Kristy Jesosy,
7
mba afahany mampiseho antsika ame vanim-potoagny ho avy gne haben'e haren'e fahasoavagny izay tsy azo refesigny aboakiny ame hatsaram-pagnahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.
8
Fa tame fahasoavagny e namonjegny anareo tame alalan'e finoagny, f'izy tsy avy aminareo izany, fa fagnomezan'Andriamanitry.
9
Tsy ame asa gne fahasoavagny mba tsy hisy hirehareha.
10
Fa asan'Andriamanitry itsika, noforonigny tao amin'i Kristy Jesosy mba hagnano asa izay fandaharan'Andriamanitry efa ela ho antsika, mba handehanantsika amindreo.
11
Noho izany tadidio fa jentilisa tame nofo anareo taloha. Anareo da angiagny hoe "tsy voafora" ao ame nofo namboarin'e tagnan'olombelo.
12
Satria mbola tafasaraky tamin'i Kristy anareo tamin'izany fotoagny izany. Mpivahiny anareo teo ame vahoakan'Israely. Sady vahiny tame fagneken'e fampagnantegnagny anareo. Tsy mbola nanagny fagnantegnagny gne ame ho avy anareo. Tsy niaraky tamin'Andriamanitry anareo teto amin'izao tontolo izao.
13
Fa amin'izao fotoagny izao ao amin'i Kristy Jesosy anareo izay lavitry an'Andriamanitry taloha da nampagnakekezigny tame ran'i Kristy.
14
Satria Izy gne fihavanantsika. Izy e nahaavy gne roy ho raiky. Tame nofony e nandrodanagny e rindrin'e fanoheragny izay nampizarazara antsika.
15
Izany hoe, Nofoanany gne lalàgnan'e didy izy ame fitsipiky mba hagnamboarany olom-baovao raiky ao amin'Azy, sady mba hagnamboaragny fampihavanagny.
16
Kristy da mampihavagny gne vahoaky roy tonta ho vatagny raiky amin'Andriamanitry ame alalan'e hazofojaliagny, izay mamono gne fanoheragny.
17
Fa avy Jesosy da nitory fihavanagny ho anareo izay lavitry sady fihavanagny ho an'izay akeky.
18
Fa ame alalan'i Jesosy gne hanagnatsika roy tonta fifandraisagny ame Fagnahy raiky mandea agny amin'i Aba.
19
Noho izany, tsy vahiny sady tsy mpivahiny sanaky anareo jentilisa izao. Fa vao maiky mpiray firenena miaraky ame olo-masin'Andriamanitry.
20
Efa naorigny tame fototry fananganagny gne apostoly izy ame mpaminany anareo, sady Kristy Jesosy mintsy gne vato fehizoro.
21
Ao amin'Azy e hikambanan'e fananganagny agnaby sady hitomboany akò e fiangonagny ao amin'i Tompo.
22
Ao amin'Azy avao gne hananganagny anareo miaraky ho fipetrahagny ho an'Andriamanitry ao ame Fagnahy.