Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Jesosy Kristy arak'e sitrapon'Andriamanitry, ho an'e olo masin'Andriamanitry agny Efesosy, izay mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy. 2 [Fagnamarihagny: Misy fandikagny sasany mangala gne hoe: "Ao Efesosy" f'izy mety ao ame taratasin'i Paoly tame voalohany izany.] Ho aminareo gne fahasoavagny izy ame fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika izy amin'i Jesosy Kristy Tompo. 3 Deraigny anie gne Andriamanitry sady Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika tao amin'i Kristy tame fitahim-pagnahy agnaby lat'an-dagnitry ao amin'i Kristy. 4 Andriamanitry nifidy antsika tao amin'Azy nanomboky tame fanombohan'izao tontolo izao, mba ho masigny sady tsy manan-tsigny eo agnatrehany itsika. 5 Andriamanitry da nisafidy antsika mialoha ho ame fananganagny ho zanaky tame alalan'i Jesosy Kristy, arak'e sitrapony. 6 Gne fananganagny antsika da minday ame fideragny gne fahasoavagny be voninahitry izay nomeny antsika fotsipotsiny tame Raiky izay tiany. 7 Ao amin'i jesosy Kristy da mahazo fagnavotagny ame ràny izy ame famelan-keloky itsika, arak'e harem-pahasoavagny. 8 Narotsakiny tamintsika tame fahendregny izy ame fahalalagny aby izany fahasoavagny izany. 9 Nanin'Andriamanitry fantatry tamintsika e raha miafin'e sitrapony, arak'izay tiany, sady izay naboakiny tao amin'i Kristy, 10 niaraky tame fandaharagny raiky ame fahafenoan'e fotoagny, handagnonagny gne raha agnaby, ety an-tany izy ame an-dagnitry, ho loha raiky, ndre i Kristy aza. 11 Ao amin'i Kristy da voatendry ho mpandova itsika. Nofidigny mialoha arak'e fandaharan'e mampiasa gne raha agnaby arak'e tanjon'e sitrapony itsika. 12 Andriamanitry nanendry antsika ho mpandova mba ho itsika e managny fahatokiagny voalohany ao amin'i Kristy, mba ho fideragny e voninahitriny itsika. 13 Tao amin'i kristy, anareo koa, refa naharegny gne zakan'e fahamarinagny, da gne filazantsaran'e famonjegny anareo, da nino an'Azy anareo sady voatomboky tame Fagnahy Masigny nampagnantegnaigny, 14 izay antoky ho an'e lovantsika mandra-pazahoantsika tanteraky izany, ho fideragny e voninahitriny. 15 Noho izany antony izany, nanomboky tame naharegnesako gne finoanareo gne Tompo Jesosy sady gne fitiavanareo gne olo-masigniny agnaby, 16 da tsy nijanogny gne nisaotry an'Andriamanitry iao nohon'e aminareo sady tadidiko am-bavaky anareo. 17 Mivavaky iao mba gne Andriamanitrin'i Jesosy Kristy Tompontsika, gne Rain'e voninahitry, hagnome anareo gne fagnahin'e fahendregny izy ame fagnambaragny ame fahalalagny an'Azy. 18 Mivavaky iao mba hagnazavagny gne mason'e fonareo. mba hahafantaranareo gne toky izay nangiagny anareo izy ame tanjak'e voninahitrin'e lovany eo ame olo-masin'Andriamanitry agnaby. 19 Ao ame fivavako da mangataky iao mba hahafantaranareo gne fihohafan'e hazakaben'e heriny ao amintsika izay mino, arak'e fiasan'e heriny zakabe. 20 Izany hery izany avao gne nampiasain'Andriamanitry tao amin'i Kristy refa natsangany tame maty Izy sady napetrakiny t'an-tagnany ankavanagny tagny an-dagnitry. 21 Kristy da napetrany ho ambonin'e lalàgny izy ame fahefagny sady gne hery izy ame fitsaragny, sady gne agnaragny agnaby izay misy. Hanapaky i Kristy, tsy ho amin'izao vanim-potoagny izao avao, fa ho ame vanim-potoagny ho avy avakoa. 22 Napetrak'Andriamanitry ho ao ambanin'e tongotr'i Kristy agnaby gne raha agnaby sady nantolotriny ho lohan'e raha agnaby ao ame fiangonagny Izy. 23 Gne fiangonagny gne vatany, gne fahafenoan'E mameno gne raha agnaby ame endrikiny agnaby.