Toko faha-15

1 Gn'olo sanany da nidigny avy tagny Jodia hatragny Antiokia sady nampianatry ireo ralà, da nizaka hoe: " Râ tsy Vita famoràgny arak'e fomba fanin'i Mosesy anareo, da tsy ho voavonjy anareo." 2 Izany da ninday an'i Paoly sy Barnabasy tagn'agnantin'e fifamaliagny sy ady hevitry tamindreo. Noho izany i Paoly sy Barnabasy da voatendry niaraky tame sanany hafa tamindreo hiakatry agny Jerosalema mba hihaogny amin'ireo apostoly izy am'olombe momba an'izany fagnontaniagny izany 3 Noho izany indreo, da nalefan'e fiangonagny, da namakivaky an'i Foiniko sy Samaria sady nagnamboara gne fiovam-pondreo Jentilisa. Indreo da ninday hafaliagny zakabe tamindreo ralà agnaby. 4 Refa avy tao Jerosalema indreo, da neken'e fiangonagny izy ame apostoly sady indreo olombe, da nitantara gne raha izay nataon'Andriamanitry tamindreo agnaby. 5 Nefa gn'olo sanany izay nino, izay tame tarik'ireo Fariseo, da nitsangagny sy nizaka hoe: "Ilaigny e magnano famoràgny andreo izy ame mibaiko andreo hitandrigny gne lalàgnin'i Mosesy." 6 Noho izany ireo apostoly izy am'olombe da niaraky nivory mba handiniky an' izany zavaty misy izany. 7 Tafaran'e ady hevitry be, nitsangagny i Petera da nizaka hoe: "Ry ralà, fantatrao f'efa taloha ela be Andriamanitry gne nagnano safidy taminareo, mba ho amign'alalan'e vavakiko da tokony hahare gne zakan'e filazantsara ireo Jentilisa, sady hino. 8 Andriamanitry, izay mahafantatry e fo, vavolombelogny amindreo, nagnome gne Fagnahy Masigny andreo, da akô gne naniny tamintsika; 9 sady tsy nagnano fagnavakavahagny tamintsika; sady tsy nagnano fagnavakavahagny tamintsika izy am'idreo Izy, nagnadio gne fon-dreo tame finoagny. 10 Sady noho izany nagnino anareo mitsapa an'Andriamanitry, hoe tokony hametrahanareo zoga and vozin'e mpianatry nefa na gne razantsika na isika azaky tsy mahavita mitakogny? 11 Nefa mino isika fa ho voavonjy amign'alalan'e fahasoavan'i Tompo Jesosy, akô andreo avakoa." 12 Gn'olo agnaby da nisigny nandritry gne nitenoman-dreo an' Barnabasy sy Paoly mitantara gne famantaragny izy ame fahagagagny niasan'Andriamanitry izay niasa tamin'ireo Jentilisa tamign'alalan-dreo. 13 Refa tsy nikoragny indreo, da namaly Jakoba, nizaka hoe: "Ry ralà, tenemo iao. 14 I Someone da efa nagnambara gne fomba nagnampian'Andriaminitry tame fahasoavagny vôlohany ireo Jentilisa mba hangalaky amindreo gn'olo ho anign'agnarany. 15 Gne zakan'ireo mpaminagny da momba izany, araky gne vôsoratry hoe: 16 'Afaran'ireo zavatry ireo da himpody iao, sady hanangagny indraiky e tragno lain'i Davida iao, izay efa lavo; Hagnamboatry sy hamerigny ame laoniny indraiky gne faharavagny iao, 17 da hitadia gne Tompo gn'olo sisa tapetraky, agnantin'izany gne Jentilisa agnaby izay antsovagny amign'agnarako.' 18 Izao gne nozaikain'e Tompo, ireo izay efa nagnano io raha io da efa fantatry tamin'ireo razambe taloha. (Fagnamarihagny: Ireo dikan-teny sanany taloha da mivaky akô iao: "Izao gne nozaikain'e Tompo, amin'ireo izay fantatry tamign'andro taloha agnaby gne sanany.) 19 Noho izany, gne hevitrikoda, tsy tokony hagnakorontagny ireo avy ame Jentilisa izay nitodiky tamin'Andriamanitry isika. 20 Fa isika da hanoratry ho andreo fa tsy maintsy miala ame fahalotoan'ireo sampy indreo, ame fahavetavetagny, sady amin'e henan'e biby voakenda, izy ame ràndreo. 21 Satria Mosesy da efa vômbara tamin'e isan-tanàgny tamign'andro taloha sady izy da vakigny amin'ireo synagoga isaky gne Sabata." 22 Da akô tsara tamin'ireo apostoly izy am'olombe, niaraky tame fiangonagny agnaby, gne nifidy an'i Joda izay antsovagny hoe Barnabasy, sy i Silasy, izay mpitariky gne fiangonagny, izy ame handefa andreo agny Antokia miaraky amin'i Paoly sy Barnabasy. 23 Indreo da nanoratry ity: "Hatragny amin'ireo apostoly izy am'olombe, gne ralànareo, hatramin'ireo ralà avy agny Jentily agny Antokia, Siria, sady Kilikia: Arahaba! 24 Isika da efa nahare fa gn'olo sanany da niala tamintsika, tsy nisy beko avy amintsika sady nagnelingeligny anreo tamin'ireo fampianaragny izay nampikorontagny gne fagnahinareo. 25 Izao gn'izy, iay agnaby da efa nagneky gne hifidy ireo lelà sy handefa andreo agny aminareo miaraky amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay, 26 lelà izay nagnano gn'ainy tsy ho aigny ho gn' agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika. 27 Noho izany iay da magniraky an'i Joda sy i Silasy, izay hizakagny aminareo io zavztry io avao ame zakan-dreo manokagny. 28 Da akô tsara amin'e Fagnahy Masigny sy aminay, gne tsy hampinday entagny zakabe noho ireo raha ireo tena ilaigny: 29 da hialanareo amin'ireo zavatry nataonareo ho fagnatitry amin'ireo sampy, rà, ireo zavatry vôkenda, sady avy ame fahavetavetagny. Râ mitandrigny gne tegnareo amin'izany anareo, da ho tsara aminareo izany. Veloma." 30 Noho izany indreo, refa voarôky, da nidigny tagny Antiokia; aveo indreo da namory gne fonkonolo niaraky, sady nanolotry gne taratasy indreo. 31 Refa voavakin'indreo izany, da nifaly indreo noho gne tampaherezagny. 32 Joda sy i Silasy, mpaminany avakoa, da nampahery ireo ralà tamin'e zaka maro sy nampahery andreo. 33 Refa avy nijanogny fotoagny kidikidy tao indreo, da nalefa am-piadanagny avy ame ralà ho agny amin'ireo izay nandefa anazy ireo indreo. 34 [Fagnamarihagny: Gne dikan-teny tena taloha da mangalaky gn'andininy faha34 (taragno gn'Asa 15: 40): "Nefa mbola tsifohin'i Silasy gne nijanogny teo."] 35 Fa i Paoly sy Barnabasy da nijanogny tagny Antiokia niaraky tamin'ireo maro hafa, izay nampianaragnan-dreo sy nagnambaran-dreo gne zakan'e Tompo. 36 Tafanign'andro kidy Paoly da nizaka tamin'i Barnabasy hoe: "Andao isika himpody am'izao sady hamangy ireo ralà agny ame tanàgny agnaby izay nagnambarantsika e zakan'e Tompo, sady hahita hoe magnano akôgnaià indreo." 37 I Barnabasy da ta hinday an'i Jaona avakoa izay nantsovagny hoe Marky hiaraky amindreo. 38 Nefa i Paoly nihevitry fa tsy tsara gne hinday an'i Marky, izay niala andreo tagny Panfilia sy tsy nonohy niaraky niasa taminindreo niasa. 39 Aveo da nisy fifandiragny mafy, da nisaraky indreo, sady i Barnabasy ninday an'i Marky niaraky taminazy sady nandeha sambo negnà Sipra. 40 Fa i Paoly nifidy an'i Silasy sady nandeha, tafaran'e nagnomezan'ireo ralà anazy andraikitry ho an'e fahasoavagn'e Tompo. 41 Aveo izy da nandeha namakivaky nan'i Syria sy i Kilikia, da nampatanjaky gne fiangonagny.