Toko faha 14

1 Da tamin'izany ta Ikonioma Paoly sy Barnabasy niaraky niditry tame Synagogan'e jiosy da niresaky tam-pahavitriagny da gne fokonolo maro be Jiosy sy Grika da nino. 2 Fa gne jiosy izay tsy nagneky da nagnakorotagny gne fisaignan'e jentilisa da nahavy andreo hanohitry gne ralah. 3 Ka nipetraky ela teo indreo, nizaka am-pasahiagny niaraky tame herin'e Tompo, tamin'e nagnomezany porofo mahakasiky gne gafatry gne amin'e fahasoavagny. Izy nagnano izany tame alalan'gne famataragny sy fahagagagny izay naniny tame alalan'gne tagnan'i Paoly sy Barnabasy. 4 F'izy gn'akamaroan'gne tanàgny da nizarazara: gne olo sasany nomba gne jiosy, da gne sasany niaraky tamin'gne apostoly. 5 Rehefa nagnandragny nandresy lahatry gne mpitariky andreo gne Jentilisa sy gne Jiosy mba hamono sy hitoraky vato an'i Paoly sy Barnabasy, 6 da nanjary nifiny indreo sady nilefa nalaky ta an-tanagnin'e Lykaonia, Lystra sy Derbe, da gne tanagny magnodidigny gne faritry, 7 da tagny indreo e nagnambara gne filazantsara. 8 Nisy lela raiky nipetraky tao Lystra, maleny tongotry, hatran-kibony endriny, izay efa nandea hatramin'izay. 9 Io lela io da naregny an'i Paoly nizaka. Paoly nagnasitragny anazy tzara tame masony da nahita fa managny finoagny gne ho sitragny izy. 10 Da nizaka taminazy izy tamin'gne feo mafy hoe: "Mitsangana ame tongotrinao." Noho aveo gne lela da nitsambikigny sady nandea tame magnodidigny. 11 Rehefa naita gne nanin'i Paoly gne fokonolo maro da nanandratry gne feony indreo, nizaka tame fizakanin'gne Lykonia hoe: "Nidigny avy an-dagnitry ho amitsika amin'gne endrik'olo gne andriamanitry.' 12 Nangaiky an'i Barabasy indreo hoe: "Jopitera" ,da Paoly "Merkory", satria izy gne mpandahatry zaka. 13 Gne mpisoron'i Jopitera, izay e fiangonagny da ta ivelan'gne tanàgny, da nitondra aomby sy fehiloha vy ta am-bavahady; izy sy gne fokonolo maro be nikasa hagnome sorogny. 14 Fa gn'apostoly, Barnabasy sy Paoly, rehefa naharegny an'izany da nandrovitry gne fisikinany indreo ka nandea nalaky ho ao agnatin'e fokonolo, nitaraigny sady nizaka hoe: 15 "Ô ralelà, nagnino me anareo fa magnano an'izao raha zao? Anay avakoa da olombelogny mitovy fahatsapagny aminareo avao. Anay minday gne filazantsara ho anareo, mba hitodiky anareo hiala amizao zava-poagny izao ha agny amin'Andriamanitry velogny, izay nagnano gne lagnitry, gne tany, da gne ranomasigny miaraky ame raha marobe aminazy gnao. 16 Tame gn'andro taloa, Izy da namela gne firenegny aby nandeha tame lalagny manokagny aby. 17 F'izy,Izy da tsy nagnapetraky gne tegnany tsy hisy vavolombelogny, tamizany da nagnano gne tsara Izy sady nagnome anareo erikandro avy an-dgnitry sy vanim-potoagny mahavokatry, da hameno gne fonareo ame sakafo sy firavoravoagny." 18 Fa ndre tamizany zaka izany aza, Paoly sy Barnabasy da tsy nijanogny nitazogny gne fokonolo maro be tsy hagnano sorogny ho andreo 19 Fa gne Jiosy sasany avy a Antiokia sy Ikonioma da tonga sady nandresy lahatry gne fokonolo. Indreo nitoraky vato an'i Paoly sy nitariky anazy hivoky e tanàgny, da nieritreritry fa maty izy. 20 Da ra mbola nitsangagny nagnodidigny anazy teo gne mpianatry, da nitsangagny izy da niditry gne tanàgny. Gn'omaray, da nandea ta Derbe niaraky tamin'i Barnabasy izy 21 Aveo indreo nagnambara gne filazantsara tamin'izany tanàgny izany da nahazo mpianatry Maro, nipody tao Lystra indreo, ta Ikonioma, sy ta Antiokia. 22 Indreo da nitoy nampahery gne fagnahin'gne mpianatry sady nandrisiky anazy hotoy ame finoagny, e sady nizaka fa: "Tsy mentsy ame fahoriagny maro be gne hidirantsika ame fanjakan'Andriamanitry." 23 Rehefa nitendry olombe ho andreo tame isam-piangonagny indreo, sy nivavaky tame fifadian-kanigny, da natolotrin-dreo ho an'e Tompo izany, gne natokisan-dreo. 24 Da nandalo tamin'i Pisidia indreo da avy tao Panfilia. 25 Rehefa nagnambara gne zaka tao Perga indreo, da nandeha nidigny Atalia. 26 Avy tagny indreo gne niditry agnaty sambo nidigny andea Antiokia, izay nahazoan-dreo gne fahasoavan'Andriamanitry ho ane asa izay vitan-dreo aminizao. 27 Rehefa tonga tao Antioka indreo da nagnangogny niaraky gne fiangonagny, da nitatitry gne ra marobe izy vitan'Andriamanitry tamin-dreo, sy hoe akoignaia gne namoahany varangaran'e finoagny ho an'gne Jentilisa. 28 Da nijanogny fotoagny ela niaraky tame mpianatry indreo