Toko faha 12
1
Sady tamizany andro izany Heroda mpanjaka nisambotry gne sasany izay an'e fiangonagny mba hahafahany mampijaly andreo.
2
Novonoigny tamin'e Sabata Jakoba ralàn'i Jaona.
3
Sady refa hitany fa nahafaly ireo Jiosy izany, da nagnano izay hisamboragny an'i Petera koa izy. Izany da nandritry gn'andron'e mofo matavay.
4
Refa avy nosamborigny izy, da nataony tagny am-ponja izy sady nanedry miaramila efatry toko hiambigny anazy, nikinia gne hinday anazy amign'olo afarn'e Pska izy.
5
Noho izany da nanin'ireo izay tao am-piangonagny mafy tokôtry tamin'Andriamanitry ho anazy.
6
Gn'aligny alohan'e hindesagn'i Heroda hotsraigny, Petera da natory teo agnelagnelan'e miaramila roy, voafehy tamerojo roy, ra mbola nijanogny miambigny fonja gne mpiandry alohan'e varangaragny.
7
Indro, nisy anjelin'e Tompo teo akaikiny, sady nisy hazavagny nazava tagn'atin'e gn'efitry e fonja. Nikapoky an'i Petera tamign'aligny izy sady namoha anazy da nagnano hoe: "Mitsangana malaky", sady ireo rojony niala tame tagnany.
8
Gn'anjely nizaka hoe: "Mitafia ankanjo agny anao sady tafio e kiraronao." Da nanin'i Petera araky izany. Gn'anjely nizaka taminazy hoe: "Tafio gn'akanjonao ambony sady magnaraha Anà."
9
Da nagnaraky gn'anjely Petera sady nijotso. Tsy fanatany fa ireo izay nataon'e anjely da Tena izy. Nihevitry izy fa nahita fahitagny.
10
Refa avy nandalo tame mpiambigny vôlohagny sy faharoy indreo, da avy tamin'e vavahady vy minday megnà ame tanàgny; misokatry ho azy izany. Nijotso indreo sady nidigny tamin'e lalagny raiky, sady gn'anjely avy da niala anazy.
11
Refa nipody tamin'e tegnany Petera, nizaka izy hoe: "Amizao da fantatriko marigny fa gne Tompo e nandefa gn'anjely sady nagnafaky anà tame tagnan'i Heroda, sy tamin'e raha agnaby izay nandrasan'e Jiosy hibôky.
12
Refa Tonga saigny tam'izany izy, da nengà ame tragnon'i Maria renin'i Jaona, antsoigny koa hoe Marka izay nisy olo maro nivory sy nivavaky.
13
Refa nandondogny tam-bavahady izy, nisy mpanompo viavy raiky antsoigny hoe Roda avy namaly.
14
Refa fantany gne feon'i Petera, gamign'afaliagny da tsy nahavita namoha gne varavaragny izy; f'izy, nandeha nihazakazaky nengà an-dragno izy, notatefiny fa Petera nitsangagny tame varangara.
15
Da nizaka tamindreo hoe: "Mola anao". Fa nanizingizigny izy fa izany gn'izy. Nizaka indreo hoe: "Gn'anjely izany."
16
Fa Petera nanohy nandondogny, sady refa novohandreo gne varangara, da nahita anazy indreo sady gaga.
17
Petera nagnetsiky e tagnany tamindreo mba hisigny, sady nozakainy tamindreo ireo gne fomba nindesan'e Tompo anazy nijotso gne fonja. Hoy izy hoe: "Tantero agny amni Jakoba izy ame ralà izany Raha zany. Da niala izy sady nandeha agny ame toeragny hafa.
18
Sady refa nazava gn'andro, da nisy fietagnam-po kidy tamindreo gn'amin'izay mibôky tamin'i Petera.
19
Refa avy nitadia anazy Heroda sady tsy nahita anazy, da nagnadigny gne mpiandry izy sady nandidy andreo mba ho vonoigny. Da nidigny Jodia ngnà Kaisaria izy sady nipetraky tagny.
20
Sady Heroda da vignitry mafy tame fokon'olon'i Tyra sy sidona. Niavaky negnà aminazy indreo. Nandresy lahatry an'i Blasta indreo, gne mpanampin'e mpanjaka, mba hagnampy andreo. Da nangataky fihavanagny indreo, satria gne tanagn'indreo da mandray gne sakafony avy ame mpanjakan'e tanagny.
21
Tamign'andro voatendry Heroda da nampitafy gne tegnany ankanjo mpanjaka sady nipetraky tame seza fiandrianagny; nikabary tamindreo izy.
22
Nagneky gne fokonolo: "Izany da feon'Andriamanitry, fa tsy an'olo!"
23
Tselatsela teo da nisy anjelin'e Tompo namely anazy; satria tsy nagnome voninahitry an'Andriamanitry izy; nohanign'e kakagny izy da maty.
24
Fa gne tenin'Andriamanitry nitombo sy nihamaro.
25
Da refa vitan'i Barnabasy sy Saoly gn'iraky nampamboarigny andreo, da nipody avy tagny [Gne sasany amin'ireo dika soratry tranaigny nizaka indreo, ninday an'i Jaona niaraky tamindreo, izay nantsoigny avakoa hoe Marka.