Toko faha-11
1
Sady ireo apostoly izy ame ralà izay tagny Jodia nahare fa ireo Jentilisa avakoa da nandray gne Tenin'Andriamanitry.
2
Refa niakatry tagny Jerosalema i Petera, ireo izay tame antok'ireo voafora da nagnakiagny anazy;
3
hoy indreo hoe: " Anao nikambagny niaraky tamin'ireo ralà tsy voafora sady nisakafo niaraky tamindreo!"
4
Fa Petera nanomboky nagnazava gne raha nibôky tamindreo tamign'atsipiriany; hoy Izy hoe:
5
"Nivavaky tagny ame tanàgnin'e Jopa iao, sady nahita fahitagny gn'amin'e fisian-draha raiky izay nidigny, akô gne lamba zakabe nalatsaky avy agny an-dagnitry tamin'ireo zorony efatry iao. Nidigny taminà izany.
6
Nibanjigny an'izany iao sady nandinindiky momba izany. Nahita ireo biby managny tongotry efatry e tany, gne biby da, gne biby mandady, sady ireo vorogny egny ame lagnitry iao.
7
Aveo iao da nahare feo nizaka taminà hoe: "Mitsangàna, ry Petera; mamono sady mihinàgny."
8
Hoy iao hoe: "Tsia, ry Tompo; fa tsy mbola nisy zavatry tsy masigny na maloto mihitsy niditry taty am-bavako."
9
Fa gne feo namaly avy agny an-dagnitry indraiky hoe: " Izay nambaran'Andriamanitry fa madio, ka antsovagny hoe maloto."
10
Nibôky in-telo izany, sady aveo da nalaigny nimpody niakatry tagny an-dagnitry gne raha agnaby.
11
Indro, tselatsela teo da nisy telo lahy nitsangany tagnoloan'e tragno izay nisy anay; nalefa avy tagny Kaisaria negnanty aminà indreo.
12
Gne Fagnahy da nandidy anà hiaraky amindreo, sady tsy tokony hagnisy fizahagny tarehy amindreo iao. Gne ralà enigny ireo da nandeha niaraky taminà, sady nandeha negnà an-dragnon'e lelà iay.
13
Izy da nizaka taminay gne nahitany gn'anjely raiky nitsangagny tan-dragnony sady nizaka hoe: "Magnirahà lelà agny Jopa sady indeso mimpody i Simona izay antsovagny hoe Petera.
14
Izy da hizaka hafatry raiky aminao izay havoavonjy anao - anao izy ame ankohonananao agnaby."
15
Râ nanomboky nizaka tamindreo iao, gne Fagnahy Masigny da avy tamindreo, akô gne nidignany taminay tagny ame vôlohany.
16
Tsarovako gne zakan'e Tompo, gne nizakany hoe: "Jaona nagnano batisa tame rano tokôtry; fa anareo da mila hatao batisa ao ame Fagnahy Masigny."
17
Da râ Andriamanitry nagnome andreo gne fagnomezagny mitovy am'izay nomegny antsika tamin'isika nino an'e Tompo Jesosy Kristy, ia iao, gne ho afaky hanohitry an'Andriamanitry?"
18
Refa regnin-dreo izany raha izany, tsy nizaka ndre ino ndre ino hoentigny hamaly indreo, fa nidera an'Andriamanitry avao indreo sady nizaka hoe: "Sady Andriamanitry nagnome fibebahagny ho fiainagny ho an'ireo Jentilisa avakoa."
19
Sady ireo izay naparitaky noho gne fagnenjehagny izay nanomboky tame fahafatesan'i Stefana da niely tagny Foinika, Kyprosy, sady Antioka, fa indreo da nizaka gn'afatry momba an'i Jesosy tamin'ireo Jiosy raiky avao.
20
Fa gne sanany tamindreo, gne lelà avy agny Kyprosy sy Kyrena, da nandeha tagny Antioka sady nikoragny tamindreo Grika avakoa, nizaka tamindreo gne filazantsara momba gne Tompo Jesosy.
21
Gne tegnan'e Tompo da niaraky tamindreo; maro isa gne nino sady nitodiky tamin'e Topmo.
22
Gne vaovao momba andreo da avy tame sofin'e fiangonagny tao Jerosalema, sady indreo nagniraky an'i Barnabasy hatragny Antioka.
23
Refa avy izy da nahita gne fagnomezan'Andriamanitry, da ravoravo izy; sady izy nampahery anazy agnaby mba hitoetry miarak'e ame Tompo amin'e fon-dreo agnaby.
24
Satria izy da lelà tsara sady feno gne Fagnahy masigny izy ame finoagny, sady olo maro gne niampy an'e Topmo.
25
Da nandeha negnà Tarsosy i Barnabasy mba nitadia an'i Saoly.
26
Refa hitany izy, da nentigny tagny Antoka. Sady nandritry gne taogny raiky nagninjitry indreo da nivory niaraky tamin'e fiangonagny sady nampianatry olo maro. Gne mpianatry da nantsovagny vôlohany hoe kritiany tao Antioka.
27
Sady tamin'izany andro izany da nisy mpaminagny maromaro nidigny avy tagny Jerosalema nankagny Antioka.
28
Gne raiky tamindreo, i Agabo gn'agnantsovagny anazy, nitsangagny sady nambaran'e Fagnahy fa hisy mosary zakabe hibôky magneragny izao tontolo izao. Nibôky tokôtry izany tamign'andron'i Klaodio.
29
Noho izany, ireo mpianatriny, arak'e gne fahafahan'e tsikiraikiraiky aby, da nanapaky hevitry gne handefa fagnampiagny ho an'ireo ralà tagny Jodia.
30
Nagnano izany indreo; nandefa vola hoan'ireo olombe tamin'e tanàgnin'i Barnabasy sy Saoly.