Toko 1

1 ne boky nosoratako taloha, rô teofilo, da magnambara gne raha natombok'i Jesosy izy ame nampenariny agnaby, 2 hatrame andro nampiakaragny an'Azy,avy eo da nandidy gn'Apostoly izay nofidiny tame alalan'e Fanahy Masina Izy. 3 Tafaran'e nijaliany, da nagnabôky gne tegnany velogny tamindreo Izy niaraky tame porofo mandresy lahatry maro. Nibôky tamindreo Izy nandritry gne andro efapolo andro, sady niresaky momban'e fanjakan'Andriamanitry. 4 Refa nihaogny niaraky tamindreo Izy, da nandidy andreo tsy hiala ao jerosalema, fa handigny gne fampagnategnan'e Ray momban'izay, nozakainy hoe: "Naharegny taminà anareo 5 fa nagnano batisa tame rano tokôtry i Jaona, fa anareo da tokony hanīgny batisa ame Fanahy Masina ao antin'e andro vitsy". 6 Refa tafavory niaraky indreo da nagnotany an'Azy indeo hoe: "Tompo, izao me gne fotoagny hameregnanao gne fanjakagny ho an'Israely? " 7 Hoy Izy tamindreo hoe: " Tsy anareo gne hahalalagne fotoagny ndre gne vanin'andro izay notendren'e Ray tme fahefagny manokagny. 8 Fa refa avy kosa gne Fanahy Masina da hahazo hery anareo, ka ho lasa vavolombeloko eran'e Jerosalema izy am'i Jodia raiky manontolo sady Samaria, da hatragny ame faran'e tany. " 9 Refa nizaka an'izany raha izany i Jesosy Tompo, da niandrandra indreo, nakarigny Izy, sady gne rahogny nanakotry an'Azy tamasondreo. 10 Raha mbola nihandra igny indreo tame nandehanany, tampoky teo, nisy roy lahy nisikigny fotsy nitsangagny tagnilandreo. 11 Nizaka indreo hoe: "Ralelà avy agny Galilia, magnino anareo mitsangagny eto magnety gne lagnitry? Igny Jesosy nalaigny taminareo izay nampiakarigny agny andagnitry igny, da hiverigny akô gne nahitanareo an'Azy niakatry agny an-dagnitry teo igny. 12 Avy eo indreo da niverigny tagny Jerosalema avy tao ame vohitry Oliva, izay eo akaikin'i Jerosalema, mitovy ame dia andro sabata raiky. 13 Refa avy indreo, da niakatry tao ame efitry ambony rihagny, izay nipetrahandreo. Indreo da i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, Simona Zelota, da i Jodasy zanak,i Jakoba. 14 Nitambatry ho raiky izy agnaby, sady nazoto nivavaky. tagnatin'izany gne viavy, Maria endrin'i Jesosy, izy amireo rahalany. 15 Tamizany andro izany i Petera da nitsangagny tategnategnan'e rahalany, eo ame gn'olo120 eo, sady nizaka hoe 16 : "O rahala, tena nilaigny gne fahatanterahan'e Soratry Masigny, izay nambaran'e Fanahy Masina meloha tame vavan'i Davida momba an'i Jodasy, izay ninday gn'olo nisambotry an'i Jesosy." 17 Fa agnosan'e raiky amitsika izy sady nahazo gn'anjarany tamizao fanompoagny izao." 18 (Amizao fotoagny izao io lela io da nividy tanim-boly tame vola azony tame faharatsiagny izy, sady lavo nitrosogny teo izy, da nisokatry sady nipoky gne vatany, sady nivoraky aby gn'olokiny. 19 Gn'olo agnaby tao Jerosalema da naharegny gne momba an'izany, sady nagnatso an'io tanim-boly io tame fizakandreo hoe: "Akeldama", izany hoe: "Tanim-bolin-dRa") 20 F'efa voasoratry ao ame Bokin'e Salamo hoe: "Avelay ho fogny gne tanim-boliny, sady k'avela ndre da olo raiky aza hipetraky ao'; Avelay ho azon'olo-kafa gn'andraikitriny." 21 Noho izany, da ilaigny, gne raiky ame lela niaraky tamitsika nandritry gne fotoagny agnaby nidiran'i Jesosy Tompo izy ame nialany teto amitsika, 22 hatrame batisan'i Jaona ka hatrame andro nekarany teo amitsika, da tsy maintsy vavolombelogny miaraky amintsika ame fitsanganany." 23 Sady nametraky roy lahy indreo, da i Josefa natsoigny hoe Barsabasy, na koa ho Josto, da i Matia 24 Nivavaky indreo sady nizaka hoe: "Anao, Tompo o, gne mahalala gne fon'olo agnaby, ka ambaray izay hofidinao amizy roy lahy 25 mba handray gne toeragny ato amizao fanompoagny izao izy ame maha Apostoly nohon'e fandikagny lalagny izay namboarin'i Jodasy handeha ho agny ame toeragny manokagny. 26 Indreo da niloka ho andreo, sady nilatsaky tam'i Matia gne filokagny, sady voisa ho Apostoly raiky ambin'ny folo izy.