Toko faha 3
1
Amin'izao fotoagny zao, rahalà, mivavaha ho anay, mba ho deraigny sy homem-boninahitry gne tenin'e Tompo, da akô izany avakoa gne aminareo.
2
Mivavaha mba ho afaky amindreo ratsy fagnà sy olon-dratsy iay, fa tsy gne rehetra gne manam-pinoagny.
3
Fa gne Tompo da mahatoky, izay magnamafy origny izy ame miambigny anareo amin'e ratsy.
4
Managny fahatokisagny amin'e Tompo momba anareo iay, mba sady hanaovanareo gne hanohizanareo e raha izay nandidiagny anay anareo.
5
Gne Tompo anie hitariky gne fonareo amin'e fitiavan'Andriamanitry izy ame fiaretan'i Kristy.
6
Amin'izao mandidy anareo iay, rahalà, amign'agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiala amindreo rahalà agnaby izay miaigny agnatin'e hakamoagny izy ame tsy araky e fomban-drazagny izay niraisinareo taminay.
7
Fa anareo tegnanareo da mahalala fa mety aminareo gne mangala tahaky anay. Tsy niara-niaigny akô indreo izay tsy nanagny fitsipiky iay.
8
Tsy nihinagny hanignin'olo tsy naloa vola iay. Kanefa, niasa andro aman'aligny tamign'asa soratry izy ame raha sarotry iay, mba tsy ho enta-mavesatry ho an'e tsiraidraiky aminareo.
9
Tsy hoe nohon'e tsy fanagnagny fahefagny gne nagnamboaranay anizany. F,izy, nagnano anizany iay, mba ho fitaratry ho anareo, da mba hanahaky anay anareo.
10
Refa niaraky taminareo iay, da nandidy anareo hoe: "Raha misy raiky tsy te hiasa, da tsy tokony hihinagny Izy."
11
Fa maharegny iay fa miraviravy tagnagny gne sasany aminareo. Tsy miasa indreo fa mpitsabaka.
12
Amin'izao gne olo ako izany da didinay sady hanarinay amin'i Jesoa Kristy Tompo, mba hiasa am-pahanginagny sady hihinagny gne hanign'indreo manokagny.
13
F'anareo, rahalà, ka mamoy fo amin'e fanaovagny izay marigny.
14
Raha misy tsy magneky gne zakantsika amin'ity taratasy ty, mariho eo imason'olo izy sady ka managny fifandraisagny aminazy, da mety ho megnatry Izy.
15
Ka raisigny ho fahavalo izy, fa hanaro ho akô e rahalàny.
16
Fa izy Tompon'e fiadanagny anie hagnome fiadagnagny anareo amin'io fotoagny sy amin'e fomba agnaby io. Ho aminareo agnaby anie gne Tompo.
17
Ity gne fagnamboarako veloma, iao Paoly, tamin'e tagnako, izay famantaragny amin'e taratasy agnaby. Io gne soratriko.
18
Gne fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika anie ho aminareo agnaby.