Toko faha 2

1 Amin'izao gne momban'e fiavian'i Jesosy Kristy Tompontsika izay ame nanangonagny antsika iaraky aminazy: magnontany anareo iay,rahalà, 2 mba tsy ho mora helingelegnigny na hampitahorigny anareo,na ame fagnà,na ame hafatry,na ame taratasy ako hoe avy aminay,nohon'e vahatrin'e fahatongavan'izany andron'ny Tompo izany. 3 K'avela hisy olo hamitaky anareo na ame fomba akohignaia. Fa tsy ho avy zany raha tsy hefaran'e fahatongavan'e fahalavoagny,da gne lelà mpandika lalàgny da aboaky,gne zanak'e fahasimbagny.[Fagnamarihagny:gne dikan-teny taloha sasany da mivaky hoe:"gne lalà mpanota aboky"]. 4 Izy gne manohitry sady mandratry gne tegnany am'izay rehetra antsoigny hoe Andriamanitra izay ivavahagny.Vokatr'izany,da nidoboky taminè fiangonan'Andriamanitra izy sady magnaboky gne tegnany akô gn'Andriamanitra. 5 Tsy tadidinareo moa fa tamine mbola niaraky taminareo da efa nizaka io raha io? amizao lalanareo ino gne mitazogny anazy, 6 mba hibohany ame fotoagny raiky avao. 7 Fa gne raha mifinin'e fandikan-dalàna da efa miasa, misy olo raiky avao amn'izao fotoagny izao mandra-pangalagny anazy tamin'e lalàgny. 8 Aveo gne tena mpandika lalàgny da hambara, izay izay hovonoin'i Jesosy Tompo ame fofonain'ny vavany.Gne Tompo da hitondra anazy amin'e tsy Nisy dikany amin'elalan'e fibohagn'e feviany. 9 Gne fiaviane mpandika lalàgny da noho gne asan'e satana miaraky ame hery rehetra,gne famantaragny,sy gne fahagagagny tsy marina, 10 da miaraky amin'e fitaky agnaby gnamin'e tsy fahamarinagny.Io raha io da ho andreo izay very,satria indreo da tsy nandray gne fihavan'e fahamarinagny mba ahavoavonjy andreo. 11 Noho izany antony izany da mandefa asan'e fahadisoagny Andriamanitra mba hinoan-dreo vandy. 12 Vokatr'izany da hotsaraigny aby indreo,indreo izay tsy Mino gne fahamarinagny. 13 Fa iay da tokony magnome fisaoragny an'Andriamanitra fehizay ho andreo, ralà nihavian'nyTompo.Fa Andriamanitra e nifidy anareo akô gne voaloham-bokatry ho ane famonjegny am'e fanamasinagny gne fagnà izy ame finoagny gne fahamarinagny.[Fanamariagny: gne dikan-teny hafa da mivaky ako izao:"Fa Andriamanitry da nifidy hatram'e voalohany ho ane famonjeny]. 14 Izany gne nagnangiagny anareo tamign'alalane filazantsaranay mba ahazoanareo gne voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika. 15 Ka noho izany, rahalà,mijoroa mafy.Tazony gne fahamarinagny izay nampianarigny anareo.Na tamin'gne tany.Na tamin'gne taratsinay. 16 Amin'izao aoka i Jesosy Kristy Tompotsika tegnany,da Adriamanitry Raintsika izay tiantsika sady nagnome antsika fankeherezagny mandrakizay izy ame fahatokisagny tsara ho an'e ho avy amign'alalan'e fahasoavagny,hankahery sady hametraky gne onareo amin'e asa tsara rehetra izy ame teny. 17 hankahahery sady hametraky gne fonareo ame asa tsara agnaby izy ame zaka.