Toko 1
1
Paoly, Silasy, da i Timoty, ho ame fiangonan'e Tesaloniana amin'Andriamanitry Abantsika sy Jesosy Kristy Tompo.
2
Ho aminareo anie gne fahasoavagny izy ame fiadanagny avy amin'Andriamanitry Abantsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3
Iay da tokony hagnome fisaoragny an'Andriamanitry ho anareo fezay, rô rahalà. Fa izany gne tsara anigny, satria tena mitombo be gne finoanareo, sady gne fitiavanareo tsiraidraiky da mitombo ho ane hafa.
4
Noho izany da iay tegnanay da mizaka am-pireharehagny momba anareo eo ame fiangon'Andriamanitry. Iay da mikoràgny momba gne faharetanareo da gne finoanareo tamin'izay nagnenjehagny anareo. Mikoragny momba e fahoriagny izay niaretanareo.
5
Izany da famantaragny gne fitsaragny marin'Andriamanitry. Gne vokatriny da ho raisigny ho mendriky gne fanjakan'Andriamanitry izay nijalianareo anareo.
6
Marina amin'Andriamanitry gne hamaly fahorian'izay nampahory anareo,
7
Sady hagnome fijanognagny ho anareo izay nampahoriagny niaraky taminay. Ho aniny izany ame fiboahan'i Jesosy Tompo avy an-dagnitry miaraky ame gn'anjelin'e heriny.
8
Ame gn'afo miredareda gne agnamboarany gne valifaty amin'e tsy mahafantatry an'Andriamanitry izy ame tsy mamaly gne filazantsaran'i Jesosy Tompontsika.
9
Indreo da hijaly ame fagnasazian'e fandringanagny mandradrakizay lavitry gne fagnatrehan'e Tompo izy ame voninahitry ne heriny.
10
Hambotry anizany izy rehefa avy am'izany andro izany mba hagnomezany gn'olony voninahitry anazy sady igagandreo aby izay nino. Fa gne fijoroanay vavolombelogny aminareo da ninoagny.
11
Am'izay da mivavaky isan'andro ho anareo avakoa iay. Mivavaky iay mba ho mendriky gne ho raisin'Andriamanitritsika ame fagnantsovagny anareo. Mivavaky iay mba ho tanterahiny ame hery gne fagnirianareo e fahatsaragny izy ame asan'e finoagny agnaby.
12
Mivavaky ho an'izany raha aby izany iay mba homenareo voninahitry gn'agnaran'i Jesosy Tompontsika. Mivavaky iay mba hagnomezagny voninahitry anareo, nohon'e fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.