Toko 1

1 Petera, apostoli'i Jesosy Kristy, ho ane zanaky am-pielezagny, e voafidy, magneragny an'i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia, da Bitynia. 2 Izany da arak'e fantatr'Andriamanitry Ray mialoha, voatokan'e Fagnahy ho fagnekegny sady ho famafazagny e ran'i Jesosy Kristy. Ho aminareo anie e fahasoavagny, sady hitombo anie gne fiadananareo. 3 Ho tahigny anie Andriamanitry sady Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. Tame famindram-pony, gne nagnomezany antsika fahaterahagny vaovao ho an'e fahatokisan'e lova. Izany lova izany da tamin'alalan'e fitsanganan'i Jesosy Kritsty tame maty. 4 Izany da ho an'e lova izay tsy ho faty, tsy ho vilavila, sady tsy ho levogny. Izany sa voatokagny ho anareo an-dagnitry agny. 5 Anareo da arovan'e herin'Andriamanitry ame alalan'e finoagny, ho an'e famonjegny izay efa vonogny ho ambara ame fotoagny farany. 6 Tena ravoravo momba izany anareo, ndre da ilainareo e hahatsiaro malahelo ame olagny maro samby hafa amin'izao fotoagny izao. 7 Izany da ho an'e fagnaporofoagny e finoanareo, izay sarobidy kokoa nohon'e volamena izay vilavila, ndre da nosedraigny tame afo. Miboaky izany mba ho hita e vokatr'e finoanareo ame fideragny, voninahitry, da haja ame hiboan'i Jesosy Kristy. 8 Tsy nahita an'Azy anareo, nefa tia an'Azy, Tsy mahita an'Azy anareo amin'izao fotoagny izao, kanefa mino an'Azy, sady da tena faly ame fifaliagny tsy hay zakaigny, mahafinaritry. 9 Raisinareo amin'izao fotoagny izao e vokatr'e finoanareo, da e famonjegny e fagnahinareo. 10 E mpaminany da nikaroky sady nagnontany tsara gne momba izany famonjegny izany, gne momba e fahasoavagny izay ho anareo. 11 Indreo da nitady e hahafantatry e mikasiky e hoe ia da ovia e Fagnahin'i Kristy ao amindreo gne nizaka tamindreo. Izany da niboaky ako e nozakainy andreo mialoha momba e fijalian'i Kristy izy ame voninahitry magnaraky an'izany. 12 Nambara tamindreo izany mba tsy hanompo e tegnany indre, fa anareo, refa nizaka io raha voazaka taminareo amin'izao fotoagny izao io tamin'alalan'izay nitory e filazantsara taminareo tamin'alalan'e Fagnahy Masigny nalefa avy lata an-dagnitry--raha izay tian'e anjely ho lala. 13 Noho izany homagno e sainareo. Mahonogna tegna. Mametraha fitokisagny ame fahasoavagny izay ho entigny eo aminareo amin'e hisehoan'i Jesosy Kristy. 14 Ame mahazanaky mpagneky, ka mampifagnaraky e tegnanareo ame fagniriagny izay narahinareo tame mbola tsy nahalala anareo. 15 Fa ako e raiky izay nangaiky anareo hoe masigny, anareo, avakoa, aoka ho masigny ame fitondran-tegnanareo agnaby. 16 Fa voasoratry hoe: "Aoka ho masigny, satria masigny Iao." 17 Raha mangaiky e raiky izay mitsara tsy misy fagnavakavahagny ara'e asan'olo tsiraidraiky agnaby hoe: "Ray" anareo, da handany e fotoan'andronareo ame fampisehoagny fagnajagny. 18 Fantatrareo fa tsy avy tame volafotsy na volamena mety levogny e nagnavotagny anareo tame fitondran-tegna mola izay nianaranareo tame razanareo. 19 F'izy, navotagny tame ra sarobidin'i Kristy anareo, izay ako e zanak'ondry tsy misy takaitry na tsigny. 20 Voafidy talohan'e nananganagny an'izao tontolo izao i Kristy, fa amin'izao fotoagny izao da tamin'e fotoagny farany e nagnambaragny an'Azy taminareo. 21 Amin'e alalany e hinoanareo an'Andriamanitry, izay nanangagny anazy tame maty sady tamin'e nomeny vononahitry mba ho ao amin'Andriamanitry gne finoagny izy ame fahatokisanareo. 22 Nagnadio e fagnahinareo tame fagnekegny e fahamarianagny anareo. Izany da an'e fitiavagny ara-piralahiagny madio; noho izany mifankatiava fatratry ame fo. [Fagnamarihagny: e dikan-teny sasany da mizaka hoe: "Nagnadio e fagnahinareo tame fagnekegny e fahamarinagny tamin'e alalan'e Fagnahy anareo"] 23 Nateraky indraiky anareo, tsy avy ame voa mety maty, fa avy ame voa tsy mety maty, amin'e alalan'e zakan'Andriamanitry velogny sady mipetraky. 24 Fa "e nofo aby da ako e ahitry, da e voninahitriny aby da ako e voninkazon'ahitry. Maigny e ahitry, da malazo e voninkazo, 25 fa e zakan'e Tompo da mpitraky mandrakizay" Izany e vaovao mahafaly izay nambara taminareo.