Toko 1

1 Paoly, natsovan'i Jesosy Kristy mba ho apôstôly noho gne sitrapon'Andriamanitry, izy amin'i Sostena ralàntsika, 2 ho an'e fiangonan'Andrimanitry ao Korinto, ho andreo izay vôhasigny tao amin'i Kristy Jesosy, da vôantso ho olo masigny. Manoratry ho anareo aby izay mangahiky gn'agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'e toeragny agnaby avakoa iay, gne Tompon-dreo izy sy antsika. 3 Ho aminareo gne fahasoavagny izy ame fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Iao da magnome fisaoragny ho an'Andriamanitriko ho anareo noho gne fahasoavan'Andriamanitry izay nomen'i Jesosy Kristy anareo. 5 Naniny nanakankaregny tamin'e fomba agnaby anareo, tame fizakagny agnaby sy gne fahalalagny agnaby , 6 râ vao voaporofo taminareofa marigny gne fagnambaragny momban'i Kristy. 7 Noho izany anareo da tsy hijaly fagnomezam'pahasoavagny eo am-pandignasanareo gne fagnambaragny an'i Jesosy Kristy Tompontsika. 8 Izy avakoa da hampiorigny anareo hatrame farany, mba tsy hana-tsigny anareo amign'andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Matokia Andriamanitry, izay nangahiky anareo ho ame firasaigny amin'e Zanany lahy, Jesosy Kristy Tompontsika. 10 Amizao da mamporisiky anareo iao, rô ralà, amin'e gn'agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifagnaraky anareo aby, sady tsy hisy fisarahagny eo agnivonareo. Mamporisiky iao mba hikambagny amin'e saigny mitovy sy tanjogny mitovy anareo. 11 F'efa nanigny mazava taminà, rô ralà, tamign'alalan'e fonkonolon'i Kloe fa misy fifampiandaniagny gn'aminareo. 12 Gne tiako ambara da izao: Gne tsiraikiraiky aminareo samby magnano hoe: "Iao miaraky amin'i Paoly," na "Iao miaraky amin'i Apolosy, " na " Iao miaraky amin'i Kefasy, " na " Iao miaraky amin'i Kristy. 13 " Vôzarazara me Kristy? Paoly me nofatsiagny ho anareo? tamign'agnaran'i Paoly me gne namboarigny batisa anareo? 14 Misaotry an'Andriamanitry iao fa tsy nisy namboariko batisa anareo, afa-tsy Krispo sy Gaio. 15 Izany da mba tsy hafahan'ia ndre ia mizaka hoe tamign'agnarako e namomboaragny batisa anareo. 16 (Iao avakoa da nagnano batista gne tokatragnon'i Stefanasy. Gne akôatr'izay, tsy fantatriko râ nagnano batisa olo hafa iao.) 17 Fa tsy ampagnano batisa gne nagnirahan'i Kristy anà fa hitory gne filazantsara. Izy tsy nandefa anà hitory amin'e zakan'e fahendregn'olombelogny, mba tsy ho foagny gne herin'e hazofijalian'i Kristy. 18 Fagne hafatry momba gne hazo fizaliagny da fahadalagny amin'ireo izay ho faty. Fa eo amindreo izay ho vonjen'Andriamanitry, da herin'Andriamanitry izany. 19 Fa vôsoratry hoe: "Ho potehiko gne fahendren'e hendry. Ho foagnako gne fahalalan'e mahay. " 20 Aia gn'olon-kendry? Aia gne mpanora-dalàgny? Aia gne mpiady hevitry an'izao tontolo zao? Sa tsy nadik'andriamanitry ho fahadalagny me gne fahendren'izao tontolo zao? 21 Satria tsy nahalala an'Andriamanitry izao tontolo zao tamign'e fahendregny, da sitrak'Andriamanitry, gne hamojegny ireo izay mino amign'alalan'e fahadalagn'e fitoriagny. 22 Fa indreo Jiosy da mangataky famantaragny mahagaga sady ireo Grika mitadia fahendregny. 23 Fa iay mitory an'i Kristy vôfantsiky, izay vato fanafintohinagny ho an'ireo Jiosy da fahadalagny hoan'ireo Grika. 24 Fa ho andreo izay vôantson'Andriamanitry, na indreo Jiosy sy indreo Grika, da mitory an'i Kristy akô gne hery sy fahendren'Andriamanitry iay. 25 Fa gne fahadalan'Andriamanitry da hendry noho gn'olo, sady gne fahalemen'Andriamanitry da matanjaky noho gn'olo. 26 Heritreto gne fagnatsovagny anareo, rô ralà. Tsy maro taminareo. Vitsy aminareo gne hendry râ gn'ame maha olombelogny. Tsy maro taminareo gne nahery. Tsy maro taminareo gn'avo filazarantsara. 27 Fa Andriamanitry da nisafidy ireo raha adalan'izao tontolo zao mba hampahamegnatry gne hendry. Andriamanitry da nisafidy izay malemy eo amin'izao tontolo zao mba hampahamegnatry gne matanjaky. 28 Andriamanitry da nisafidy izay ambany sy hamavoigny eto amin'izao tontolo zao. Ndre Izy azaky da nifidy ireo râ izay noheveriny ho tsinotsinotsinogny, mba hahavy tsinotsinoa ireo râ izay atao ho manan-danja. 29 Naniny izany mba tsy hisy hanagny antony hirehareha eo agnatrehany. 30 Nohon'e nanin'Andriamanitry, amizao anareo da ao amin'i Kristy Jesosy, izay lasa fahendregny ho antsika avy amin'Andriamanitry. Izy da lsasa fahamarinantsika, fahamasinan tsika sady fahafahtsika. 31 Vokatr'izay, arak'izany mirehareha, hirehareha ao amin'e Tompo. "