Toko faha-2

1 efa nagnatogny aminareo iao, rô ralà, da tsy avy niaraky taminà lahateny na fahendregny iao râ nagnambara gne mistery momban'Andriamanitry. Fagnamarihagny: Gne dika-teny maro hafa da mivaky akô izao hoe: "Râ nagnambara gne fijoroagny vavolombelogny momban'Andriamanitry iao. " 2 Fa nanapa-kevitry tsy nahalala ndre ino ndre ino iao refa taminareo, afa-tsy Jesosy Kristy, sy Izy voafantsiky. 3 Sady niaraky taminareo iao Tamign'e fahalemegny, sy tamin'e tahotry, sady tamin'e fagnovitagny zakabe. 4 Sady gne hafatriko sy gne fagnambarako da tsy tamin'e zaka fandresen-dahatry gne fahendregny. F'izy, ireo da tamin'e fagnambaragny fagnahy sy hery, 5mba tsy ho ao ame fahendregn'olombelogny gne finoanareo, fa ao amin'e herin'Andriamanitry. 6 Amizao da tena mizaka fahendregny eo aminareo matotry, fa tsy gne fahendren'izao tontolo izo, na gn'andreo mpanampaky izao vanin'andro izao, izay mandalo avao. 7 F'izy mizaka gne fahendren'Andriamanitry ame fanamarihagny miafigny isika, gne fahendregny miafigny izay notendren'Andriamanitry mialoha gne vanin'andro agnaby ho voninahintsika. 8 Tsy nisy taminareo mpanapak'izao andro izao gne nahafantatry io fahendregny io, fa râ nahatakatry izany indreo tamizany fotoagny izany, da tsy ho nofantsian-dreo e Tompon'e voninahitry. 9 Fa araky izay voasoratry hoe: "Ireo râ izay nisy maso nahita, tsy nisy sofy nahare, tsy nisy eritnreritry nahazo an-tsaigny, ireo râ izay nomanin'Andriamanitry ho an'ireo tia Anazy. " 10 Io râ naboakin'Andriamanitry taminay tamign'alalan'e Fagnahy. Fa gne Fagnahy da mitadia gne râ, na da ireo râ lalin'Andriamanitry azaky. 11 Fa ia gne mahafantatry gne fisaign'olo raiky afa-tsy gne fagnahin'olo aminazy? Arak'izany, tsy mis mahafantatry ireo râ lalin'Andriamanitry afa-tsy gne Fagnahin'Andriamanitry. 12 Fa tsy nangalaky gne fagnahin'izao tontolo izao isika, fa gne Fagnahy izay avy amin'Andriamanitry, mba hafahantsika mahafantatry ireo râ ireo omengy antsika maimaimpoagny avy amin'Andriamanitry. 13 Mizaka momba ireo râ ireo ame zaka izay tsy hain'e fahendregn'olombelogny ampianarigny iay, fa izay ampianarin' e Fagnahy anay. Gne Fagnahy gne mandiky e zaka ara-pagnahy miaraky ame fahendregny ara-pagnahy. 14 Gn'olo izay tsy ara-pagnahy da tsy mandray ireo râ ireo izay an'e Fagnahin'Andriamanitry, satria fahadalagny aminazy izany. Tsy afa-mahalala an'izany izy satria famantaragny ara-pagnahy izany. 15 Izay ara-pagnahy da mitsara gne râ agnaby, fa tsy iharan'e fitsaran'e hafa izy. 16 "Fa ia gn'afaky hampianatry Anazy?" Fa iay da tsy managny gne fisaignan'Kristy.