Toko 1

1 Karan'izao ny fanombohan'ny filazantsaran'ny Jesôsy Kristy, zanak'Andriamanitra. 2 Raha efa nisoratan'i Isaia mpaminany io hoe: "Igny Aho magniraka ny irakako alohanao igny, Izy de hagnano ny lalagnanao. 3 Misy feo regny mafy be an-tany tsisy olona hoe: Amboery tsara ny lalagnan'ny Tompon; atôvy mahitsy ny lalan-kombany." 4 Tonga tamin'ny tany maigna tsisy olona tagny i Jaona de nitory ny batisan'ny fivalozana mbàn'ny famelan-keloka avy amin'ny ota. 5 Tonga nagnatogna anazy tagny aby ny fokonolona tao Jerosalema de nagnotany anazy. De namboarina batisa tamin'ny tegnaranon'ny Jordana iary zareo ndreka nagneky ny fahotany. 6 Jaona de nagnano akanjo volon-ndrameva de nagnano fehi-kibo hoditra tamin'ny andilagnany, de valala miaraka amina tintely remby mba fohaniny. 7 De nizakainy fa: "Misy raika magnaraka afarako mahery amboniko, sady ndre Izaho tsy mendrika hangalaka ny kapany aby. 8 Izaho magnano batisa anareo amina rano, fa Izy ndreka hagnano batisa anareo amin'ny Fanahy Masina." 12 De nindôsin'ny Fanahy tamin'ny tany tsisy olona tagny Jesôsy. 13 Efapolo andro nangalan'ny satana fanahy Anazy tamin'ny tany tsisy olona tagny. Nipetraka niaraka tamin'ny bibidia Izy de nanompo Anazy ny anjely. 14 Ka ndreka tratra i Jaona, de tonga tagny Galilia Jesôsy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra, 15 de nizaka hoe:"Efa tonga ny andro, sady efa akeky ny fanjakan'Andriamanitra. Mba mivaloza de magnekea ny filazantsarana." 16 Ndreka nandeha tamoron-dranomsin'ny Galilia Izy, de nahita an'i Simona sy Andrea nagnarato, satria mpagnarato iary zareo. 17 De nizaka iary zareo hoe:" Andao agnaraka anaha, fa ataoko magnarato olona anareo." 18 Tonga de navelan'iary zareo ny aratony ka nagnaraka Anazy iary zareo. 19 Ndreka nandeha talavidavitra Jesôsy de nahita an'i Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona rahalahiny;tagnatin'ny sambo magnano arato. 20 Nantsovan'i iary zareo Izy de tonga de nenga Zebedio iabany niaraka tamin'nympikarama io, de nagnaraka Anazy iary zareo. 21 De tonga tao Kapernaomy iary zareo, tamin'ny andro Sabata, de niditra tampengonana Jesôsy nampianatra. 22 Gaga tamin'ny fampianarany iary zareo satria nampianatra an'iary zareo, kara olona managna fahefana mihitsy fa tsy kara ny mpanora-dàlana io. 23 Aveo de nisy lilahy raika nanagna fagnahy ratsy tamin'ny fiangonan'iary zareo nihoaika mafy be, 24 de nizaka fa: " Ino ma ny raha ifandraisanay a Jesôsy avy a Nazareta? Tonga hampijaly anay ma zany anao a? Fantako Anao fa Anao ilay Masin'Andriamanitra!" 25 Nizakain'i Jesôsy mafy ny devoly ka agnano hoe:"Mangina de mivoà amin'azy!" 26 De ndreka lavo izy de nivôka tamin'azy nu fagnahy ratsy igny sady nizaka mafy be. 27 De gaga aby ny olona ka nifagnotany iary zareo hoe:" Io ity? Fampianarana vaovao misy fahefana ity? atrmin'ny fagnahy ratsy de magnaraka ny bekon'ny aby!" 28 Niparitaka nagneregna ny Galilia aby ny vaovao marobe momba Anazy. 29 Ndreka avy tampengonana iary zareo de nandeha tandragnon'i Simôna de Andrea, niaraka tamin'i Jakoba iaban'i Jaona. 30 Arika rafozam-bavin'ny Simona ka narikoditra de tonga de nizakain'iary zareo tamin'i Jesôsy ny momba anazy. 31 Fa ndreka nagnatogna anazy Izy, de niresin'ny tamin'ny tagnany, de nareniny; de afaka ny arikoditrany, de nanomboka nanompo an'iary zareo izy. 32 Nindôsin'iary zareo tamin'Azy aby ndregny narary tamin'ny alina igny atrmin'ny olona misy devoly. 33 Tafavory tambarangaragna aby olona marobe tantanàna teo. 34 Nitsabo olona marobe ndregny narary Izy, sady nandrôka demonia maro, de tsy navelany hizaka ny devoly satria nahafantatra an'Azy iary zareo. 35 Nifoha mandraigna be Izy, ndre de mbola mizigna ny andro; de nenga teo Izy de tamin'ny tany mangingina sady mitokana hivavaka. 36 Niaragna Anazy i Simôna mbàn'ny olona niaraka tamin'Anazy io. 37 Ndreka hitan'iary zareo amin'izay Izy de nizaka tamin'Azy iary zareo hoe:"Miaragna Anao aby ny olona." 38 De nizaka Izy hoe:"Andao andeha ambadika agny antsena, ambelagny tanàna mihitsy amin'izay Izaho afaka mitory teny tsara sady efa izany koa ny antony nivoahako taty." 39 De niteteziny aby eragny Galilia sady nitory tampengonana iary zareo de nandrôka devoly maro. 40 Nisy boka raika nagnatogna Anazy teo. De nitalaho tamin'Azy sady nandohalika de nizaka tamin'Azy hoe: "Raha mety aminao de mba sitragno aho." 41 Ka ndreka nalahelo anazy igny Jesôsy de nametraka tagnana tamin'azy, de nizaka hoe:"Mety. Misitragna anao." 42 Niaraka tamin'igny de afaka tamin'azy ny habokanany sady sitragny izy. 43 Nampitandremin'i Jesôsy mafy izy de nandefa anazy. 44 De nizaka Izy tamin'azy hoe: "Aza mizàka ino amin'ino mihitsy na amin'iza na iza, fa mandiana, de atoroy an'ny mpisorona ny tegnanao, de magnamboara rakitra de vokatry ny fagnafahana anao de araka ny bekon'i Mosesy, koa mba ijoroana vavolombelona amin'iary zareo." 45 De nandeha izy ka de nizakainy tamin'olona aby raha igny sady naparitakany ka de nahatonga an'i Jesôsy tsy afaka niditra nalalaka tamin'ny tanàna io aby koa. Izany ny nahatonga an'Azy nipetraka tambelagny tamin'ny toerana hafa ka de nagnatogna an'Azyaby ny olona tamin'ny toerana marobe.