Marka Toko faha 2

1 Nierigna tao kapernaomy Izy afaka kelikely de regny fa tandragno tao Izy. 2 Maro tegnany ny olona nitangorogna de lasa tsisy ipetrahana koa ndre tambarangaragna, de aveo Jesosy nizaka raha tamin'ny ary zareo. 3 De nisy lilahy maromaro nagnatogna Anazy sady nitondra lilahy sembagna raika nitabain'ny ary zalahy efa-dahy. 4 ka ndreka tsy afaka nagnakeky Anazy iary zareo tratrin'ny amarozan'olona de nalain'ny ary zareo ny tafotragno tambonin'i Jesôsy teo, de aveo nazoson'ny iary zareo ny fandrena nandren'ny ralilahy sembagna igny. 5 Ka ndreka nahita ny finoan'iary zareo, de nizaka Jesôsy tamin'ny lilahy sembagna igny hoe:"Zanako, efa navela ny helokanao". 6 De nisy sasany tamin'ny iary zareo mpanora-dalàna nipetraka teo sady nimenimenigna tagneritreritra tagny hoe: 7 "Magnino mahatonga an'ny lilahy io mizaka raha karan'izany? Mizaka raha ratsy ! ka tsy Andriamanitra raika mi ma afaka mamela heloka va?" 8 Fa tonga de fantany Jesosy ny raha tagnatin'ny lohan'ny ary zareo . De nizaka Izy tamin'iary zareo: "Nagnino anareo na mieritreritra raha karan'izany agnatin'ny fonareo? 9 ino arika ny moramora, ny mizaka amin'ny lilahy sembagna io hoe : efa navela ny helokanao sa hoe: Mitsangana de bokay fandrenanao de mandihana." 10 Mba halalanareo ny fanagnan'ny zanak'Olona fahefana hamela heloka ambonin'ny tany eto de izao ny raha nizakaina tamin'ny lilahy sembagna igny hoe: 11 "zao zakaiko aminao, mitsangàna, bokay fandrenanao de mandihana andragnonao agny. 12 Tonga de nitsangana izy nibata ny fandrenany tamason'olona maro be teo, de gaga aby ary zareo sady nagnome voninahitra an'Andriamanitra de nizaka hoe: "tsy mbola nahita raha karan'ity ahay." 13 Aveo de nivôka tamoron-dranomasina ndreka Izy sady nagnatogna Anazy ny fokonolona de nampenariny. 14 De ndreka nandalo Izy de nahita an'i Levy zanak'i Alfeo nipetraka tamina pilasy fangorogna hetra de nizakain'ny hoe: "Mitsangana de magnaraha anah" de nitsangana izy nagnaraka Anazy. 15 nihinan-kanina tandragnon'i Levy Jesôsy mban'ny mpangorogna hetra de olona mpanota maromaro miaraka amin'ny mpianatrany, sady maro iary zareo tao nagnaraka Anazy. 16 De iary zareo mpanora-dalàna Fariseo, de ndreka nahita an'i Jesôsy niaraka nihinagna tamin'ny olona mpanota mban'ny mpangorogna hetra, de nagnotany mpianatrany hoe: "ka nagnino Izy na miaraka mihinagna amina mpangorogna hetra." 17 de ndreka naregny an'izany Jesôsy de nizaka Izy tamin'iary zareo: "Tsy ny salama no mila mpitsabo; fa zeny marary mi miaragna an'izany. Sady tsy avy agnantso ny olona marina Aho, fa ny olona mpanota." 18 De nifady hanina iary zareo mpianatran'ny Jaona mban'ny iary zareo Fariseo. Nisy lilahy maromaro nagnatogna Anazy de nagnotany hoe:"Nagnino ny mpianatran'ny Jaona mban'ny mpianatran'iary Fariseo ra mifady hanina nefa mpianatranao tsy mifady?" 19 De nizaka Jesôsy hoe: "Afaka mifady hanina ma zany ny mpagnatrika ny fampekarana na mbola eo ny mpampiakatra? Fa ndreka miaraka amin'ny ary zareo eo ny mpampiakatra, de tsy afaka mifady hanina ary zareo io". 20 ho avy mi ny andro hangalana ny mpampiakatra amin'ny iary zareo io, de amin'izay andro zay iary zareo, de hifady hanina. 21 Sady tsisy manampina lamba tonta amin'ny lamba vaovao, fa na tsy zany de lasa menga amin'azy tapa-damba igny, ny vaovao menga amin'ny taloha, de vômaika ratsy ndreka faharotàna. 22 Sady tsisy olona magnilagna divaigna vaovao agnatina siny hoditra tonta, fa raha tsy zany de manjary maratran'ny divaigna ny hoditra de samby ho very ny divaigna mban'ny siny hoditra. Nefa koza, divaigna vaovao agnatina siny hoditra vaovao. 23 tamin'ny andro sabata Jesôsy de mba nandeha tamina hosy maromaro, de sady nanomboka nambely vary ny mpianatrany. 24 De nizaka iary Fariseo tamin'Azy: "Jahano, nagnino iary zareo magnano raha tsy mifagnaraka amin'ny lalànan'ny andro sabata?" 25 de nizaka Izy tamin'ny ary zareo hoe:" ka mbola tsy nivakinareo ma ny raha namboarin'i Davida ndreka tagnatin'ny tsy fahampiana sy ny harefognana Izy mban'ny lilahy niaraka tamin'Azy 26 de nagnano akory ny fomba nidirany tandragnon'Andriamanitra tamin'ny andron'ny Abiatara Mpisoronabe, ka nihinagna ny mofon'ny fagnatrehana zegny tsy ara-dalàna na ho an-jovy na zovy ny mihinagna an'izany fa de ny mpisorona raika mi, sady mbola nagnomezany maromaro zegny niaraka taminazy aza ndre?" 27 Jesôsy nizaka hoe: "Ny Sabata de natokana ho an'ny zanak'olombelona, fa tsy ny zanak'olombelona natokana ho an'ny Sabata". 28 De raha izany izy de ny zanak'Olona no Tompo, ndre amin'ny andro Sabata."