Toko 1

1 Pôly, apostolin'i Kristy Jesôsy araka ny sitrapo'Andriamanitra, ho an'ireo Olo-Masin'Andriamanitra any Efesôsy, zay atokisana ao amin'i Kristy Jesôsy. 2 [Fagnamarihana: Misy fandikana sanagny mangala ny hoe: " Ao Efesôsy" saingy mety ao amin'ny taratasin'i Pôly tamin'ny vôlohany izany.] Ho aminareo ny fahasoavana amban'ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Iabatsena de Jesôsy Kristy Tompo. 3 Deraina ny Andriamanitra de Iaban'i Jesôsy Kristy Tompontsena, zay nitahy antsena tamin'ny Kristy tamin'ny fitahiam-panahy marobe avy agny an-danitra ao amin'ny Kristy. 4 Andriamanitra nifidy antsena tamin'azy hatramin'ny fanombohan'izao tontolo zao, mba ho masina sady tsy manan-tsigny agnatrehany antsena. 5 Andriamanitra de nifidy antsena mialoha ho amin'ny fananganana ho zanaka amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, araka ny sitrapony. 6 Ny fananganana antsena de mitondra amin'ny fiderana ny fahasoavany be voninahitra zay nameny antsena maimaipôgna tamin' Iraika zay teny. 7 Amin'ny Jesôsy Kristy de mahazo fagnavotana amy rany amban'ny famelan-keloka antsena, araka ny harem-pahasoavany. 8 Narotsagny tamintsena tamin'ny hakantena amban'ny fahalalana marobe ny fahasoavana zany. 9 Natôn'Andriamanitra fantatra tamintsena ny raha mivon'ny sitrapony, araka zay teny, amban'ny zay natorony tamin'i Kristy, 10 niaraka tamin'ny fandaharana raika amin'ny fahafenoan'ny fotôna, hagnotrohana ny raha marobe, ety an-tany amban'ny agny an-danitra, ho loha raika, na Kristy aza. 11 Ao amin'ny Kristy de tendrena ho mpandova antsena. Nosafidiana mialoha araka ny fandaharan'ny mampiasa ny raha marobe araka ny tanjon'ny sitrapony antsena. 12 Andriamanitra nanendry antsena ho mpandova mbara antsena no managna fatokisana vôlohany ao amin'ny Kristy, amin'zay de ho fiderana ny voninahiny antsena. 13 Tamin'ny Kristy, anareo koa, ndreka naregny ny zakan'ny fahamarinana, de ny filazatsaran'ny famonjena anareo, de nino Anazy anareo sady ny tombohana tamin'ny Fanahy Masina nampagnategnaina, 14 zay antoka ho an'ny lovantsena mandra-pazahôntsena tanteraka zany, ho fiderana ny voninahitrany 15 Noho ny antony zany, hatramin'ny nandrignesako ny finônareo ny Tompo Jesôsy de ny fitiavanareo ny olo-masina marobe, 16 de tsy negnina ny nisôtra an'Andriamanitra aho noho ny aminareo sady tadidiko ambavaka anareo. 17 Mivavaka zaho mba ny Andriamanitr'i Jesôsy Kristy Tompontsena, ny Iabany voninahitra, hagnome anareo ny fanahin'ny fakantena amban'ny fanambarana amin'ny fahalalana Anazy. 18 Mivavaka aho mba hazavana ny mason'ny fonareo, mba hafantaranareo ny toky zay nagnatsovany anareo amban'ny herin'ny voninahotry ny lovany amin'ny olo-masin'Andriamanitra. 19 Ao amin'ny fivavahako de mangataka aho mba ho fantatrareo ny fihoafan'ny haleben'ny herin'ny amintsena zay mino, araka ny fiasan'ny hery lebe. 20 Ny hery zany my no nampiasain'Andriamanitra tamin'ny Kristy ndreka natsangany tamin'ny maty Izy sady nampitomerany tan-tagnany ankavanana tagny an-danitra. 21 Kristy de nampitomeriny ho ambon'ny lalàna de fahefana amban'ny hery de ny fitsarana, sady ny agnarana marobe zay misy. Hanapaka Kristy, tsy ho amin'ny vanim-potôna ho avy koa. 22 Napetrak'Andriamanitra ho amban-tongotr'i Kristy aby ny raha marobe sady natolotrany ho lohan'ny raha marobe amin'ny fiangonana Izy. 23 Ny fiangonana no vatagnany, ny fahafenoan'Ilay mameno ny raha marobe amin'ny endrikany marobe.