Toko faha 2

1 Ka ny mikasika anareo, de maty tagnatiny fahadisoana sy ny fahotana anareo. 2 Tamin'iregny fahadisoana iregny no niaignanareo taloha ôtrany fataon'zao tontolo zao. Niaigna kara ny mpanjaka ny fahefana egny amin'ny rivotra anareo, i fanahy igny de miasa amin'iregny zay zanaky ny tsy fagneken-dalàna zany. 3 Niaigna ôtran'iregny olona iregny atsena taloha, nagnatanteraka iregny filan-dratsy ny vatagnantsena, sady nagnatanteraka ny fagnirian'ny vatagna sy ny saigna. Efa nohariana ho zanaky ny fahavignirana, kara ny zanak'olombelona sisa atsena. 4 Kanefa manan-karena famindram-po Andriamanitra nony igny fitiavana leibe zay nitiavany antsena. 5 Tamintsena mbola maty tag natin'ny fahadisoana, de novelominy niaraka tamin'i Kristy ka ny fahasoavana no namonjena anareo. 6 Niaraka natsangan'Andriamanitra atsena, de niaraka napetrakany ao an-dagnitra amin'i Kirsty Jesôsy, 7 mba afahany mampiseho antsena amin'ny fotôna ho avy amin'ny haleiben'ny haren'ny fahasoavany zay tsy vôfetra asehony amin'ny hatsaram-pagnainy amintsena amin'ny Kristy Jesôsy. 8 Ka tamin'ny fahasoavana no namonjena anareo tamin'ny alalan'ny finoana, de tsy avy aminareo zany, fa fanomezan'Andriamanitra. 9 Tsy avy amin'ny asa ny fahasoavana zany mba tsy hisy hirearea. 10 Fa asan'Andriamanitra atsena, niforonina tao amin'i Kristy Jesôsy mba hagnano asa zay fandaharan'Andriamanitra antsena efa ela be, mba handeanantsena amin'iregny. 11 Nony zany de tadidio fa Jentilisa ara-batagna anareo taloha. Anareo de natsovana hoe "tsy vôfora" tamin'iregny "vôfora" amin'ny vatagna nataon'ny tagnan'olombelona. 12 Satria mbola tafala tamin'i Kristy anareo tamin'zany fotôna zany. Mpiavy anareo tamin'ny olon'ny Israely. sady vahiny tamin'ny fampagnantenana anareo. Tsy mbola nanagna fagnantenana ny ho avy anareo. Nisaraka tamin'Andriamanitra anareo teto amin'zao tontolo zao. 13 Fa amin'zao de ao amin'i Kristy Jesôsy anareo zay lavitra an'Andriamanitra taloha de nampagnakekezina tamin'ny ràn'i Kristy. 14 Satria Izy no fihavanantsena. Izy no nampatonga ny roy ho raika. Tamin'ny vatagny no nandravany ny rindrignan'ny fanoherana zay nampisarasaraka antsena. 15 Zany hoe, nifoagnany ny lalàn'ny didy sy ny fitsipika mba hagnamboarany olom-baovao raika ao amin'Azy, sady mba hagnamboarana fampihavanana. 16 Fa Kristy de mampihavana ny olona roy tonta ho vatagna raika amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny hazofijaliana, ka mamono ny fanoherana. 17 Ka avy Jesôsy de nitory fihavanana ho anareo zay alavitra sady fihavanana my koa an'iregny zay akeky. 18 Fa amin'ny alalan'i Jesôsy no hanagnantsena roy tonta fifandraisana amin'ny Fanahy raika mandea agny amin'ny Ray. 19 Nony zany, tsy vahiny na mpiavy koa anareo Jentilisa zao. Fa vômaika aza mpiraika firenenana miaraka amin'iregny zay olo-masinan'Andriamanitra anareo sady agnisan'ny zanak'Andriamanitra. 20 Efa namboarina teo amin'ny fototra fagnorenan'ny apôstôly sy ny mpaminany anareo, sady Kristy Jesôsy mihintsy no vato fototra. 21 Ao amin'Azy no hikambanan'ny fagnorenana marobe sady hitomboany kara ny fiangonana ao amin'ny Tompo. 22 Ao amin'Azy my koa no hananganana anareo fitomerana miaraka ho an'Andriamanitra ao amin'ny Fanahy.