Toko faha 16

1 Ankiniko aminareo i Foiby anabavintsika, izay mpanompon'ny fiangonana any Kenkrea, 2 mba handraisanareo azy ao amin'ny Tompo. Ataovy izany amin'ny fomba mendrika ireo mpino, ary manatreha azy amin'izay olana mety hilainy ny fanampianareo. Fa izy tenany ihany koa dia lasa mpanampy ny maro, ary ny tenako ihany koa. 3 Manaova veloma an'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy, 4 izay nahafoy ny ain'izy ireo ho an'ny aiko. Misaotra azy ireo aho, ary tsy izaho ihany, fa ireo fiangonana rehetran'ny Jentilisa ihany koa. 5 Manaova veloma ny fiangonana izay ao amin'ny tranon'izy ireo. Manaova veloma any amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy. 6 Manaova veloma an'i Maria, izay niasa mafy ho anareo. 7 Manaova veloma an'i Androniko sy Jonia, havako akaiky, ary niara-nigadra tamiko. Malaza eo anivon'ireo apostoly izy ireo, izay tao amin'i Kristy talohako ihany koa. 8 Manaova veloma an'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo. 9 Manaova veloma an'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin'i Kristy, sy Staky, malalako. 10 Arahabao Apela, ilay ankasitrahana ao amin'i Kristy. Arahabao ireo izay ao amin'ny tokantranon'i Aristobolo. 11 Manaova veloma an'i Herodiona, havako. Manaova veloma an'ireo izay ao amin'ny tokantranon'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo. 12 Manaova veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, izay miasa mafy ao amin'ny Tompo. Arahabao Perysa malala, izay niasa mafy tao amin'ny Tompo. 13 Manaova veloma an'i Rofosy, izay voafidy tao amin'ny Tompo, ary ny reniny sy ny reniko. 14 Manaova veloma an'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, ary ireo rahalahy izay miaraka amin'izy ireo. 15 Manaova veloma an'i Filologia sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olimpa, ary ireo mpino rehetra miaraka amin'izy ireo. 16 Mifanaova veloma amin'ny fifanorohana masina. Ireo fiangonan'i Kristy rehetra dia manao veloma anareo. 17 Ankehitriny mamporisika anareo aho, ry rahalahy, mba hihevitra ny momba ireo izay mahatonga ny fizarazarana sy ny fanafintohinana. Izy ireo dia mihoatra lavitry ny fampianarana izay noraisinareo. Mialà lavitra azy ireo. 18 Fa tsy manompon'i Kristy Tompontsika ny olona toy ireny, fa ny kibony manokana ihany. Amin'ny teny malefaka sy mandoka no amitahan'izy ireo ny fon'ny tsy manan-tsiny. 19 Fa ny ohatrareo amin'ny fankatoavana dia tafita any amin'ny tsirairay. Noho izany, mifaly aho, ny aminareo, fa tiako mba ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hanan-tsiny amin'izay ratsy. 20 Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana eo ambanin'ny tongotrareo afaka fotoana fohy. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Tompontsika Jesosy Kristy. 21 Timoty, mpiara-miasa amiko, dia manao veloma anareo, sy Losio, Jasona ary Sosipatro, havako. 22 Izaho, Tertio, izay nanoratra ity epistily ity, dia manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. 23 Gaio, ilay mpampiantrano ahy sy ny fiangonana manontolo, dia manao veloma anareo anareo. Erasto, mpitam-bola ao amin'ny tanàna, dia manao veloma anareo, miaraka amin'i Koarto ilay rahalahy. 24 [Fanamarihana: Ny fandikana taloha tsara indrindra dia manala ity andininy ity. (Jereo ny Romana 16:20). and 24: "Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Amena."] 25 Ary ny voninahitra dia ho Azy izay mahavita mampijoro anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araky ny fanambarana ny misitery izay notazonina ho tsiambaratelo ela be tany aloha tany, 26 kanefa nambara ankehitriny, ary tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminaniana no nampahafantarina tamin'ny firenena rehetra, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ho fankatoavana ny finoana. 27 Ho an'ilay Andriamanitra tokan'ny fahendrena, anie ny voninahitra mandrakizay, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. Amena.