1
Ary isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen'ny malemy, ary tsy tokony hanao izay mahafinaritra ny tenantsika.
2
Aoka ny tsirairay avy amintsika hanao izay mahafaly ny mpiara-belona aminy fa izany no tsara, mba hanandratana azy.
3
Fa na Kristy aza tsy nanao izay nahafinaritra ny tenany. Fa kosa, izany dia araka ny efa voasoratra hoe: ''Ny faniratsiran'ireo izay maniratsira anao dia nianjera tamiko.''
4
Fa na inona na inona voasoratra teo aloha dia voasoratra ho fampianarana antsika, mba amin'ny alalan'ny faharetana sy amin'ny alalan'ny fampaherezan'ny Soratra Masina no hananantsika toky.
5
Ary ny Andiamanitry ny faharetana sy fampaherezana anie hanome fisainana mitovy ho an'ny tsirairay avy araka an'i Kristy Jesosy.
6
Izy anie anao izany mba ho amin'ny fisainana iray sy amin'ny vava iray ihany no hideranareo an'Andriamanitra sy Rain'i Tompontsika Jesosy Kristy.
7
Noho izany mifandraisa, tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo ihany koa aza, ho fiderana an'Andriamanitra.
8
Fa lazaiko fa Kristy dia efa tonga mpanompon'ny voafora ho an'ny fahamarinan'Andriamanitra, mba hahafahana manamarina ireo fampanantenana izay nomena ireo ray,
9
ary ho an'ireo Jentilisa mba hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra nohon'ny famindram-pony. Izany dia araka ny efa voasoratra hoe: ''Noho izany dia hanome fiderana Anao eo amin'ireo Jentilisa Aho ary hihira fiderana ny anaranao.''
10
Mbola voalaza hatrany hoe: ''Miravoravoa, miaraka amin'ny vahoakany, ry Jentilisa.''
11
Ary koa hoe: ''Derao ny Tompo, ry Jentilisa rehetra; avelao ny olona rehetra hidera Azy.''
12
Hoy indray, Isaia hoe: ''Hisy fakan'ny Jese, ary ilay iray izay hitsangana hanapaka eo amin'ny Jentilisa. Hanana fahatokiana aminy ireo Jentilisa.''
13
Ary ny Andriamanitry ny fahatokisana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy fiadanana rehetra amin'ny finoana, mba ho feno fahatokisana ianareo, avy amin'ny herin'ny Fanahy Masina.
14
Ny tenako izao ihany koa dia resy lahatra ny momba anareo, ry rahalahy. Resy lahatra aho fa ianareo ihany koa dia feno fahatsarana, feno ny fahalalana rehetra. Resy lahatra aho fa ianareo ihany koa dia afaka mifananatra.
15
Fa manoratra am-pahasahiana aminareo aho momba ireo zavatra sasany mba hampatsiahivana anareo indray, nohon'ny fanomezam-pahasoavana izay nomen'Andriamanitra ahy.
16
Izany fanomezam-pahasoavana izany dia ny tokony mba hanompoako an'i Kristy Jesosy nalefa tany Jentilisa, mba hanolotra tahaka ny sorona ny filazantsaran'Andriamanitra. Tokony hataoko izany mba ho azo ekena ny fanatitr' ireo Jentilisa, voatokan'ny Fanahy Masina.
17
Noho izany ny hafaliako dia ao amin'i Kristy Jesosy sy ireo zavatr'Andriamanitra.
18
Fa tsy ho sahy hiresaka na inona na inona afa-tsy ireo zavatra vitan'i Kristy tamin'ny alalako ho an'ny fankatoavan'ireo Jentilisa aho. Ireo zavatra ireo dia vita tamin'ny teny sy asa,
19
tamin'ny herin'ireo famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Izany dia mba avy any Jerosalema, sy lavidavitra tahaka an'Ilyrikioma, no hahafahako manataneraka ny filazantsaran'i Kristy.
20
Amin'izany, ny faniriako dia ny hitory ny filazantsara, fa tsy any amin'izay ahafantarana an'i Kristy amin'ny anarana, mba tsy hanorenako eo amin'izay efa nanorenan'ny hafa.
21
Izany dia araka ny voasoratra hoe: ''Tamin'ireo izay tsy nilazana Azy no hahita Azy, ary ireo izay tsy nandre no hahazo.''
22
Noho izany ihany koa dia voasakana matetika tsy ho any aminareo aho.
23
Fa ankehitriny, tsy manana toerana amin'ireo faritra ireo intsony Aho, ary taona maro no efa naniriako mafy ho any aminareo.
24
Noho izany na oviana na oviana andehanako any Espana, dia manantena aho ny hahita anareo rehefa mandalo, ary haterinareo any amin'ny alehako, rehefa avy mankafy ny fiarahanareo vetivety Aho.
25
Fa ankehitriny ho any Jerosalema Aho hanompo ireo mpino.
26
Fa fifalian'i Makedonia sy Akaia ny hanao fandraisan'anjara ho an'ireo mahantra isan'ireo mpino izay any Jerosalema.
27
Eny, fifaliana ho azy ireo izany, ary, mpitrosa aminy tokoa izy ireo. Fa raha ny Jentilisa no nizara tamin'ny zavatra masin'izy ireo, dia tokony hanompo azy ireo ihany koa izy ireo amin'ireo zavatra ara-materialy.
28
Noho izany, rehefa notanterahako izao asa izao ary nanamafy fa voarain'izy ireo ny vokatra izay nangonina, dia ho any Espaina aho ary hitsidika anareo amin'ny lalako.
29
Fantatro fa rehefa mankany aminareo aho dia hiditra amin'ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.
30
Ankehitriny mamporisika anareo aho, ry rahalahy, amin'ny Jesosy Kristy Tompontsika, sy amin'ny fitiavan'ny Fanahy, mba hiaraka hiady amiko ianareo amin'ny vavaka ataonareo amin'Andriamanitra ho ahy.
31
Mivavaha mba ho avotra amin'ireo izay tsy mankatoa any Jodia aho, ary mba ho eken'ireo mpino ny fanompoako ho an'i Jerosalema.
32
Mivavaha mba hiaviako aminareo amin-kafaliana amin'ny sitrapon'Andriamanitra, ary mba hahafahako, mahita fitsaharana, miaraka aminareo.
33
Andriamanitry ny fiadanana anie homba anareo rehetra. Amena.