Toko faha 3

1 Dia nandeha tao amin'ny synagoga indray Jesosy ary nisy lehilahy maty tanana tao. 2 Nijery akaiky Azy ny olona sasantsasany mba hahita raha hanasitrana azy amin'ny Sabata Izy mba afahan'izy ireo manameloka Azy . 3 Hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tànana hoe: "Mitsangàna ary mijoroa eto afovoan'ny olon-drehetra eto." 4 Dia niteny tamin'ny olona Izy hoe: "Ara-dalàna va ny manao soa amin'ny andro Sabata sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina, sa ny mahafaty?" Nefa izy ireo tsy nahaloa-teny. 5 Nijery azy ireo tamim-pahatezerana Jesosy, ary nalahelo Izy nohon'ny hamafin'ny fon'izy ireo, dia niteny tamin'ilay lehilahy Izy hoe: "Ahinjiro ny tananao." Dia natsotran'ilay lehilahy ny tanany ka sitrana. 6 Nivoaka ireo fariseo ary nikonokonona faingana niaraka tamin'ny Herodiana hitady izay fomba hamonoana Azy. 7 Avy eo Jesosy, niaraka tamin'ireo mpianany, nankeny an-dranomasina, ary nisy vahoaka maro nanaraka avy any Galilia sy avy any Jodia 8 ary avy any Jerosalema sy avy any Edoma ary hatrany amin'ny onin'i Jordana sy manodidina ny Tyra sy Sidona. Rehefa nahare momba ireo zavatra nataony izy ireo, dia nisy vahoaka maro nankeo aminy. 9 Dia nampitady sambokely ny mpianany Jesosy ho Azy nohon'ny habetsaky ny olona teo, mba tsy hifanosehan'ny olona Izy. 10 Noho Izy nanasitrana olona maro, dia nifandrombaka nanatona Azy ny olon-drehetra izay nanana aretina mba hikasika Azy. 11 Isaky ny nahita Azy ireo fanahy maloto, dia niankohoka teo anoloany ary nihiaka, ary hoy izy ireo hoe: "Ianao no Zanak'Andriamanitra." 12 Noteneniny mafy ireo mba tsy hampahafantatra Azy. 13 Niakatra teny an-tendrombohitra Izy, ary niantso ireo izay tiany, dia nankeo aminy ireo. 14 Nanendry ireo roa ambinifolo Izy (izay nantsoiny hoe Apostoly), mba hafahan'izy ireo miaraka aminy sy hafahany mandefa azy ireo mitory ny hafatra, 15 ary hanana fahefana handroaka demonia. 16 Avy eo dia nanendry ireo roa ambinifolo Izy: Simona, izay nomeny anarana hoe Petera; 17 Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay nomeny ny anarana hoe Boanarijesy, izay midika hoe, zana-baratra; 18 ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio,Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, 19 ary Jodasy Iskariota, izay hamadika Azy. 20 Dia nody tany an-trano Izy, ary niara-tonga indray ny vahoaka, hany ka tsy afaka nisakafo akory izy ireo. 21 Rehefa nandre ny momba izany ny fianakaviany, dia nivoaka izy ireo haka Azy, satria nolazain'izy ireo hoe: "Very saina Izy." 22 Ary ireo mpanora-dalàna izay nidina avy any Jerosalema dia nilaza fa: "Itoeran'i Belzeboba Izy", ka, "Amin’ny alalan’ny mpanapaky ny demonia no androahany ny demonia." 23 Dia nantsoin'i Jesosy hankeo aminy ireo ka niteny azy ireo tamin'ny alalan'ny fanoharana hoe: "Ahoana no hahafahan'i Satana mandroaka an'i Satana? 24 Raha misy fanjakana miady an-trano, dia ho rava izany. 25 Ary raha misy tokan-trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany tokan-trano izany. 26 Raha nitsangana nanohitra ny tenany Satana ary nisaraka, dia tsy haharitra, ka hifarana. 27 Fa tsy misy afaka miditra ao amin'ny tranona lehilahy mahery iray ary mandroba ny fananany raha tsy mamatotra ilay mahery aloha, ary handroba ny tranony izy avy eo. 28 Lazaiko marina aminareo, ho voavela avokoa ny heloky ny zanak'olombelona, na dia ireo teny ratsy rehetra izay avoakan'ny vavany aza, 29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy ho voavela heloka mandrakizay, fa meloka nohon'ny ota mandrakizay." 30 Nanambara izany Jesosy nohon'ny filazan'izy ireo hoe: "Manana fanahy maloto Izy." 31 Avy eo dia tonga ny reniny sy ireo rahalahiny ary nijoro teny ivelany. Nandefa olona nampahafantatra Azy izy ireo, ka nampiantso Azy. 32 Nipetraka manodidina Azy ny vahoaka ary hoy izy ireo taminy hoe: "Ny reninao sy ireo rahalahinao dia ao ivelany ao, ary mitady anao izy ireo." 33 Ary Izy namaly hoe: "Iza no reniko sy rahalahiko?" 34 Ary nijery nanodidina tamin'ny olona nipetraka manodidina Azy Izy ary hoy Izy hoe: "Jereo, ireto ny reniko sy ny rahalahiko! 35 Fa na iza na iza manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izany olona izany no rahalahiko, sy anabaviko, ary reniko."