Toko faha 2

1 Rehefa niverina tao Kapernaomy Izy afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy. 2 Maro tokoa ny olona nitangorona teo hany ka tsy nisy toerana intsony, na dia ny teo am-baravarana aza, ary nanambara ny teny tamin'izy ireo Jesosy. 3 Dia nisy lehilahy maromaro nanatona Azy izay nitondra lehilahy malemy iray; izay nolanjain'olona efa-dahy . 4 Rehefa tsy afaka nanatona Azy akaiky izy ireo nohon'ny habetsaky ny vahoaka, dia nesorin’izy ireo ny tafon-trano izay teo ambonin'i Jesosy, ary rehefa voasokatr'izy ireo, dia nampidinin'izy ireo ny fandriana izay nandrian'ilay lehilahy malemy. 5 Nony nahita ny finoan'izy ireo, dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy malemy hoe: "Anaka, voavela ny helokao." 6 Ary nisy sasany tamin'ireo mpanora-dalàna nipetraka teo, ka nimonomonona tao am-pon'izy ireo hoe: 7 "Ahoana no ahafahan'io lehilahy io miteny tahaka izany? Miteny ratsy Izy! Fa tsy Andriamanitra irery ihany va no afaka mamela heloka?" 8 Fa Jesosy nahafantatra avy hatrany tao amin'ny fanahiny ny zavatra noeritreretin'izy ireo. Ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? 9 Inona no moramora kokoa ny miteny amin'ilay lehilahy malemy hoe: 'Voavela ny helokao' sa ny hoe: 'Mitsangàna, batao ny fandrianao, dia mandehana'? 10 Fa mba hahafantaranareo fa manana fahefana hamela heloka ety an-tany ny Zanak'Olona," hoy Izy tamin'ilay malemy hoe: 11 "Lazaiko aminao, mitsangàna, batao ny fandrianao, dia mandehana any an-tranonao". 12 Dia nitsangana izy ka nibata ny fandriany avy hatrany, ary nivoaka an'ilay trano manoloana ny rehetra, ka dia talanjona izy rehetra ka nanome voninahitra an'Andriamanitra, ary hoy izy ireo hoe: "Tsy mbola nahita zavatra tahaka ity izahay." 13 Avy eo nivoaka teo amoron-dranomasina indray Izy, ary nanatona azy avokoa ny vahoaka, ka nampianariny izy ireo. 14 Ary rehefa nandalo Izy, dia nahita an'i Levi zanak'i Alfeo nipetraka teo amin'ny toerana fanangonana hetra ka hoy Izy taminy hoe: "Manaraha Ahy." Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. 15 Nisakafo tao an-tranon'i Levy Jesosy ary mpamory hetra sy olona mpanota maro no niara-nihinana taminy sy ireo mpianany, fa maro izy ireo no tao ary nanaraka Azy. 16 Ary ireo mpanora-dalàna, izay Fariseo, rehefa nahita an'i Jesosy niara-nisakafo tamin'ireo olona mpanota sy ireo mpamory hetra, dia nanontany ny mpianany hoe: "Nahoana Izy no miara-misakafo amin'ny mpamory hetra sy olona mpanota?" 17 Rehefa nandre izany Jesosy dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Tsy ny salama no mila mpitsabo; fa izay marary irery ihany no mila izany. Tsy tonga hiantso ny olo-marina Aho, fa ny olona mpanota." 18 Ary nifady hanina ireo mpianatr'i Jaona sy ireo Fariseo. Lehilahy maromaro no nanatona Azy ka niteny taminy hoe: "Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatr'ireo Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?" 19 Dia hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Afaka mifady hanina va ny mpanatrika ny fampakarana raha mbola eo ny mpampakatra? Raha mbola miaraka amin’izy ireo eo ny mpampakatra, dia tsy afaka mifady hanina izy ireo. 20 Ho avy ny andro hanalana ny mpampakatra eo amin'izy ireo, dia amin'izay andro izay, no hifady hanina izy ireo. 21 Tsy misy manampina lamba tonta amin'ny lamba vaovao, raha tsy izany dia hiala aminy ilay tapa-damba, ny vaovao hiala amin'ny taloha, ary vao maika ho ratsy ny faharovitana. 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta, raha tsy izany dia ho rovitry ny divay ny hoditra ka samy ho very ny divay sy ny siny hoditra. Fa kosa, divay vaovao atao ao anaty siny hoditra vaovao." 23 Tamin'ny andro sabata Jesosy nandeha teny amin'ny tanimbary maromaro, ary nanomboka nioty salohimbary ny mpianany . 24 Dia hoy ireo Fariseo Taminy: "Jereo, nahoana izy ireo no manao zavatra tsy araky ny lalànan'ny andro Sabata?" 25 Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Mbola tsy novakianareo angaha izay nataon'i Davida rehefa tao anatin'ny tsy fahampiana sy hanoanana izy_ sy ireo lehilahy niaraka taminy_ 26 ahoana ny fomba nidirany tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron' i Abiatara mpisoronabe, ka nihinana ny mofon'ny fanatrehana, izay tsy ara-dalàna ho an'iza na iza ny mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany, ary mbola nanomezany maromaro ireo izay niaraka taminy aza?" 27 Jesosy niteny hoe: "Ny Sabata dia natao ho an'ny zanak'olombelona, fa tsy ny zanak'olombelona no ho an'ny Sabata. 28 Noho izany, ny Zanak'Olona no Tompo, na dia amin'ny Sabata aza."