Toko faha 13

1 Ary raha niala tao an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia niteny taminy ny iray tamin'ireo mpianany hoe: "Mpampianatra ô, jereo ny hatsaran'ny vato sy ny hatsaran'ny rafitra!" 2 Hoy izy taminy hoe: "Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato iray hifanongoa eo ka tsy ho ravana." 3 Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitr'Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe: 4 "Lazao aminay, rahoviana no hitranga izany zavatra rehetra izany? Inona no famantarana rehefa hitranga ireo zavatra ireo?" 5 Ary Jesosy nanomboka niteny tamin'izy ireo hoe: "Mitandrema mba tsy hisy olona hampivily lalana anareo. 6 Fa maro no ho avy amin'ny Anarako sy hilaza hoe: 'Izaho no izy,' ary maro no ho voafitany. 7 Rehefa mandre ady sy resabe momban'ny ady ianareo, dia aza manahy; tsy maintsy hitranga ireo, fa tsy mbola izay ny farany. 8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy horohoron-tany amin'ny toerana maro, sady hisy mosary. Izany no fiandohan'ny fahorian'ny fiterahana. 9 Mitandrema ianareo. Ho atolotr'izy ireo amin'ny Synedriona ianareo, ary ho kapohina ao amin'ny synagoga. Hitsangana manoloana ireo mpanapaka sy ireo mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona amin'izy ireo. 10 Fa ny Filazantsara dia tsy maintsy ho toriana any amin'ny firenena rehetra aloha. 11 Rehefa misambotra sy manolotra anareo izy ireo, dia aza manahy ny amin'izay tokony ho lazainareo. Fa amin'iny ora iny, dia homena anareo izay tokony ho teneninareo; tsy ianareo akory no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany. Ny zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahafaty azy ireo. 13 Ho halan'ny olon-drehetra ianareo nohon'ny Anarako. Fa na iza na iza maharitra hatramin'ny farany, dia ho voavonjy izany olona izany. 14 Fa raha hitanareo mitsangana eo amin'ny tsy tokony hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (aoka hisaina izay mamaky), dia aoka izay avy any Jodia rehetra handositra eny an-tendrombohitra, 15 izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina ao an-trano na hamoaka zavatra avy ao amin'izany, 16 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. 17 Lozan'ireo vehivavy bevohoka sy mampinono amin'izany andro izany! 18 Mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina no hitrangan'izany. 19 Fa hisy fahoriana be, izay tsy mbola nisy hatramin'ny voalohany, rehefa namorona izao tontolo izao Andriamanitra, ka mandrak'ankehitriny, tsia, ary mandrakizay tsy hisy intsony izany. 20 Ary raha tsy hoe nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy hisy nofo ho voavonjy. Fa nohon'ny olom-boafidy, izay nofinidiny, dia nafohezin'ny isan'izany andro izany. 21 Ary raha misy olona miteny aminao hoe: 'Jereo, aty Ilay Kristy!' na koa hoe: 'Jereo, ery Izy!' dia aza mino izany. 22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary haneho famantarana sy fahagagana, mba hamitahana, na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao. 23 Miambena! Efa voalazako taminareo mialoha ny fotoan'ireo zavatra rehetra ireo. 24 Kanefa aorian'ny fahorian'ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, ny volana tsy hanome ny hazavany, 25 ireo kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary ireo hery izay ao an-danitra ho hozongozonina. 26 Ka ho hitan'izy ireo ny Zanak'Olona avy eny amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy voninahitra. 27 Ary haniraka ny anjeliny Izy ka hanangona miaraka ireo olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra, avy any amin'ny faran'ny tany ka hatrany amin'ny faran'ny lanitra. 28 Makà lesona avy amin'ny hazon'aviavy. Raha vao manaroka sy mandravina ny rantsany, dia fantatrareo fa akaiky ny lohataona. 29 Toy izany koa, raha vao hitanareo mitranga izany zavatra rehetra izany, dia fantatrareo fa efa akaiky Izy, manakaiky ny vavahady. 30 Lazaiko aminareo, marina tokoa, ity taranaka ity dia tsy ho lany ritra mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany. 31 Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko kosa tsy mba ho levona mandrakizay. 32 Fa ny mahakasika izany andro na ora izany, dia tsy misy mahalala, na dia ireo anjely any an-danitra aza, na ny Zanaka, fa ny Ray ihany. 33 Mitandrema! Miambena, satria tsy fantatrareo ny ora. (Fanamarihana: Ireo fahefana taloha dia hoe: Mitandrema! Miambena ary mivavaha, satria ... ) 34 Izany dia tahaka ny lehilahy iray handeha lavitra_nandao ny tranony izy ka ireo mpanompony no nataony niandraikitra ny tranony, samy amin'ny raharahany avy, ary nandidy ny mpiambina Izy mba tsy hatory. 35 Koa miambena, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy ny tompon-trano; mety ho amin'ny hariva izany, na amin'ny sasak'alina, na maneno akoho, na maraina. 36 Fa raha avy tampoka izy, dia aza avela hahita anareo matory izy. 37 Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena!"