Toko faha 12

1 Nanomboka nampianatra azy ireo tamin'ny alalan'ny fanoharana Jesosy. Hoy Izy hoe: "Nisy lehilahy nanao tanim-boaloboka, nanisy fefy manodidina izany, ary nandavaka famiazana. Nanangana tilikambo izy ary avy eo nampanofa ilay tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka. Dia niala nandia lavitra izy avy eo. 2 Tamin'ny fotoana mety, dia naniraka mpanompo ho any amin'ilay mpamboly voaloboka izy mba haka amin'izy ireo ny sasany amin'ireo izay tokony ho anjarany amin'ny vokatr'ilay tanim-boaloboka. 3 Fa nosamborin'izy ireo izy, nokapohiny, ary noroahiny tsy hitondra na inona na inona. 4 Naniraka mpanompo hafa ho any amin'izy ireo indray izy, dia noratrain'izy ireo teo amin'ny lohany ary nalainy baraka. 5 Dia mbola nandefa hafa ihany izy, ary novonoin'izy ireo io iray io. Nataon'izy ireo tahaka izany ireo maro hafa, nokapohiny ny sasany ary novonoiny ireo hafa. 6 Mbola nanana olona iray hafa hirahina izy, dia zanaka malala. Izy no farany nalefany tany amin'izy ireo. Hoy izy hoe: " Mba hanaja ny zanako lahy izy ireo." 7 Nefa nifampiteny ireo mpamboly voaloboka hoe: "Inty ilay mpandova. Avia, andeha ho vonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova." 8 Nosamborin'izy ireo izy, dia novonoiny, ary natsipiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka. 9 Koa, inona ary no ho ataon'ilay tompon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy ka handringana ireo mpamboly voaloboka ary hanome ny tanim-boaloboka ho an'ny hafa. 10 Tsy novakianareo angaha izao Soratra Masina izao? 'Ny vato izay nolavin'ny mpanorin-trano, no natao vato fehizoro. 11 Avy tamin'ny Tompo izany, ary dia mahagaga eo imasontsika."' 12 Nitady ny hisamborana an'i Jesosy izy ireo, saingy natahotra ny vahoaka, satria fantatr'izy ireo fa hanoherana azy ireo no nitenenany izany fanoharana izany. Koa dia navelan'izy ireo Izy ary lasa nandeha izy ireo. 13 Dia naniraka ny Fariseo sy Herodiana sasany ho any Aminy mba hamandrika Azy amin'ny teny izy ireo. 14 Rehefa tonga izy ireo, dia hoy izy ireo taminy hoe: "Mpampianatra ô, fantatray fa tsy miraharaha ny hevitry ny olona Ianao, ary tsy maneho fiangarana eo amin'ny olona. Mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra Ianao. Ara-dalàna ve sa tsia ny mandoa hetra amin'i Kaisara? Tokony handoa hetra va izahay sa tsia?" 15 Fa fantatr'i Jesosy ny fiatsarambelatsihin'izy ireo ka niteny azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitsapa Ahy? Itondray denaria iray Aho mba hijereko izany." 16 Dia nitondran'izy ireo vola iray Jesosy. Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Endrik'iza ity sary sy soratra ity?" Hoy izy ireo hoe: "An'i Kaisara." 17 Hoy Jesosy hoe: "Omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary omeo an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra." Dia talanjona taminy izy ireo. 18 Avy eo ireo Sadoseo, izay milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, dia tonga teo aminy. Nanontany Azy izy ireo, nanao hoe: 19 "Mpampianatra ô, nanoratra izao ho anay Mosesy hoe: 'Raha maty ny rahalahin'ny lehilahy iray ary namela vady izy, nefa tsy mba nanan-janaka, dia tokony manambady ilay vadin-dralahiny ilay lehilahy, ka hanana taranaka ho an'ny rahalahiny.' 20 Nisy fito mirahalahy; nanambady ilay voalohany ary maty, tsy namela taranaka. 21 Avy eo naka azy ny faharoa dia maty, tsy namela taranaka, dia torak'izany koa ny fahatelo. 22 Tsy nisy namela taranaka izy fito. Ny farany indrindra, maty koa ilay ramatoa. 23 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, rehefa hitsangana indray izy ireo, dia ho vadin'iza izy? Satria samy nanambady azy daholo izy fito mirahalahy." 24 Ary hoy Jesosy hoe: "Tsy izany va no antony maha-diso hevitra anareo, satria tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra? 25 Satria rehefa mitsangana amin'ny maty izy ireo, dia tsy hanambady na hatolotra amin'ny fanambadiana, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra. 26 Fa mahakasika ny amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, tsy novakianareo va ny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andalana momba ilay voaroy, ny niresahan'Andriamanitra taminy ka nilazany hoe: 'Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba'? 27 Izy dia tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona. Somary diso hevitra ianareo." 28 Nisy iray tamin'ireo mpanora-dalàna tamy ary nandre ny resak'izy ireo; hitany fa novalian'i Jesosy tsara izy ireo. Ary nanontany Azy izy hoe: "Inona no didy lehibe indrindra amin'izy rehetra?" 29 Jesosy namaly hoe: "Ny lehibe indrindra dia ny hoe: 'Mihainoa, ny Tompo Andriamanitsika, ry Israely, iray ny Tompo. 30 Tsy maintsy mitia ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra ianao, amin'ny fanahinao rehetra, amin'ny sainao rehetra, sy amin'ny herinao rehetra.' 31 Ity no didy faharoa: 'Tsy maintsy mitia ny namanao tahaka ny tenanao ianao.' Tsy misy didy hafa lehibe mihoatra noho ireo." 32 Hoy ilay mpanora-dalàna hoe: "Tsara izany, ry Mpampianatra! Voalazanao marina fa Andriamanitra dia Iray, ary tsy misy afa-tsy Izy. 33 Ary ny mitia azy amin'ny fo rehetra sy amin'ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny mitia ny namana tahaka ny tena, dia tsara lavitra mihoatra ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra." 34 Rehefa hitan'i Jesosy fa nanome valin-teny hendry Izy, dia niteny taminy Izy hoe: "Tsy lavitry ny fanjakan' Andriamanitra ianao." Ary taorian'izany, dia tsy nisy olona sahy nametraka fanontaniana tamin'i Jesosy intsony. 35 Namaly Jesosy, raha nampianatra tao amin'ny tempoly Izy; dia hoy Izy hoe: "Ahoana moa no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Kristy dia zanak'i Davida? 36 Davida tenany, tamin'ny Fanahy Masina, nanao hoe: 'Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko hoe: mipetraha eo an-tanana ankavanako, mandram-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.' 37 Davida tenany aza niantso Azy hoe 'Tompo,' koa ahoana no maha zanak'i Davida an'i Kristy?" Nihaino Azy tamim-pifaliana ireo vahoaka maro be. 38 Tamin'ny fampianarany Jesosy dia niteny hoe: "Mitandrema amin'ireo mpanora-dalàna, izay tia mandehandeha amin'ny akanjo lava ary tian'izy ireo ny fiarahabana azon'izy ireo eny an-tsena 39 ary tian'izy ireo ny mahazo ny seza voalohany any amin'ny synagoga sy ny toerana voalohany any amin'ny fety. 40 Mandroba ny tranon'ireo mpitondra tena izy ireo, ary manao vavaka lava be mba ho hitan'ny olona. Ireo lehilahy ireo dia handray fanamelohana lehibe kokoa." 41 Avy eo Jesosy nipetraka nifanandrify ny vatan-drakitra tao amin'ny faritry ny tempoly; nijery ireo olona rehetra izay nandrotsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra. Mpanankarena maro no nandatsaka vola be dia be tao. 42 Dia nisy vehivavy mahantra mpitondratena iray tonga nandrotsaka farantsakely roa, izay kely variroaventy oharina amin'ny iraimbilanja. 43 Dia nantsoiny ireo mpianany ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ity vehivavy mahantra mitondratena ity no nandrotsaka betsaka mihoatra amin'ny olona izay nandrotsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra. 44 Satria ny rehetra dia nanome tamin'ny fananam-ben'izy ireo. Fa ity mpitondratena ity kosa, tamin'ny fahantrany, dia nandrotsaka ny vola rehetra izay tokony hivelomany tao."