Toko faha 7

1 Tamin'ny andron'i Ahaza zanaka lahin'i Jotama zanaka lahin'i Ozia, mpanjakan'i joda, dia niakatra nankany Jerosalema i Rezina mpanjakan'i Syria, sy Pelza zanaka lahin'i Remalia, mpanjakan'Israely mba hanangana ady amin'izany, fa tsy nandresy izany izy ireo. 2 Notaterina tany amin'ny fianakavian'i Davida fa niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana. Nangovitra ny fony, sy ny fon'ny vahoakany, toy ireo hazo any an'ala ahozongozon'ny rivotra. [Fanamarihana: Raha tokony ho: "...fa niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana", ny dikan-teny sasany dia manao hoe: "... fa nitoby tao Efraima ny Syriana."] 3 Dia hoy Yaveh tamin'Isaia hoe: "Mivoaha miaraka amin'i Seara-jasoba zanakao lahy mba hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, eny amin'ny lalana mankany amin'ny Sahan'ny Mpanasa lamba. 4 Lazao azy hoe: 'Mitandrema, aza taitaitra, aza matahotra na ampitahorin'ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin'ny hatezeran'i Rezina sy Syria, ary Pelza zanaka lahin'i Remalia. 5 Syria, Efraima, ary ny zanaka lahin'i Remalia dia nanao teti-dratsy hanoherana anao; hoy izy ireo hoe: 6 "Andeha isika hanafika an'i Joda sy hampihorohoro azy, ary aoka isika hamaky azy ary hametraka ny mpanjakantsika, ilay zanaka lahin'i Tabeala ao." 7 Hoy ny Tompo Yaveh hoe: "Tsy ho tanteraka izany; tsy hitranga izany, 8 satria Damaskosy no lohan'i Syria, ary Rezina no lohan'i Damaskosy. Ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona, dia ho torotoro ny Efraima ary tsy ho vahoaka intsony. 9 Samaria no lohan'i Efraima, ary ny zanaka lahin'i Remalia no lohan'i Samaria. Raha tsy mitoetra mafy amin'ny finoana ianareo, dia azo antoka fa tsy ho voaaro."'" 10 Niresaka tamin'i Ahaza indray ny Tompo hoe: [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Niresaka ny Tompo", dia ny dikan-teny sasany manao hoe: "Niresaka Yaveh."] 11 "Mangataha famantarana amin'i Yaveh Andriamanitrao; mangataha an'izany amin'ny lalina na amin'ny hahavon'ny ambony." 12 Fa hoy Ahaza hoe: "Tsy hangataka aho, na hitsapa an'i Yaveh." 13 Koa namaly Isaia hoe: "Henoy, ry fianakavian'i Davida. Tsy ampy anareo vahoaka ve ny mitsapa ny faharetan'ny vahoaka? Tsy maintsy mitsapa ny faharetan'ny Andriamanitro koa ve ianareo? 14 Noho izany dia ny Tompo mihintsy no hanome famantarana anareo: indro, hitoe-jaza ilay tovovavy, hiteraka zazalahy, ary hiantso ny anarany hoe Imanoela. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Ilay tovovavy", dia ny dikan-teny sasany manao hoe: "ny tovovavy."] 15 Hihinana rononomandry sy tantely izy rehefa mahay mandà ny ratsy ary misafidy ny tsara. 16 Fa mialohan'ny hahaizan'ilay zaza mandà ny ratsy ary misafidy ny tsara, dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa izay natahoranao ireo. 17 Yaveh dia hitondra andro tsy mbola nisy hatramin'ny nialan'i Efraima tamin'i Joda aminao, sy ny vahoakanao, ary amin'ny fianakavian-drainao—ho entiny eo aminao ny mpanjakan'i Asyria." 18 Amin'izany andro izany Yaveh dia hisioka lalitra avy lavitra eny amin'ny onin'i Egypta, ary tantely avy eny amin'ny tanin'i Asyria. 19 Ho tonga avokoa izy rehetra ary hipetraka ambany eny amin'ny lohasaha lao, eny an-tsefatsefaky ny harambato, eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny tany fihinanam-bilona rehetra. 20 Amin'izany fotoana izany ny Tompo dia hanaratra amin'ny hareza nofaina tany amoron'ny Onin'i Eofrata—ilay mpanjakan'i Asyria—ny loha sy ny volon-tongotra; hanala ireo volom-bava ihany koa izany. 21 Amin'izany andro izany, dia hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona, 22 ary nohon'ny habetsaky ny ronono izay homen'izy ireo, dia hihinana rononomandry izy, satria ny olona rehetra tavela eo amin'ilay tany dia hihinana rononomandry sy tantely. 23 Amin'izany fotoana izany, teo amin'izay nisy divay aman'arivony tombanana sekely volafotsy arivo, dia tsy hisy na inona na inona afa-tsy tsilo. 24 Handeha ho any mba hihaza amin'ny tsipìka ny olona, satria ny tany rehetra dia ho tsilo avokoa. 25 Hijanona lavitr'ireo tanety rehetra izay navadika tamin'ny angady izy ireo, nohon'ny tahotra an'ireo tsilo; fa ho toerana fihinanan'ny biby fiompy sy ondry izany.