Toko faha 6

1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka, dia nahita ny Tompo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana aho; sady avo no ambony Izy, ary nameno ny tempoly ny moron'akanjo lavany. 2 Teo amboniny dia nisy ny serafima; samy nanana elatra enina avy; ny roa nanarona ny tavany, ny roa hafa nanarona ny tongony, ary ny roa nanidinany. 3 Nifampiantso izy ireo ary nanao hoe: "Masina, masina, masina, i Yaveh Tompon'ny maro! Izao tontolo izao dia feno ny voninahiny." 4 Nihozongozona tamin'ny feon'ireo izay mitaraina ny fototr'ireo tokonam-baravarana, ary feno setroka ny trano. 5 Ary hoy aho hoe: "Loza! Very aho satria lehilahy maloto molotra aho, ary niaina teo amin'ny vahoaka maloto molotra, satria ny masoko dia efa nahita ny Mpanjaka, Yaveh, Yaveh tompon'ny maro!" 6 Avy eo dia nisy iray tamin'ireo serafima nanidina teo amiko; nisy vain'afo teny an-tanany, izay nalainy niaraka tamin'ny tandra teny amin'ny alitara. 7 Nikasika ny molotro tamin'izany izy ary niteny hoe: "Indro, nikasika ny molotrao ity; afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao." 8 Nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: "Iza no tokony hirahiko; iza no handeha ho antsika?" Dia hoy aho hoe: "Inty aho; hiraho aho." 9 Hoy Izy hoe: "Mandehana ary lazao ireo vahoaka ireo hoe: 'Henoy, fa aza takarina; jereo, fa aza mamantatra.' 10 Hamafiso ny fon'io vahoaka io, ary ataovy marenina ny sofin'izy ireo, ary ataovy jamba ny mason'izy ireo. Raha tsy izany dia mety hahita amin'ny masony izy ireo, handre amin'ny sofiny, sy hahalala amin'ny fon'izy ireo, ary avy eo hiova ka ho sitrana." Ary hoy izaho, "Tompo o, mandra-pahoviana anefa?" Dia hoy Izy, 11 Dia hoy aho hoe: "Ry Tompo, mandra-pahoviana?" Namaly Izy hoe: "Mandra-pahafoana ireo tanàna ka tsy hisy mponina, ary ireo trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao, 12 ary mandra-pandefasan'i Yaveh lavitra an'ireo vahoaka, ka ho manirery tokoa ilay tany. 12 ary Yahweh hampande lavitra ny olona, ka ho be ny lao ao amin'ny tany. 13 Na ny ampaha-folon'ny olona tavela ao amin'izany aza, dia ho potehina indray; tahaka ny terebinta sy oka notapahina ka misy rantsany tavela, ilay voa masina dia ao amin'ny fotony."