Toko faha 64

1 "Endrey, raha manasaraka ny lanitra Ianao ka midina! Dia hiozongozona eo anatrehanao ny tendrombohitra, 2 tahaka ny afo rehefa mirehitra amin'ny borosy hazo, na ny afo mampangotraka rano. Endrey, fa ho fantatr'ireo fahavalonao ny Anaranao, fa hangovitra eo anatrehanao ny firenena! 3 Taloha, raha nanao zava-mahagaga izay tsy nandrasanay Ianao, dia nidina Ianao, ary nangovitra teo amin'ny fanatrehanao ny tendrombohitra. 4 Hatramin'ny taloha dia tsy nisy nahare na nahafantatra, na nahita maso Andriamanitra afa-tsy Ianao, izay manao zavatra ho an'izay miandry Azy. 5 Tonga manampy ireo izay mifaly amin'ny fanaovana ny marina Ianao, ireo izay mahatsiaro ireo lalanao sy mankatò ireny. Tezitra Ianao raha nanota izahay. Avotra tamin'ny lalanao foana izahay. 6 Fa tonga tahaka ireo maloto avokoa izahay, ary ireo asam-pahamarinanay rehetra dia tahaka ny ravin-dambam-padim-bolana. Malazo tahaka ny ravina avokoa izahay; ireo helokay dia tahaka ny rivotra, mitondra anay lavitra. 7 Tsy misy miantso amin'ny Anaranao, na miezaka mba hifikitra Aminao. Fa nanafina ny tavanao taminay Ianao ary mandamaka anay eo amin'ny tanan'ireo helokay. 8 Nefa, ry Yaveh, Ianao no Rainay; izahay no tanimanga. Ianao no mpamolavola anay; ary izahay rehetra no asan'ny tananao. 9 Aza tezitra loatra, ry Yaveh, na koa mahatsiaro ireo otanay hanohitra anay. Mba miangavy re jereo izahay rehetra, olonao. 10 Tonga tany karakaina ireo tanànanao masina; tonga tany karakaina i Ziona, lao i Jerosalema. 11 Ny tempolinay masina sy tsara, izay nideran'ny razanay Anao, dia ravan'ny afo, ary ireo rehetra izay maminay dia niongana. 12 Ahoana no mbola hitazananao fotsiny, ry Yaveh? Ahoana Ianao no mitazona fahanginana ary mbola manala baraka anay hatrany?"