Toko faha 63

1 Iza ity izay avy any Edoma ity, nitafy akanjo menamena avy any Bozra? Iza moa izy izay nitafy akajon'andriana, mandeha am-pahatokiana noho'ny haben'ny heriny? Izaho izany, izay milaza fahamarinana sy mahavonjy tanteraka. 2 Nahoana no mena ny fitafianao, ary nahoana izy ireo no tahakan'izay efa nanitsakitsaka ny voaloboka eo amin'ny famiazana? 3 Nanosihosy irery ny voaloboka teo amin'ny famiazana Aho, ary tsy nisy na dia firenena iray aza nanantona Ahy. Nohosihoseko tamin'ny fahatezerako sy nitsakitsahiko tamin'ny fahavinirako izy ireo. Ny ràn'izy ireo dia nipitika tamin'ny fitafiako ary voaloto ireo fitafiako rehetra. 4 Fa tsy andriko ny andro'ny famaliako, ary ny taonan'ny fanavotako dia efa tonga. 5 Nijery Aho, ary tsy nisy na iza na iza nanampy. Talanjona Aho fa tsy nisy nanampy, fa ny sandriko no nitondra fandresena ho Ahy, ary ny fahatezerako lehibe no nanohana Ahy. 6 Nitsakitsahiko tamin'ny fahatezerako ireo olona ary nahamamo azy ireo tamin'ny fahavinirako Aho, ary naidiko teo amin'ny tany ny ràn'izy ireo. 7 Hanambara ny asan'ny fanekena mahatokin'i Yaveh aho, ireo asa mendri-piderana nataon'i Yaveh. Hanambara izay rehetra nataon'i Yaveh ho antsika aho, ary ny haben'ny fanaovan-tsoany tamin'ny taranak'Israely. Efa nasehony antsika ny fangoraham-pony nohon'ny famindrampony, ary tamin'ny asa maron'ny fanekena mahatoky. 8 Fa hoy izy: "Fa oloko tokoa ireo, zanaka izay tsy mba tsy mena-mivadika."Tonga Mpamonjin'izy ireo Izy. 9 Tamin'ny fijalian'izy ireo rehetra, dia nijaly koa izy, ary namonjy azy ireo ny anjely avy amin'ny fanatrehany. Amin'ny fitiavany sy ny famindrampony no namonjeny azy ireo, ary nanandratra sy nitondra azy ireo tamin'ny fotoana fahiny rehetra Izy. 10 Fa nikomy sy sosotra tamin'ny Fanahy Masiny izy ireo. Ka tonga fahavalon'izy ireo Izy ary niady hanohitra azy ireo. 11 Ny olony dia nihevitra ireo fotoanan'i Mosesy fahiny. Hoy izy ireo: "Aiza Andriamanitra, izay nitondra azy ireo nivoaka tao amin'ny ranomasina miaraka amin'ny mpiandry ny ondry aman'osiny? Aiza Andriamanitra, izay nametraka ny Fanahy Masina teo amin'izy ireo? 12 Aiza Andriamanitra, ilay nanao ny heriny be voninahiny nandeha tamin'ny tanana ankavanan'i Mosesy, ary nampisaraka ny rano teo anoloan'izy ireo, mba hanaovana anarana mandrakizay ho azy? 13 Aiza Andriamanitra, ilay nitondra azy ireo tamin'ny rano lalina? tahaka ny soavaly mihazakazaka eny amin'ny tany mahitsy, tsy tafintohina izy ireo. 14 Toy ny biby fiompy izay midina an-dohasaha, ny Fanahin'i Yaveh nanome fitsaharana azy ireo. Ka nitondra ny vahoakanao ianao, mba hanaovana anarana fiderana ho anao. 15 Mijere ambany avy eny amin'ny lanitra ary miambena avy eny amin'ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny zotom-ponao sy ny asanao mahery? Ireo asa famindrampo sy ny fangorahanao dia notazomina taminay. 16 Satria rainay ianao, fa Abrahama tsy mahalala anay, ary Israely tsy mahafantra anay, ianao, ry Yaveh, no rainay. 'Mpanavotra anay' no efa anaranao hatramin'ny fahiny. 17 Ry Yaveh, nahoana no avelanao hirenireny hiala amin'ny lalanao izahay ary manamafy ny fonay, mba tsy hankatoavanay Anao? Miverena noho'ny amin'ireo mpanomponao', ny fokon'ny lovanao. 18 Fotoana fohy no nananan'ny vahoakanao ny toeranao masina, dia nitsakitsahin'ny fahavalonay izany. 19 Tonga tahaka ireo izay tsy mbola nofehizinao izahay, tahaka ireo izay tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao."