Toko faha 58

1 "Mitomania mafy; aza tazonina. Asandrato tahaka ny trompetra ny feonao. Atreho amin'ny fikomiany ny oloko, ary amin'ny fahotany ny ankohonan'i Jakoba. 2 Kanefa mbola mitady ahy isan'andro izy ireo ary finaritra amin'ny fahalalana ny lalako, tahaka ny firenena izay nanao ny fahamarinana ary tsy nahafoy ny lalàn'ny Andriamanitr'izy ireo. Mangataka fitsarana marina amiko izy ireo; finaritra amin'ny fiheverana ny fanakaikezan'Andriamanitra izy ireo. 3 'Nahoana izahay no nifady' hoy izy ireo, 'kanefa tsy hitanao izany? Nahoana izahay no nanetry tena, kanefa tsy tsikaritrao?' Indro, amin'ny andron'ny fifadianareo no hahitanareo ny fahafinaretanareo manokana ary ampahorianareo ny mpiasanareo rehetra. 4 Indro, mifady hanina ianareo mba hifanditra sy hiady, ary hamely amin'ny totondrin'ny faharatsianareo; tsy mifady ianareo androany mba ho re any ambony ny feonareo. 5 Izany tokoa ve no karazana fifadiana tiako: Andro hanetren'ny rehetra ny tenany, mba hampiondrehany ny lohany tahaka ny volotara, ary hamelarany lamba fisaonana sy lavenona ao ambaniny? Fifadiana tokoa ve no iantsoanareo izany, andro ifalian'i Yaveh? 6 Tsy izao ve no fifadiana safidiako: Ny hanafaka ny famatoran'ny faharatsiana, ny hamaha ny tadin'ny zioga, ny hanafaka ireo torotoro, ny hanapaka ny zioga rehetra? 7 Tsy ny hizara ny mofonao amin'ny noana ary hitondra ireo mahantra sy ireo tsy manan-kialofana ho ao an-tranonao ve?" Rehefa mahita olona miboridana ianao, dia tokony hampitafy azy; ary tsy tokony hanafina ny tenanao amin'ireo havanao ihany ianao. 8 Dia hipoaka tahaka ny masoandro ny fahazavanao, ary hitsimoka faingana ny fanasitranana anao; handeha eo anoloanao ny fahamariananao, ary ny voninahitr'i Yaveh no ho vodi-lalanao. 9 Dia hiantso ianao, ary hamaly Yaveh; hihiaka famonjena ianao, ary hiteny izy hoe: "Inty Aho." Raha esorianao hiala aminao ny zioga, ny fanondro miampanga, ary ny lahatenin'ny faharatsiana, 10 raha manome ho an'ny noana ianao ary mamoky ny tra-pahoriana; dia hiposaka ao amin'ny aizina ny fahazavanao, ary ny aizinao ho tahaka ny amin'ny mitataovovonana. 11 Dia hitarika anao lalandava Yaveh ka hamoky anao any amin'ny faritany izay tsy misy rano, ary hanatanjaka ny taolanao Izy. Ho tahaka ny sahan-drano ianao, ary tahaka ny loharano, izay tsy mitsahatra mandrakizay ny ranony. 12 Ny sasany aminareo dia hanorina indray ny rava fahiny; hanangana ireo ravan'ny taranaka maro ianareo; ho antsoina ianareo hoe "mpanamboatra ny manda," "Mpamerina ny lalana honenana." 13 Raha atao hoe mamily ny tongotrao hiala amin'ny fanaovana dia amin'ny andro Sabata ianao, ary hiala amin'ny fanaovana ny fahafinaretanao manokana amin'ny androko masina. Raha atao hoe miantso ny Sabata ho sitraka, ary miantso ny raharahan'i Yaveh ho masina sy manan-kaja ianao. Raha atao hoe manaja ny Sabata amin'ny fahafoizana ny raharahanao manokana ianao, ary amin'ny tsy fitadiavana ny fahafinaretanao manokana ary amin'ny tsy filazana ny teninao manokana. 14 Dia hahita mamy ao amin'i Yaveh ianao; ary hampitaingenako ny haavon'ny tany ianao; hamoky anao avy amin'ny lovan'i Jakoba rainao Aho—fa ny vavan'i Yaveh no niteny."