Toko faha 57

1 Maty ny marina, nefa tsy misy mihevitra izany, ary nangonina ny olon'ny fanekena mahatoky, nefa tsy misy olona mahatakatra fa angonina avy amin'ny ratsy ny marina. 2 Miditra ao amin'ny fiadanana izy; miala sasatra eo am-pandriany izy ireo, dia ireo izay mandeha amin'ny fahitsiany. 3 Fa manatona eto, ianareo zanaky ny mpanandro, zanaky ny mpijangajanga ary ny vehivavy izay efa nivarotra ny tenany. 4 Iza no maneso amin-kafaliana anareo? Amin'iza no anokafanareo vava sy hitranganareo lela? Moa ve tsy zanaka mpikomy, zanaka mpamitaka ianareo? 5 Manafana ny tenanareo amin'ny fiarahana matory eo ambanin'ny hazo terebinta, ambanin'ny ahi-maitso rehetra ianareo. Ianareo izay mamono ny zanakareo eo amin'ny renirano maina, eo ambanin'ny tsefatsefakin'ny vato. 6 Amin'ireo kilonjy malaman'ny reniran-dohasaha ireo zavatra izay notendreko ho anareo. Ireo no anton'ny fanoloran-tenanareo. Ianareo dia mandraraka ny fanatitrareo sotrona ho azy ireo sy manandratra ny fanatitra vary. Amin'ireo zavatra ireo ve no tokony hifaliako? 7 Nanomana ny fandrianareo tany an-tendrombohitra avo ianareo; niakatra tany koa ianareo mba hanolotra ireo sorona. 8 Tao ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanareo ireo famantaranareo. Ianareo dia nitsoaka nandao Ahy, nampitanjaka ny tenanareo, ary niakatra; nampihanjaka ny fandrianareo. Nanao fanekena tamin'izy ireo ianareo; nitia ny fandrian'izy ireo ianareo; nahita ny faritra saro-padiny ianareo . 9 Nankany amin'i Moleka niaraka tamin'ny diloilo ianareo; nampitombo ny zava-manitra ianareo. [Fanamarihana: Raha toa ka hoe "amin'i Moleka", ny dikan-teny sasany misy hoe "amin'ny mpanjaka".] Nandefa ireo irakareo lavitra ianareo; nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo. 10 Reraky ny dianareo lavitra ianareo, nefa tsy niteny mihintsy ianareo hoe: "Tsy misy fanantenana izany." Nahita fiainana teo an-tananareo ianareo; noho izany dia tsy nihaosa ianareo. 11 "Iza no ahianareo? Iza no atahoranareo mafy ka nahatonga anareo hamitaka, ka tsy nahatsiaro na niheritreritra Ahy ianareo? Satria nangiana hatry ny ela Aho ary tsy matahotra Ahy intsony ianareo. 12 Hanambara ireo asa marinareo sy hilaza izay efa nataonareo rehetra Aho, fa tsy hanampy anareo ireny. 13 Rehefa mitaraina ianareo, aoka hamonjy anareo ireo karazan-tsampinareo. Raha tokony ny rivotra no hitondra azy rehetra ireo, dia ny fofon'aina no hitondra azy rehetra. Fa izay mialoka Amiko dia handova ny tany sy haka ho fananana ny tendrombohitro masina. 14 Hiteny izy hoe: 'Amboary, amboary! Savao ny lalana! Esory eo amin'ny lalan'ny vahoakako ny zavatra manafintohina rehetra!'" 15 Fa izao no lazain'Ilay ambony sy avo, izay velona mandrakizay, masina ny Anarany: "Izaho dia mipetraka amin'ny toerana avo sy masina, miaraka aminy koa ny fanahy torotoro sy manetry tena, mba hamelomana indray ny fanahin'ireo izay manetry tena, ary mba hamelomana indray ny fon'ireo izay manenina. 16 Fa tsy hiampanga mandrakizay, na ho tezitra mandrakizay Aho, fa ny fanahin'ny olona dia reraka teo anatrehako, dia ireo aina izay nataoko. 17 Nohon'ny fahotan'ny tombony tsy ara-drariny, dia tezitra Aho, ary nanafay azy; nanafina ny tavako Aho ary tezitra, nefa nandeha tamin'ny lalan'ny fony izy. 18 Efa nahita ny lalany Aho, nefa ho sitraniko izy. Hitarika azy Aho ary hampahery sy hampionona ireo izay misaona ho azy, 19 ary foroniko ny vokatr'ireo molony. Fiadanana, fiadanana, ho an'ireo izay any lavitra sy ho an'ireo izay akaiky_hoy i Yaveh_hositraniko izy ireo. 20 Kanefa ireo ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misambaravoara, izay tsy afaka mijanona, ary ny ranon'izany dia fotaka misambaravoara. 21 Tsy misy fiadanana ho an'izay ratsy fanahy_hoy Andriamanitra."