Took faha 55

1 "Avia, ianareo rehetra izay mangetaheta, makanesa eo amin'ny rano, ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividina ary mihinana! Avia, mividiana divay sy ronono tsy andoavam-bola sady tsy must vidiny. 2 Nahoana ianareo no mandanja volafotsy ho amin'izay tsy mofo, ary nahona ianareo no miasa mafy amin'izay tsy mahafa-po anareo? Henoy tsara Aho ka mihinana izay tsara, ary amin'ny hatavezana no hafinaritra ny tenanareo. 3 Atongilano ny sofinareo ary manatona aty amiko! Mihenoa, dia ho velona ianareo. Hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho: ny tokiako, fitiavana mahatoky nampanantenaina an'i Davida. 4 Indro, efa nataoko amin'ny toerany tahaka ny vavolombelona ho an'ireo firenena izy, toy ny mpitarika sy mpibaiko ho an'ny vahoaka. 5 Indro, hiantso ny firenena izay tsy fantatrareo ianareo; ary ny firenena izay tsy nahafantatra anareo no hiazakazaka ho any aminareo noho Yaveh Andriamanitrareo, ilay masin'Israely, izay efa nanome voninahitra ho anareo." 6 Mitadiava an'i Yaveh dieny mbola hita Izy; miantso Azy dieny mbola eo akaiky eo Izy. Aoka hiala amin'ny lalany ny ratsy fanahy, ary ny mpanota hiala amin'ny heritreriny. 7 Aoka izy hiverina amin'i Yaveh, dia hihantra azy Izy, ary an'Andrimanitsika, izay hamela tanteraka azy. 8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, na ny lalanareo no lalako__izany no fanambaran'i Yaveh__ 9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra izay avo kokoa noho ny tany, no hahavon'ny lalako kokoa noho ny lalanareo, ary ny fihevitro mihoatra noho ny fihevitrareo. 10 Fa toy ny orana sy ny fanala hilatsaka avy eny an-danitra ka tsy miverina eny raha tsy hoe mameno ny tany ireo ary hamokatatra sy hitsimoka izany ary hanome voa ho an'ny mpamboly izay mamafy ary mizara mofo ho an'ny mpihinana, 11 koa ho aloakin'ny vavako ihany koa ny teny: tsy mba hiverina amiko amin'ny tsy misy dikany izany, saingy izany no hanatanteraka izay iriko, ary hahomby izy ho amin'izay nalefako an'izany. 12 Fa hivoaka am-pifaliana ianareo ary hotarihana am-piadanana; ireo tendrombohitra sy ny havoana dia ho vaky amin'ny hiaka am-pifaliana eo anatrehanareo, ary ny hazon'ny saha rehetra dia hiteha-tanana. 13 Raha tokony ho fefy tsilo, dia ny kipreso no haniry; ary raha tokony tsilo, dia hazo rotra no haniry, ary ho an'i Yaveh izany,fa ny anarany, tahaka ny famantarana izay tsy ho tapaka mandrakizay.