Toko faha 54

1 "Mihirà, ry vehivavy momba, ianareo izay tsy niteraka; miravoravoa amin'ny hiram-pifaliana ary mihiakà mafy, ianareo izay tsy mba nihetsi-jaza. Fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro kokoa noho ny zanaky ny vehivavy manambady," hoy i Yaveh. 2 Ataovy lehibe kokoa ny lainareo ary velaro ny ambain-dainareo, velaro tsara; alavao ny tadinareo ary hamafiso ny tsato-kazonareo. 3 Fa hiely any an-kavanana sy any an-kavia ianareo, ary ireo taranakareo dia handresy ireo firenena ary honina amin'ireo tanàna lao. 4 Aza matahotra fa tsy ho menatra ianareo, na kivy fa tsy ho afa-baraka ianareo; hanadino ny henatry ny hatanoranareo sy ny fahafaham-barakan'ny fandaozana anareo ianareo. 5 Fa ilay Mpahary anareo no vadinareo; Yaveh tompon'ny maro no Anarany. Ilay Iray Masin'Israely no Mpanavotra anareo; Izy dia antsoina hoe Andriamanitry ny tany rehetra. 6 Fa Yaveh efa namerina niantso anareo ho toy ny vady izay nilaozana sy malahelo am-panahy, tahaka ny vehivavy nanambady tanora ary nariana," hoy ny Andriamanitrareo. 7 "Fa nanary anareo nandritra ny fotoana fohy Aho, fa amin'ny fangorahana lehibe no hanangonako anareo. 8 Vetivety ihany no nanafenako ny tavako taminareo tamin'ny tondra-dranon'ny hatezerana; fa amin'ny fanekena mahatoky tsy manam-pahataperana no hangorahako anareo—hoy i Yaveh, ilay iray izay manavotra anareo. 9 Fa izao dia tahaka ny tondra-dranon'i Noa Amiko: tahaka ny nianianako fa ny tondra-dranon'i Noa dia tsy handalo amin'ny tany intsony, no hianianako fa tsy ho tezitra aminareo na hiteny mafy anareo Aho. 10 Na hianjera aza ireo tendrombohitra na koa hiozongozona aza ireo havoana, ny fitiavako tsy miova kosa dia tsy hiodina aminareo, na ny fiadanako mahatoky ho voaozongozona—hoy i Yaveh, izay mamindra fo anareo. 11 Ianareo ory, afotofoton'ny tafio-drivotra sy tsy manana fampiononana, indro, ho ataoko amin'ny vatosoa ny rarivatonareo, ary amin'ny safira no hametrahako ny fototrareo. 12 Hataoko robina ireo tilikambonareo ary amin'ny vato mamirapiratra ny vavahadinareo, ary ny mandanareo any ivelany amin'ny vato tsara tarehy. 13 Dia i Yaveh no hampianatra ireo zanakareo rehetra; ary ho lehibe ny fiadanan'ireo zanakareo. 14 Amin'ny fahamarinana no hamerenako anareo amin'ny laoniny. Tsy hiaina fanenjehana intsony ianareo, ka tsy hatahotra ianareo, ary tsy hisy na inona na inona mampitahotra ho avy eo anilanareo. 15 Indro, raha misy olona mitarika korontana, dia tsy avy Amiko izany; na iza na iza mitarika korontana eo aminareo dia ho lavo amin'ny faharesena. 16 Indro, efa nahary mpanao asa tanana, izay mitsoka ny vain'afo mirehitra sy manefy fitaovam-piadiana ho asany Aho, ary efa nahary ny mpamotika mba hamotika Aho. 17 Tsy misy fitaovam-piadiana izay voaforona hanohitra anareo haharesy; ary ianareo dia hanameloka izay rehetra miampanga anareo. Izany no lovan'ireo mpanompon'i Yaveh, ary ny fanamarinan'izy ireo avy Amiko—izany no fanambaran'i Yaveh."