Toko faha 48

1 Mihainoa izao, ry taranak'i Jakoba, izay nantsoina tamin'ny anaran'ny Israely, ary izay avy tamin'ny ranon'ain'i Joda; ianao izay mianiana amin'ny anaran'i Yaveh sy mangataka ny Andriamanitry ny Israely, nefa tsy tamin-kitsimpo na fomba marina. 2 Fa miantso ny tenany ho vahoakan'ny tanàna masina izy ireo ary matoky an'Andriamanitry ny Israely. Yaveh Tompon'ny maro no anarany. 3 "Efa voalazako ny zavatra tamin'ny fahiny; naloaky ny vavako izy ireo, ary nampalaza azy ireo Aho; Ary tampoka no nanaovako azy ireo ary tonga mba andalo izy ireo. 4 Satria nahafantatra Aho fa be-dia-doha ianao, ny hozatry ny hatokao dia toy ny vy, ary ny handrinao dia toy ny varahina. Koa dia nambarako taminao mialoha izany zavatra izany, 5 mialohan'ny isehoan'izany dia efa nampilaza anao Aho, koa tsy tokony hiteny ianao hoe: 'ny sampiko no efa nanao azy ireo,' na 'ny sari-sokitro sy sarin-javatro an'idina no nandidy izany zavatra izany.' 6 Efa nandre izany zavatra izany ianao; jereo ny porofon'izany rehetra izany, ary ianao, tsy hanaiky ve ianao fa izay voalazako dia marina? Manomboka izao, mampiseho anao zava-baovao Aho, zava-miafina izay tsy mbola fantatrao. 7 Vao izao, ary tsy tamin'ny teo aloha, satria tonga izy ireo, ary talohan'ny androany dia tsy mbola naheno ny momba azy ireo ianao, koa tsy afaka ny hiteny ianao hoe, 'Eny, izaho mahafantatra azy ireo.' 8 Tsy mbola nahare mihintsy ianao; tsy nahalala ianao; izany zavatra izany dia tsy natao ho an'ny sofinao mialoha. Fa fantatro fa ianao dia tena mpamitaka, ary efa mpikomy hatrany an-kibo. 9 Fa nohon'ny anarako dia leferiko ny fahatezerako, ary nohon'ny voninahitro no hisalasalako ny amin'ny fandravana anao. 10 Indro, voadioko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; efa nanadio anao tao amin'ny lafaoron'ny fahoriana Aho. 11 Nohon'ny tenako, eny nohon'ny tenako no hanaovako izany; fa ahoana no amelako ny anarako ho fahafaham-baraka? Tsy homeko olon-kafa ny voninahitro. 12 Mihainoa ahy, ry Jakoba, sy ry Israely, izay nantsoiko: Izao no izy; Izaho no voalohany, ary Izaho ihany koa no farany. 13 Eny, ny tanako mametraka ny fanorenana eo amin'ny tany, ary ny tanan'ny olona marina hovelarina amin'ny lanitra; Rehefa miantso azy ireo Aho, dia miara-mitsangana izy ireo. 14 Mivoria ianareo, ianareo rehetra, ary mihainoa! Iza teo aminareo no efa nanambara izany zavatra izany? Izay tian'i Yaveh no hanatanteraka ny tanjony hanohitra an'i Babylona. Hanatanteraka izay tian'i Yaveh hanoherana ireo Kaldeana. 15 Izaho, efa niteny aho, eny, efa nampiantso azy Aho, efa nitondra azy Aho, ary hahomby izy. 16 Makanesa eto akaikiko, mihainoa izao: Hatrany am-piandohana no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina; rehefa miseho izany, dia eto Aho." Ankehitriny Yaveh Tompon'ny maro no naniraka ahy, ary ny Fanahiny. 17 Izao no nambaran'i Yaveh, mpanavotra anao, ilay Tokana Masin'ny Israely: "Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay mampianatra anao hahomby, izay mitarika anao amin'ny lalana izay tokony alehanao. 18 Raha mba efa nankatoa ny didiko ianao! Dia fiadananao sy fanambinanao no hikoriana toy ny ony, ary ny famonjenao dia toy ireo onjan-dranomasina. 19 Tsy ho hita isa toy ny fasika ireo taranakao, ary ny zanaka aloaky ny kibonao hitovy isa toy ny sombim-pasika; ny anaran'izy ireo dia tsy ho tapaka na ho foana avy eo anoloako. 20 Mivoaha hiala any Babylona! Mandosira ireo Kaldeana! Ambarao ami'ny feo hikiaka izany! Ataovy malaza izany, aelezo hatrany am-paran'ny tany izany! Lazao hoe: 'Efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony i Yaveh,' 21 Tsy nangetaheta izy ireo raha noentiny tany an'efitra; nampikoriana ny rano avy tamin'ny vatolampy ho azy ireo izy; nampitresaka ny vatolampy izy, ary niboiboika ireo rano. 22 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy-hoy Yaveh."